Welsh

Malagasy

Esther

9

1 Ar y trydydd dydd ar ddeg o'r deuddegfed mis, sef Adar, daeth yr amser i gyflawni gair a gorchymyn y brenin. Trowyd y diwrnod, y gobeithiai gelynion yr Iddewon eu trechu arno, yn ddiwrnod i'r Iddewon drechu eu caseion.
1[Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
2 Unodd yr Iddewon yn eu dinasoedd ym mhob un o daleithiau'r Brenin Ahasferus i ymosod ar y rhai oedd yn ceisio'u niweidio. Ni wrthwynebodd neb hwy, oherwydd yr oedd ar yr holl bobl eu hofn.
2dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
3 Cawsant eu cynorthwyo gan dywysogion y taleithiau, y pendefigion, y rheolwyr a gweision y brenin, am fod arnynt ofn Mordecai.
3Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
4 Oherwydd yr oedd Mordecai yn flaenllaw yn y palas ac yn adnabyddus drwy'r holl daleithiau, ac yr oedd yn ennill mwy a mwy o rym.
4Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
5 Trawodd yr Iddewon eu holl elynion �'r cleddyf, a'u lladd a'u difa; a gwnaethant fel y mynnent �'u caseion.
5Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
6 Yn Susan y brifddinas yr oeddent wedi llofruddio a lladd pum cant o bobl,
6Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
7 yn cynnwys Parsandatha, Dalffon, Aspatha,
7ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
8 Poratha, Adaleia, Aridatha,
8sy Porata sy Adalia sy Aridata
9 Parmasta, Arisai, Aridai, Bajesatha,
9sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
10 sef deg mab Haman fab Hammedatha, gelyn yr Iddewon. Lladdodd yr Iddewon y rhain, ond heb gyffwrdd �'r ysbail.
10izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
11 Y diwrnod hwnnw, pan glywodd y brenin faint a laddwyd yn Susan y brifddinas,
11Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
12 dywedodd wrth y Frenhines Esther, "Y mae'r Iddewon wedi lladd pum cant o bobl a deg mab Haman yn Susan y brifddinas. Beth a wnaethant yn y gweddill o daleithiau'r brenin? Yn awr, beth a fynni? Fe'i cei. Os oes gennyt unrhyw ddymuniad arall, fe'i gwneir."
12Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
13 Meddai Esther, "Os gw�l y brenin yn dda, rhodder caniat�d i'r Iddewon sydd yn Susan i weithredu yfory hefyd yn �l y wu375?s a gyhoeddir heddiw, a chroger deg mab Haman ar y crocbren."
13Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
14 Gorchmynnodd y brenin i hyn gael ei wneud, a chyhoeddwyd y wu375?s yn Susan, a chrogwyd deg mab Haman.
14Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
15 Ar y pedwerydd dydd ar ddeg o fis Adar ymunodd yr Iddewon oedd yn Susan i ladd tri chant o bobl yn Susan, ond heb gyffwrdd �'r ysbail.
15Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16 Yr oedd yr Iddewon yn nhaleithiau'r brenin wedi ymuno i'w hamddiffyn eu hunain, er mwyn cael llonydd gan eu gelynion; yr oeddent wedi lladd saith deg a phump o filoedd o'u caseion, ond heb gyffwrdd �'r ysbail.
16Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
17 Digwyddodd hyn ar y trydydd dydd ar ddeg o fis Adar; peidiasant ar y pedwerydd dydd ar ddeg, a gwnaethant hwnnw'n ddydd o wledd a llawenydd.
17tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18 Yr oedd Iddewon Susan wedi ymgasglu ar y trydydd dydd ar ddeg o'r mis, a'r pedwerydd ar ddeg, ac wedi peidio ar y pymthegfed dydd; felly cadwasant hwy hwnnw yn ddydd o wledd a llawenydd.
18Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
19 Dyna pam y mae'r Iddewon sy'n byw mewn pentrefi yn y wlad yn cadw'r pedwerydd ar ddeg o fis Adar yn ddydd o wledd a llawenydd a gu373?yl, ac yn anfon anrhegion i'w gilydd.
19Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
20 Rhoddodd Mordecai y pethau hyn ar gof a chadw, ac anfonodd lythyrau at yr holl Iddewon ym mhob un o daleithiau'r Brenin Ahasferus, ymhell ac agos,
20[Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21 yn galw arnynt i gadw'r pedwerydd ar ddeg a'r pymthegfed o fis Adar bob blwyddyn
21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
22 fel y dyddiau pan gafodd yr Iddewon lonydd gan eu gelynion, a'r mis pan drowyd eu tristwch yn llawenydd a'u galar yn u373?yl. Yr oeddent i'w cadw'n ddyddiau o wledd a llawenydd, a phawb yn anfon anrhegion i'w gilydd ac i'r tlodion.
22dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
23 Cytunodd yr Iddewon i wneud fel yr oeddent wedi dechrau, ac yn �l yr hyn a ysgrifennodd Mordecai atynt.
23Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
24 Gwnaethant hyn am fod Haman fab Hammedatha yr Agagiad, gelyn yr Iddewon, wedi cynllwyn i'w dinistrio, ac wedi bwrw Pwr, hynny yw coelbren, i'w difa a'u dinistrio.
24satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
25 Ond pan ddaeth hyn i sylw'r brenin, gorchmynnodd mewn llythyr fod cynllwyn drwg Haman yn erbyn yr Iddewon i ddychwelyd ar ei ben ef ei hun; felly crogwyd ef a'i feibion ar grocbren.
25fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
26 Am hynny galwyd y dyddiau hyn yn Pwrim, o'r enw Pwr. Oherwydd yr holl eiriau a ysgrifennwyd yn y llythyr hwn, ac oherwydd yr hyn a welsant ac a glywsant ynglu375?n �'r mater,
26Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany [Pora = Filokana]
27 addawodd ac ymrwymodd yr Iddewon, ar eu rhan eu hunain, a'u plant a phawb oedd yn ymuno � hwy, i gadw'r ddau ddiwrnod hyn bob blwyddyn mewn modd arbennig ac ar amser penodedig.
27dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
28 Addawsant gofio a chadw'r dyddiau hynny ym mhob cenhedlaeth, teulu, talaith a dinas, fel na fyddai'r Iddewon yn anwybyddu dyddiau Pwrim, na'u plant yn anghofio amdanynt.
28ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
29 Yna ysgrifennodd y Frenhines Esther ferch Abihail, a Mordecai'r Iddew, ag awdurdod llawn i gadarnhau'r ail lythyr hwn ynglu375?n � Pwrim.
29Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
30 Anfonwyd llythyrau i'r holl Iddewon yn y cant dau ddeg a saith o daleithiau teyrnas Ahasferus, yn dymuno iddynt heddwch a diogelwch,
30Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
31 ac yn eu cymell i gadw dyddiau Pwrim yn eu hamser priodol, yn �l gorchymyn Mordecai'r Iddew a'r Frenhines Esther, ac fel yr oeddent hwy wedi ymrwymo ar eu rhan eu hunain a'u plant ynglu375?n ag amserau ympryd a galar.
31mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.
32 Cadarnhaodd gorchymyn Esther y rheolau hyn ar gyfer Pwrim, ac fe'u rhoddwyd ar gof a chadw.
32Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.