1 Wedi hyn dechreuodd Job siarad a melltithio dydd ei eni.
1[Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2 Meddai Job:
2nanao hoe:
3 "Difoder y dydd y'm ganwyd, a'r nos y dywedwyd, 'Cenhedlwyd bachgen'.
3Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 Bydded y dydd hwnnw yn dywyllwch; na chyfrifer ef gan Dduw oddi uchod, ac na lewyrched goleuni arno.
4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5 Cuddier ef gan dywyllwch a'r fagddu; arhosed cwmwl arno a gorlether ef gan dd�wch y dydd.
5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
6 Cymered y gwyll feddiant o'r nos honno; na chyfrifer hi ymhlith dyddiau'r flwyddyn, ac na ddoed i blith nifer y misoedd.
6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7 Wele'r nos honno, bydded ddiffrwyth, heb su373?n gorfoledd ynddi.
7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8 Melltithier hi gan y rhai sy'n melltithio'r dyddiau, y rhai sy'n medru cyffroi'r lefiathan.
8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9 Tywylled s�r ei chyfddydd, disgwylied am oleuni heb ei gael, ac na weled doriad gwawr,
9Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10 am na chaeodd ddrysau croth fy mam, na chuddio gofid o'm golwg.
10Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
11 Pam na f�m farw yn y groth, neu drengi pan ddeuthum allan o'r bru?
11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
12 Pam y derbyniodd gliniau fi, ac y rhoddodd bronnau sugn i mi?
12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
13 Yna, byddwn yn awr yn gorwedd yn llonydd, yn cysgu'n dawel ac yn cael gorffwys,
13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 gyda brenhinoedd a chynghorwyr daear, a fu'n adfer adfeilion iddynt eu hunain,
14Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao ireny tanàna efa rava, [Na: namboatra][Na: fasana lehibe]
15 neu gyda thywysogion goludog, a lanwodd eu tai ag arian,
15Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 neu heb fyw, fel erthyl a guddiwyd, fel babanod na welsant oleuni.
16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
17 Yno, peidia'r drygionus � therfysgu, a chaiff y lluddedig orffwys.
17Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18 Hefyd caiff y carcharorion lonyddwch; ni chlywant lais y meistri gwaith.
18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Bychan a mawr sydd yno, a'r caethwas yn rhydd oddi wrth ei feistr.
19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
20 Pam y rhoddir goleuni i'r gorthrymedig a bywyd i'r chwerw ei ysbryd,
20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
21 sy'n dyheu am farwolaeth, heb iddi ddod, sy'n cloddio amdani yn fwy nag am drysor cudd,
21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
22 sy'n llawenychu pan gaiff feddrod, ac yn gorfoleddu pan gaiff fedd?
22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23 "Ond am ddyn, cuddiwyd ei ffordd, a chaeodd Duw amdano.
23Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
24 Daw fy ochenaid o flaen fy mwyd, a thywelltir fy ngriddfan fel dyfroedd.
24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 Y peth a ofnaf a ddaw arnaf, a'r hyn yr arswydaf rhagddo a ddaw imi.
25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
26 Nid oes imi dawelwch na llonyddwch; ni chaf orffwys, canys daw dychryn."
26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.