Welsh

Malagasy

Jeremiah

8

1 "Yn yr amser hwnnw," medd yr ARGLWYDD, "fe godir o'u beddau esgyrn brenhinoedd Jwda, esgyrn y tywysogion, esgyrn yr offeiriaid, esgyrn y proffwydi ac esgyrn trigolion Jerwsalem,
1Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ny mpanjakan'ny Joda sy ny taolan'ny lehibeny sy ny taolan'ny mpisorona sy ny taolan'ny mpaminany ary ny taolan'ny mponina any Jerosalema,
2 a'u taenu yn wyneb yr haul a'r lleuad a holl lu'r nefoedd y buont yn eu caru ac yn eu gwasanaethu, gan rodio ar eu h�l ac ymofyn ganddynt a'u haddoli. Byddant heb eu casglu a heb eu claddu; byddant yn dom ar wyneb y ddaear.
2ka haeliny eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin'ny tany.
3 Bydd angau yn well nag einioes gan yr holl weddill a adewir o'r teulu drwg hwn ym mhob man y gyrrais hwy iddo," medd ARGLWYDD y Lluoedd.
3Ary ny sisa rehetra amin'ity taranaka ratsy ity, izay mbola sisa any amin'ny tany rehetra nandroahako azy, dia haniry ny ho faty noho ny ho velona, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4 "Dywedi wrthynt, 'Fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: Os cwympant, oni chyfodant? Os try un ymaith, oni ddychwel?
4[Ny nikirizan'ny olona tamin'ny fanaovan-dratsy, sy ny hamafin'ny loza hanjo azy] Ary koa, lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo va ny olona ka tsy hiarina? Hihodina hivily va ny olona ka tsy hitodika hiverina?
5 Pam, ynteu, y trodd y bobl hyn ymaith, ac y parhaodd Jerwsalem i encilio? Glynasant wrth dwyll, gan wrthod dychwelyd.
5Nahoana ity firenena eto Jerosalema ity no miodina amin'ny fiodinana tsy mety mitsahatra? Mikikitra mafy amin'ny fitaka izy ka tsy mety miverina.[Heb. ity firenena Jerosalema ity]
6 Cymerais sylw a gwrandewais, ond ni lefarodd neb yn uniawn; nid edifarhaodd neb am ei ddrygioni a dweud, "Beth a wneuthum?" Y mae pob un yn troi yn ei redfa, fel march cyn rhuthro i'r frwydr.
6Nihaino Aho, ka nandre, fa manao teny tsy marina izy: Ary tsy misy manenina ny amin'ny haratsiany hoe: Endrey izany nataoko izany! Izy rehetra dia samy mivily mankamin'ny alehany avy tahaka ny soavaly miriotra ho amin'ny ady.[Na: samy mivily eny am-pandehanany]
7 Y mae'r cr�yr yn yr awyr yn adnabod ei dymor; y durtur a'r wennol a'r fronfraith yn cadw amser eu dyfod; ond nid yw fy mhobl yn gwybod trefn yr ARGLWYDD.
7Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.
8 Sut y dywedwch, "Yr ydym yn ddoeth, y mae cyfraith yr ARGLWYDD gyda ni"? Yn sicr, gwnaeth ysgrifbin celwyddog yr ysgrifennydd gelwydd ohoni.
8Ahoana no anaovanareo hoe: Hendry izahay, ary ato aminay ny lalàn'i Jehovah? Nefa ny fanoratan-daingan'ny mpanoratra mahatonga azy ho lainga.
9 Cywilyddiwyd y doeth, fe'u dychrynwyd ac fe'u daliwyd. Dyma hwy wedi gwrthod gair yr ARGLWYDD; pa ddoethineb sydd ganddynt felly?
9Mahazo henatra ny hendry, raiki-tahotra sy voasambotra izy; Indro, ny tenin'i Jehovah dia nolaviny, ka inona intsony no fahendrena ananany?
10 "'Am hynny, rhof eu gwragedd i eraill, a'u meysydd i'w concwerwyr. Oherwydd o'r lleiaf hyd y mwyaf y mae pawb yn awchu am elw; o'r proffwyd i'r offeiriad y maent bob un yn gweithredu'n ffals.
