Welsh

Malagasy

Ezra

10

1 Tra oedd Esra'n gwedd�o yn ei ddagrau, yn cyffesu ar ei hyd o flaen tu375? Dduw, ymgasglodd tyrfa fawr iawn o Israeliaid ato, yn wu375?r, gwragedd a phlant, ac yr oedd y bobl yn wylo'n hidl.
1Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2 Yna dywedodd Sechaneia fab Jehiel, o deulu Elam, wrth Esra, "Yr ydym wedi troseddu yn erbyn ein Duw trwy briodi merched estron o blith pobloedd y wlad; eto y mae gobaith i Israel er gwaethaf hyn.
2Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany.
3 Yn awr gadewch i ni wneud cyfamod �'n Duw i droi ymaith yr holl ferched hyn a'u plant, yn �l cyngor f'arglwydd a'r rhai sy'n parchu gorchymyn ein Duw; a byddwn felly'n cadw'r gyfraith.
3Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4 Cod, oherwydd dy gyfrifoldeb di yw hyn, ond fe fyddwn ni gyda thi; gweithreda'n wrol."
4Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany.
5 Yna cododd Esra a pheri i arweinwyr yr offeiriaid a'r Lefiaid ac i holl Israel addo hyn, a gwnaethant hwythau addewid.
5Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6 Aeth Esra o du375?'r Arglwydd i ystafell Johanan fab Eliasib, ac aros yno heb fwyta bara nac yfed du373?r am ei fod yn dal i alaru am gamwedd y rhai a ddaeth o'r gaethglud.
6Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana.
7 Yna anfonwyd neges trwy Jwda a Jerwsalem yn gorchymyn i bawb a fu yn y gaethglud ymgynnull yn Jerwsalem,
7Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8 a byddai pob un na dd�i o fewn tridiau ar wu375?s y penaethiaid a'r henuriaid yn colli ei gyfoeth ac yn cael ei dorri allan o gynulleidfa'r gaethglud.
8ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]
9 O fewn tridiau, ar yr ugeinfed dydd o'r nawfed mis, ymgasglodd holl wu375?r Jwda a Benjamin i Jerwsalem, ac eisteddodd pawb yn y sgw�r o flaen tu375? Dduw yn crynu o achos yr hyn oedd yn digwydd ac o achos y glawogydd.
9Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin'ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin'ny andro faharoa-polo tamin'ny volana fahasivy; ary nipetraka teo an-kalalahana akaikin'ny tranon'Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10 Cododd Esra yr offeiriad a dweud wrthynt, "Yr ydych wedi gwneud camwedd ac wedi ychwanegu at euogrwydd Israel trwy briodi merched estron.
10Dia nitsangana Ezra mpisorona ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nanao izay mahadiso, satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan'ny Isiraely.
11 Yn awr cyffeswch gerbron ARGLWYDD Dduw eich hynafiaid; gwnewch ei ewyllys ef ac ymwahanwch oddi wrth bobloedd y wlad a'r merched estron."
11Koa mitsora amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin'ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12 Atebodd yr holl gynulleidfa � llais uchel, "Gwnawn; rhaid i ni wneud fel yr wyt ti'n gorchymyn.
12Dia namaly ny fiangonana rehetra ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay;
13 Ond y mae yma lawer o bobl; y mae'n dymor y glawogydd, ac ni allwn aros yn yr awyr agored. Nid gwaith diwrnod neu ddau ydyw, oherwydd y mae llawer ohonom wedi pechu yn hyn o beth.
13nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ ala-trano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin'izany zavatra izany;
14 Caiff ein penaethiaid gynrychioli'r gynulleidfa gyfan, a bydded i'r rhai yn ein dinasoedd sydd wedi priodi merched estron ddod ar amseroedd penodedig, pob un gyda henuriaid a barnwyr ei ddinas ei hun, nes i ddicter mawr ein Duw am hyn droi oddi wrthym."
14koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon'ny fiangonana rehetra, ary ny olona rehetra any amin'ny tanànantsika avy izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankatỳ amin'izay fotoan'andro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan'izany raharaha izany sy ny hialan'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitsika amintsika.
15 Yr unig wrthwynebwyr oedd Jonathan fab Asahel ac Eseia fab Ticfa, a chawsant gefnogaeth Mesulam a Sabethai y Lefiad.
15Jonatana, zanak'i Asahela, sy Jahaza, zanak'i Tikva, ihany no nanohitra izany; ary Mesolama sy Sabetahy Levita niandany taminy koa.
16 Wedi i'r rhai oedd wedi bod yn y gaethglud gytuno, fe neilltuodd Esra yr offeiriad ddynion oedd yn bennau-teuluoedd i gynrychioli eu teuluoedd wrth eu henwau. Eisteddasant ar y dydd cyntaf o'r degfed mis i archwilio'r mater,
