1Ty pak mluv, což sluší na zdravé učení.
1[Ny mety hataon'ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon'olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema; [ Gr. salama]
2Starci ať jsou střízliví, vážní, opatrní, zdraví u víře, v lásce, v snášelivosti.
2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana. [ Gr. salama]
3Tak také i staré ženy ať chodí zbožně, v oděvu příslušném a ať nejsou převrhlé, ani mnoho vína pijící, dobrým věcem učící,
3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
4Aby mladice vyučovaly, kterak by muže své i dítky řádně milovaly,
4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
5A byly šlechetné, čistotné, netoulavé, dobrotivé, mužům svým poddané, aby nebylo dáno v porouhání slovo Boží.
5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin'Andriamanitra. [ Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
6Takž i mládenců napomínej k středmosti,
6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
7Ve všech věcech sebe samého vydávaje za příklad dobrých skutků, a zachovávaje v učení celost, vážnost,
7ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
8Slovo zdravé bez úhony, aby ten, jenž by se protivil, zastyděti se musil, nemaje co zlého mluviti o vás.
8ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [ Gr. salama]
9Služebníky uč, ať jsou poddáni pánům svým, ve všem jim se líbíce, neodmlouvajíce,
9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
10Neokrádajíce, ale ve všem věrnosti pravé dokazujíce, aby učení Spasitele našeho Boha ve všem ozdobovali.
10tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.
11Zjevilať se jest zajisté ta milost Boží spasitelná všechněm lidem,
11Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
12Vyučující nás, abychom odřeknouce se bezbožnosti a světských žádostí, střízlivě, a spravedlivě, a zbožně živi byli na tomto světě,
12mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao,
13Očekávajíce té blahoslavené naděje a příští slávy velikého Boha a Spasitele našeho Jezukrista,
13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, [ Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
14Kterýž dal sebe samého za nás, aby nás vykoupil od všeliké nepravosti, a očistil sobě samému lid zvláštní, horlivě následovný dobrých skutků.
14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
15Toto mluv, a napomínej, a tresci mocně. Žádný tebou nepohrzej.
15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin'ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.