10Ary noho izany dia homeko ho an'ny sasany ny vadiny, ary ny sahany ho an'izay maka azy, satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy fatra-pila harena, na mpaminany na mpisorona dia samy mamitaka avokoa.
11 Dim ond yn arwynebol y maent wedi iach�u briw merch fy mhobl, gan ddweud, "Heddwch! Heddwch!" � ac nid oes heddwch.
11Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
12 A oes cywilydd arnynt pan wn�nt ffieidd-dra? Dim cywilydd o gwbl! Ni allant wrido. Am hynny fe syrthiant gyda'r syrthiedig; yn nydd eu cosbi fe gwympant,' medd yr ARGLWYDD.
12Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, nefa tsy mba menatra akory izy, ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, amin'ny andro hamaliana azy dia ho tafintohina izy, ho Jehovah.
13 "'Pan gasglwn hwy,' medd yr ARGLWYDD, 'nid oedd grawnwin ar y gwinwydd, na ffigys ar y ffigysbren; gwywodd y ddeilen, aeth heibio yr hyn a roddais iddynt.'"
13Hakifako tokoa izy, hoy Jehovah; Tsy mamoa ny voaloboka, ary tsy misy voany ny aviavy, malazo ny raviny; Ary nanendry izay hanafika azy Aho.
14 Pam yr oedwn? Ymgasglwch ynghyd, inni fynd i'r dinasoedd caerog, a chael ein difetha yno. Canys yr ARGLWYDD ein Duw a barodd ein difetha; rhoes i ni ddu373?r gwenwynig i'w yfed, oherwydd pechasom yn erbyn yr ARGLWYDD.
14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin'i Jehovah.
15 Disgwyl yr oeddem am heddwch, ond ni ddaeth daioni; am amser iach�d, ond dychryn a ddaeth.
15Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[ Na: fahafinaretana]
16 Clywir ei feirch yn ffroeni o wlad Dan; crynodd yr holl ddaear gan drwst ei stalwyni'n gweryru. Daethant gan ysu'r tir a'i lawnder, y ddinas a'r rhai oedd yn trigo ynddi.
16Ny fiefonefon'ny soavaly dia re hatrany Dana: Mihorohoro ny tany rehetra noho ny fanenon'ny soavaly matanjaka; Fa avy izy ka mandany ny tany mbamin'ny izay rehetra ao aminy, dia ny tanàna sy izay monina ao.
17 "Dyma fi'n anfon seirff i'ch mysg, gwiberod na ellir eu swyno, ac fe'ch brathant," medd yr ARGLWYDD.
17Fa indro Aho handefa bibilava hamely anareo, dia menarana izay tsy azon'ody, ka hanaikitra anareo ireny, hoy Jehovah.
18 Y mae fy ngofid y tu hwnt i wellhad, a'm calon wedi clafychu.
18Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko.
19 Clyw! Cri merch fy mhobl o wlad bellennig: "Onid yw'r ARGLWYDD yn Seion? Onid yw ei brenin ynddi?" "Pam y maent yn fy nigio �'u delwau, �'u heilunod estron?"
19Injany! misy feo fitarainan'ny oloko zanakavavy hatrany amin'ny tany lavitra hoe: Moa Jehovah tsy ao Ziona va? Ary tsy ao aminy va ny Mpanjakany? Nahoana no nahatezitra Ahy ireny tamin'ny sarin-javatra voasokitra ao aminy sy tamin'ny zava-poana avy amin'ny firenena hafa?
20 "Aeth y cynhaeaf heibio, darfu'r haf, a ninnau heb ein hachub."
20Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.
21 Oherwydd briw merch fy mhobl yr wyf finnau wedi fy mriwo, wedi galaru, ac wedi fy nal gan syndod.
21Torotoro aho noho ny fahatorotoroan'ny oloko zanakavavy; Misaona aho, ary horohoro no mahazo ahy.
22 Onid oes balm yn Gilead? Onid oes yno ffisigwr? Pam, ynteu, nad yw iechyd merch fy mhobl yn gwella?
22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!
23Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, mba hitomaniako andro aman'alina noho ny voavono amin'ny oloko zanakavavy!