Welsh

Malagasy

Jeremiah

15

1 Dywedodd yr ARGLWYDD wrthyf, "Pe safai Moses a Samuel o'm blaen, eto ni byddai gennyf serch at y bobl hyn. Bwrw hwy allan o'm golwg, a bydded iddynt fynd ymaith.
1Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy.
2 Ac os dywedant wrthyt, 'I ble'r awn?', dywed wrthynt, 'Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: Y sawl sydd i angau, i angau; y sawl sydd i gleddyf, i gleddyf; y sawl sydd i newyn, i newyn; y sawl sydd i gaethiwed, i gaethiwed.'
2Ary raha tàhiny izy manao aminao hoe: Hiala hankaiza izahay? dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra, ary izay ho amin'ny mosary dia ho amin'ny mosary, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana.[Heb. fahafatesana]
3 A chosbaf hwy mewn pedair ffordd, medd yr ARGLWYDD: cleddyf i ladd, y cu373?n i larpio, adar y nefoedd a bwystfilod gwyllt i ysu ac i ddifa.
3Ary manendry zavatra efatra karazana Aho hamelezana azy, hoy Jehovah: Dia ny sabatra hamono sy ny amboa hamiravira ary ny voro-manidina sy ny bibi-dia hihinana sy handany;
4 Gwnaf hwy yn arswyd i holl deyrnasoedd y byd, oherwydd yr hyn a wnaeth Manasse fab Heseceia, brenin Jwda, yn Jerwsalem.
4Ary manolotra azy ho mpanjenjena any amin'ny fanjakana rehetra amin'ny tany Aho noho ny amin'i Manase, zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, dia noho izay nataony tany Jerosalema.[Na: ho fampangovitana ny fanjakana rehetra]
5 Pwy a drugarha wrthyt, O Jerwsalem? Pwy a gydymdeimla � thi? Pwy a ddaw heibio i ymofyn amdanat?
5Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Ary iza no hitsapa alahelo anao? Ary iza no hivily hanantsafa anao?
6 Gadewaist fi, medd yr ARGLWYDD, a throi dy gefn arnaf; ac estynnaf finnau fy llaw yn dy erbyn i'th ddifa; rwy'n blino ar drugarhau.
6Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.[Heb. manenina]
7 Gwyntyllaf hwy � gwyntyll ym mhyrth y wlad; di-blantaf, difethaf fy mhobl, am na ddychwelant o'u ffyrdd.
7Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.
8 Gwnaf eu gweddwon yn amlach na thywod y m�r; dygaf anrheithiwr ganol dydd yn erbyn mam y gu373?r ifanc, paraf i ddychryn a braw ddod arni yn ddisymwth.
8Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra.
9 Llesg�'r un a esgorodd ar saith o feibion; syrth mewn llesmair, machluda ei haul, a hi eto'n ddydd; fe'i dygir i gywilydd a gwaradwydd. Rhoddaf i'r cleddyf y rhai sy'n weddill, yng ngu373?ydd eu gelynion, medd yr ARGLWYDD."
9Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
10 Gwae fi, fy mam, iti fy nwyn i'r byd yn u373?r ymrafael, yn u373?r cynnen i'r holl wlad. Ni b�m nac echwynnwr na dyledwr, eto y mae pawb yn fy melltithio.
10[Fitarainan'i Jeremia tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
11 Dywedodd yr ARGLWYDD, "Yn ddiau gwaredaf di er daioni; gwnaf i'th elyn ymbil � thi yn amser adfyd ac yn amser gofid."
11Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.[Na: ny hahasoa anao ihany no nisehoako ho fahavalonao]
12 "A ellir torri haearn, haearn o'r gogledd, neu bres?
12Mety tapaka va ny vy, dia ny vy avy any avaratra, na ny varahina?
13 Gwnaf dy gyfoeth a'th drysorau yn anrhaith, nid am bris ond oherwydd dy holl bechod yn dy holl derfynau.
13Ny fanananao sy ny rakitrao ao anatin'ny fari-taninao rehetra dia hatolotro ho babo maimaimpoana noho ny fahotana rehetra izay nataonao;
14 Gwnaf i ti wasanaethu d'elynion mewn gwlad nad adwaenost, canys yn fy nicter cyneuwyd t�n, a lysg hyd byth."
14Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako]
15 Fe wyddost ti, O ARGLWYDD; cofia fi, ymw�l � mi, dial drosof ar f'erlidwyr. Yn dy amynedd, paid �'m dwyn ymaith; gwybydd i mi ddwyn gwarth er dy fwyn di.
15Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.
16 Cafwyd geiriau gennyt, ac aethant yn ymborth i mi; daeth dy air yn llawenydd i mi, ac yn hyfrydwch fy nghalon; canys galwyd dy enw arnaf, O ARGLWYDD Dduw y Lluoedd.
16Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.
17 Nid eisteddais yng nghwmni'r gwamal, ac ni chefais hwyl gyda hwy; ond eisteddwn fy hunan, oherwydd dy afael di arnaf; llenwaist fi � llid.
17Izaho tsy nipetraka na nifaly teo amin'ny fivorian'ny mpikorana, nitoetra irery aho noho ny fihazonan'ny tananao ahy, fa nofenoinao fahatezerana aho.
18 Pam y mae fy mhoen yn ddi-baid, a'm clwy yn ffyrnig, ac yn gwrthod iach�d? A fyddi di i mi fel nant dwyllodrus, neu fel dyfroedd yn pallu?
18Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
19 Am hynny, fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: "Os dychweli, fe'th adferaf ac fe sefi o'm blaen; os tynni allan y gwerthfawr oddi wrth y di-werth, byddi fel genau i mi; try'r bobl atat ti, ond ni throi di atynt hwy.
19Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,[Heb. hampivereniko]
20 Fe'th wnaf i'r bobl hyn yn fagwyr o bres; ymladdant yn dy erbyn ond ni'th orchfygant, canys yr wyf gyda thi i'th achub ac i'th wared," medd yr ARGLWYDD.
20Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.
21 "Gwaredaf di o afael y rhai drygionus, rhyddhaf di o law'r rhai creulon."
21Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.