16Fa ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary voatokana Ezra mpisorona sy ny sasany amin'ny lohan'ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana, dia nipetraka handinika Izany raharaha izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo.
17 ac erbyn y dydd cyntaf o'r mis cyntaf yr oeddent wedi gorffen eu hymchwiliad i'r holl briodasau gyda merched estron.
17Ary nony tonga ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin'ny lehilahy rehetra Izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18 Ymysg meibion yr offeiriaid oedd wedi priodi merched estron yr oedd y canlynol: Maseia, Elieser, Jarib a Gedaleia o deulu Jesua fab Josadac a'i frodyr.
18Ary ny hita teo amin'ny taranaky ny mpisorona izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia izao: Ny teo amin'ny taranak'i Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia Mahaseia sy Eliezera sy Jariba ary Gedalia;
19 Gwnaethant addewid i ysgaru eu gwragedd ac offrymasant hwrdd o'r praidd am eu trosedd.
19dia nanola-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sy handoa ondriny iray avy ho fanati-panonerany.
20 O feibion Immer: Hanani a Sebadeia.
20Ary ny avy tamin'ny taranak'Imera dia Hanany sy Zebedia;
21 O feibion Harim: Maseia, Eleia, Semaia, Jehiel ac Usseia.
21ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Mahaseia sy Elia sy Semaia sy Jehiela ary Ozia;
22 O feibion Pasur: Elioenai, Maseia, Ismael, Nethaneel, Josabad ac Elasa.
22ary ny avy tamin'ny taranak'i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
23 o'r Lefiaid: Josabad, Simei a Chelaia (hynny yw, Celita), Pethaheia, Jwda ac Elieser.
23Ary ny avy tamin'ny Levita dia Jozabada sy Simey sy Kelaia (Kelita izany) sy Petahia sy Joda ary Eliezera:
24 o'r cantorion: Eliasib. o'r porthorion: Salum, Telem ac Uri.
24ary ny avy tamin'ny mpihira dia Eliasiba; ary ny avy tamin'ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Talema ary Ory.
25 O Israel, o feibion Paros: Rameia, Jeseia, Malcheia, Miamin, Eleasar, Malcheia a Benaia.
25Ary ny avy tamin'ny Isiraely koa: ny avy tamin'ny taranak'i Parosy dia Ramia sy Jizia sy Malkia sy Miamina sy Eleazara sy Malkia ary Benaia;
26 O feibion Elam: Mataneia, Sechareia, Jehel, Abdi, Jeremoth ac Eleia.
26ary ny avy tamin'ny taranak'i Elema dia Matania sy Zakaria sy Jehiela sy Abdia sy Jeremota ary Elia;
27 O feibion Sattu: Elioenai, Eliasib, Mataneia, Jeremoth, Sabad ac Asisa.
27ary ny avy tamin'ny taranak'i Zato dia Elioenay sy Eliasiba sy Matania sy Jeremota sy Zabada ary Aziza;
28 O feibion Bebai: Jehohanan, Hananeia, Sabai ac Athlai.
28ary ny avy tamin'ny taranak'i Bebay dia Johanana sy Hanania sy Zabay sy Atlay;
29 O feibion Bani: Mesulam, Maluch, Adaia, Jasub, Seal a Ramoth.
29ary ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Mesolama sy Maloka sy Adaia sy Jasoba sy Seala ary Ramota;
30 O feibion Pahath-moab: Adna, Celal, Benaia, Maaseia, Mataneia, Besaleel, Binnui a Manasse.
30ary ny avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba dia Adna sy Kelala sy Benaia sy Mahaseia sy Matania sy Bezalila sy Binoy ary Manase;
31 O feibion Harim: Elieser, Isia, Malcheia, Semaia, Simeon,
31ary ny avy tamin'ny taranak'i Harima dia Eliezera sy Jisia sy Malkia sy Semaia sy Simeona
32 Benjamin, Maluch a Semareia.
32sy Benjamina sy Maloka ary Semaria;
33 O feibion Hasum: Matenai, Matatha, Sabad, Eliffelet, Jeremai, Manasse a Simei.
33ny avy tamin'ny taranak'i Hasoma dia Matenay sy Matata sy Zabada sy Elifeleta sy Jeremay sy Manase ary Simey;
34 O feibion Bani: Maadai, Amram, Uel,
34ny avy tamin'ny taranak'i Bany dia Maday sy Amrama sy Oela
35 Benaia, Bedeia, Celu,
35sy Benaia sy Bedeia sy Keloho
36 Faneia, Meremoth, Eliasib,
36sy Vania sy Meremota sy Eliasiba
37 Mataneia, Matenai, Jasau,
37sy Matania sy Matenay sy Jasao
38 Bani, Binnui, Simei,
38sy Bany sy Binoy sy Simey
39 Selemeia, Nathan, Adaia,
39sy Selemia sy Natana sy Adaia
40 Machnadebai, Sasai, Sarai,
40sy Maknadebay sy Sasay sy Saray
41 Asareel, Selemeia, Semareia,
41sy Azarela sy Selemia sy Semaria
42 Salum, Amareia a Joseff.
42sy Saloma sy Amaria ary Josefa;
43 O feibion Nebo: Jeiel, Matitheia, Sabad, Sebina, Jadue, Joel a Benaia.
43ny avy tamin'ny taranak'i Nebo dia Jeiela sy Matitia sy Zabada sy Zebina sy Jadao sy Joela ary Benaia.Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny
44 Yr oedd y rhain i gyd wedi priodi merched estron, ond troesant hwy allan, yn wragedd a phlant.
44Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa, sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin'ireny