1 Dyma'r gair a ddaeth at Jeremeia am holl bobl Jwda ym mhedwaredd flwyddyn Jehoiacim fab Joseia, brenin Jwda, a blwyddyn gyntaf Nebuchadnesar brenin Babilon.
1[Ny handravan'i Babylona ny Joda sy ny firenena manodidina, ary ny loza hanelezana an'i Babylona sy ny firenena hafa rehetra] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona
2 Llefarodd Jeremeia y proffwyd wrth holl bobl Jwda a holl breswylwyr Jerwsalem, gan ddweud,
2dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:
3 "o'r drydedd flwyddyn ar ddeg o deyrnasiad Joseia fab Amon, brenin Jwda, hyd heddiw, hynny yw, tair blynedd ar hugain, daeth gair yr ARGLWYDD ataf a lleferais wrthych yn gyson, ond ni wrandawsoch.
3Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.
4 Anfonodd yr ARGLWYDD ei holl weision y proffwydi atoch yn gyson; ond ni wrandawsoch, na gogwyddo clust i wrando,
4Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:
5 pan ddywedwyd, 'Dychwelwch, yn awr, bob un o'i ffordd annuwiol, ac o'ch gweithredoedd drwg, a thrigwch yn y tir a roes yr ARGLWYDD i chwi ac i'ch hynafiaid byth ac yn dragywydd.
5Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.
6 Peidiwch � mynd ar �l duwiau eraill, i'w gwasanaethu a'u haddoli, a pheidiwch �'m digio � gwaith eich dwylo; yna ni wnaf niwed i chwi.'
6Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.
7 Ond ni wrandawsoch arnaf," medd yr ARGLWYDD, "ond fy nigio � gwaith eich dwylo, er niwed i chwi.
7Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza.
8 "Am hynny, fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd: 'Oherwydd na wrandawsoch ar fy ngeiriau,
8Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,
9 yr wyf yn anfon am holl lwythau'r gogledd,' medd yr ARGLWYDD, 'ac am Nebuchadnesar brenin Babilon, fy ngwas, a'u dwyn yn erbyn y wlad hon a'i phreswylwyr, ac yn erbyn yr holl genhedloedd hyn oddi amgylch; a difrodaf hwy a'u gosod yn ddychryn ac yn syndod ac yn anghyfanedd-dra hyd byth.
9dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.[Heb. hataoko herema]
10 Ataliaf o'u plith bob sain hyfryd a llawen, sain priodfab a phriodferch, sain meini melin yn malu, a golau llusern.
10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
11 Bydd yr holl wlad hon yn ddiffaith ac yn ddychryn, a bydd y cenhedloedd hyn yn gwasanaethu brenin Babilon am ddeng mlynedd a thrigain.
11Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.
12 Ar ddiwedd y deng mlynedd a thrigain hyn cosbaf frenin Babilon a'r genedl honno am eu camwedd,' medd yr ARGLWYDD, 'a chosbaf wlad y Caldeaid, a gwnaf hi yn anghyfannedd hyd byth.
12Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.
13 Dygaf ar y wlad honno yr holl eiriau a leferais yn ei herbyn, a phob peth sydd wedi ei ysgrifennu yn y llyfr hwn, pob peth a broffwydodd Jeremeia yn erbyn yr holl genhedloedd.
13Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra.
14 Canys fe'u caethiwir hwythau gan genhedloedd cryfion a brenhinoedd mawrion, ac felly y talaf iddynt yn �l eu gweithredoedd a gwaith eu dwylo.'"
14Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.
15 Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD, Duw Israel, wrthyf: "Cymer y cwpan hwn o win llidiog o'm llaw, a rho ef i'w yfed i'r holl genhedloedd yr anfonaf di atynt.
15Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
16 Byddant yn ei yfed, ac yn gwegian, ac yn gwallgofi oherwydd y cleddyf a anfonaf i'w plith."
16Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.
