Czech BKR

Malagasy

Zechariah

11

1Otevři, Libáne, vrata svá, ať zžíře oheň cedry tvé.
1[Ny amin'ny hihavian'ny loza, ary ny hahafoizana ny ondrin'i Jehovah noho ny fandavany Azy, sy ny hanolorana ireny ho amin'ny mpiandry adala,]Vohay ny varavaranao, ry Libanona ô! Handevonan'ny afo ny sederanao
2Kvěl jedle, nebo padl cedr, nebo znamenití vypléněni jsou; kvělte dubové Bázanští, nebo klesl les ohražený.
2Midradradradra, ry hazo kypreso! Fa efa nianjera ny sedera, Eny, fongotra ireo avo be; Midradradradrà, ianareo ôka any Basana! Fa ripaka ny ala mikirindro
3Hlas kvílení pastýřů, proto že popléněno důstojenství jejich; hlas řvání lvů, proto že popléněna pýcha Jordánu.
3Injay! fidradradradran'ny mpiandry ondry! Fa rava ny voninahiny; Injay! fieron'ny liona tanora! Fa rava ny kirihitrala eny amoron'i Jordana [heb. reharehany]
4Takto praví Hospodin Bůh můj: Pas ovce tyto k zbití oddané,
4Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra: Andraso ny ondry izay hovonoina,
5Kteříž držitelé jejich mordují, aniž bývají obviňováni, a kdož je prodávají, říkají: Požehnaný Hospodin, že jsme zbohatli, a kteříž je pasou, nemají lítosti nad nimi.
5dia ireo vonoin'ny tompony nefa tsy ananany heloka; ary ny mivarotra azy manao hoe: Isaorana anie Jehovah, fa manan-karena aho; ary ny mpiandry azy koa dia tsy miantra azy [na: izay nividy azy][na: nefa tsy atao ho meloka ireny]
6Protož nebudu míti lítosti více nad obyvateli této země, praví Hospodin, ale aj, já uvedu ty lidi jednoho druhému v ruku, a v ruku krále jejich. I budou potírati zemi tuto, a nevytrhnu jí z ruky jejich.
6Fa tsy hiantra ny mponina amin'ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan'ny namany sy samy ho eo an-tanan'ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin'ny tànany Aho.
7Nebo jsem pásl ovce k zbití oddané, totiž vás chudé toho stáda, a vzav sobě dvě hole, nazval jsem jednu utěšením, a druhou jsem nazval svazujících. A pásl jsem, pravím, ty ovce,
7Ary niandry ny ondry izay hovonoina Aho, dia izay ondry mahantra. Ary naka tehina roa ho Ahy Aho, ny iray nataoko hoe Fahasoavana, ary ny iray kosa nataoko hoe Fikambanana; ary nandrasako ny ondry.
8A zahladil jsem tři pastýře měsíce jednoho, ale duše má stýskala sobě s nimi, proto že duše jejich nenáviděla mne.
8Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. [na: telo amin'ireo mpiandry ireo]
9Pročež řekl jsem: Nebudu vás pásti. Kteráž umříti má, nechť umře, a kteráž má vyhlazena býti, nechť jest vyhlazena, a jiné nechažť jedí maso jedna druhé.
9Dia hoy Izaho: Tsy hiandry anareo Aho: izay ho faty dia aoka ho faty, ary izay ho ringana dia aoka ho ringana, ary ny sisa dia aoka samy hihinana ny nofon'ny namany avy.
10Protož vzav hůl svou utěšení, posekal jsem ji, zrušiv smlouvu svou, kterouž jsem učinil se vším tím lidem.
10Ary noraisiko ny tehiko Fahasoavana ka notapahiko, mba hanafoanako ny fanekena izay efa nataoko tamin'ny firenena rehetra.
11A v ten den, když zrušena byla, právě poznali chudí toho stáda, kteříž na mne pozor měli, že řeč Hospodinova jest.
11Ary tapaka tamin'izany andro izany iny, ka dia fantatry ny ondry mahantra, izay nitandrina ny teniko, fa tenin'i Jehovah izany.
12Nebo jsem řekl jim: Jestliže se vám vidí, dejte mzdu mou; pakli nic, nechte tak. I odvážili mzdu mou třidceti stříbrných.
12Dia hoy izaho taminy: Raha tsara eo imasonareo, dia omeo ahy ny karamako; fa raha tsy izany, dia aoka ihany. Ary dia nolanjainy ny karamako, ka sekely volafotsy telo-polo.
13I řekl mi Hospodin: Povrz je před hrnčíře. Znamenitá mzda, kterouž jsem tak draze šacován od nich. A tak vzav třidceti stříbrných, uvrhl jsem je v domě Hospodinově před hrnčíře.
13Ary hoy Jehovah tamiko: Atsipazo amin'ny mpanefy tanimanga izany vola be nanombanany Ahy izany! Dia noraisiko ny sekely volafotsy telo-polo ka natsipiko tamin'ny mpanefy tanimanga tao an-tranon'i Jehovah.
14Potom posekal jsem hůl svou druhou svazujících, zrušiv bratrství mezi Judou a mezi Izraelem.
14Dia notapahiko koa ilay tehiko anankiray Fikambanana, hanafoanako ny firahalahian'i Joda sy Isiraely.
15I řekl mi Hospodin: Vezmi sobě ještě oruží pastýře bláznivého.
15Ary hoy Jehovah tamiko: Alao ho anao koa ny tehin'ny mpiandry ondry adala.
16Nebo aj, já vzbudím pastýře v této zemi. Pobloudilých nebude navštěvovati, ani jehňátka hledati, ani což polámaného jest, léčiti, ani toho, což se zastavuje, nositi, ale maso toho, což tučnějšího jest, jísti bude, a kopyta jejich poláme.
16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. [heb. mijoro tsara]Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.
17Běda pastýři tomu ničemnému, kterýž opouští stádo. Meč na rameno jeho a na oko pravé jeho, rámě jeho docela uschne, a oko pravé jeho naprosto zatmí se.
17Lozan'ny mpiandry ondry tsy mahomby izay mandao ny ondry! Ny sabatra no hanely ny sandriny sy ny masony ankavanana; halazo tokoa ny sandriny, ary ho jamba tokoa ny masony ankavanana.