17 Cymerais y cwpan o law yr ARGLWYDD, a diodais yr holl genhedloedd yr anfonodd yr ARGLWYDD fi atynt:
17Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan'i Jehovah ahy,
18 Jerwsalem a dinasoedd Jwda, ei brenhinoedd a'i thywysogion, i'w gwneud yn ddiffeithwch, yn ddychryn, yn syndod, ac yn felltith, fel y maent heddiw;
18dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao;
19 hefyd Pharo brenin yr Aifft, a'i weision a'i dywysogion a'i holl bobl,
19ary Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra,
20 a'u holl estroniaid; holl frenhinoedd gwlad Us, a holl frenhinoedd gwlad y Philistiaid, ac Ascalon a Gasa ac Ecron a gweddill Asdod;
20ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;
21 Edom a Moab a phobl Ammon;
21ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,
22 holl frenhinoedd Tyrus a holl frenhinoedd Sidon, a brenhinoedd yr ynysoedd dros y m�r;
22ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy any an-dafin'ny ranomasina;[Na: amoron-tsiraka]
23 Dedan a Tema a Bus; pawb sydd �'u talcennau'n foel;
23ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,
24 holl frenhinoedd Arabia, a holl frenhinoedd y llwythau cymysg sy'n trigo yn yr anialwch;
24ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;
25 holl frenhinoedd Simri, a holl frenhinoedd Elam, a holl frenhinoedd Media;
25ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,
26 holl frenhinoedd y gogledd, yn agos ac ymhell, y naill ar �l y llall, a holl deyrnasoedd byd ar wyneb y ddaear; brenin Sesach a gaiff yfed ar eu h�l hwy.
26ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka koa dia hisotro manaraka ireo.[Sesaka = Babela]
27 "Dywedi wrthynt, 'Fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd, Duw Israel: Yfwch, a meddwi a chyfogi, a syrthio heb godi, oherwydd y cleddyf a anfonaf i'ch plith.'
27Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
28 Os gwrthodant gymryd y cwpan o'th law i'w yfed, yna dywedi wrthynt, 'Fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd: Y mae'n rhaid ei yfed.
28Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.
29 Canys wele, yr wyf yn dechrau niweidio'r ddinas y galwyd fy enw arni; a ddihangwch chwi? Ni ddihangwch; canys yr wyf yn galw am gleddyf yn erbyn holl breswylwyr y wlad, medd ARGLWYDD y Lluoedd.'
29Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
30 Proffwydi dithau yn eu herbyn yr holl eiriau hyn a dweud, 'Y mae'r ARGLWYDD yn rhuo o'r uchelder; o'i drigfan sanctaidd fe gyfyd ei lef; rhua'n chwyrn yn erbyn ei drigle; gwaedda, fel gwaedd rhai yn sathru grawnwin, yn erbyn holl breswylwyr y tir.
30Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.
31 Atseinia'r twrf hyd eithafoedd byd, canys bydd Duw'n dwyn achos yn erbyn y cenhedloedd, ac yn mynd i farn yn erbyn pob cnawd, ac yn rhoi'r drygionus i'r cleddyf, medd yr ARGLWYDD.'"
31Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.
32 Fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd: "Y mae dinistr ar gerdded allan o'r naill genedl i'r llall; cyfyd tymestl fawr o eithafoedd byd.
32Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;
33 Y dydd hwnnw, bydd lladdedigion yr ARGLWYDD yn ymestyn o'r naill gwr i'r ddaear hyd y llall; ni fydd galaru amdanynt, ac nis cesglir na'u claddu; byddant yn dom ar wyneb y ddaear."
33Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.
34 Udwch, fugeiliaid, gwaeddwch; ymdreiglwch yn y lludw, chwi bendefigion y praidd; canys cyflawnwyd y dyddiau i'ch lladd a'ch gwasgaru, ac fe gwympwch fel llydnod dethol.
34Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.
35 Collir lloches gan y bugeiliaid, a dihangfa gan bendefigion y praidd.
35Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.
36 Clyw gri'r bugeiliaid, a n�d pendefigion y praidd! Oherwydd y mae'r ARGLWYDD yn difa'u porfa;
36Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,
37 dryllir corlannau heddychlon gan lid digofaint yr ARGLWYDD.
37Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.
38 Fel llew, gadawodd ei loches; aeth eu tir yn anghyfannedd gan lid gorthrymwr, a llid digofaint yr ARGLWYDD.
38Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.