1 Dywedodd yr ARGLWYDD wrth Job:
1[Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
2 "A ddylai un sy'n dadlau �'r Hollalluog fod yn ystyfnig? Caiff yr un sy'n ymryson � Duw ateb am hynny."
2Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
3 Yna atebodd Job:
3Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
4 "Un dibwys wyf fi; beth allaf ei ddweud? Rhof fy llaw ar fy ngheg.
4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
5 Yr wyf wedi llefaru unwaith, ac nid atebaf eto; do ddwywaith, ac ni chwanegaf."
5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
6 Yna atebodd yr ARGLWYDD Job o'r corwynt:
6Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
7 "Gwna dy hun yn barod i'r ornest; fe holaf fi di, a chei dithau ateb.
7Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
8 A wyt ti'n gwadu fy mod yn iawn, ac yn fy nghondemnio, i'th gyfiawnhau dy hun?
8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
9 A oes gennyt nerth fel sydd gan Dduw? A fedri daranu �'th lais fel y gwna ef?
9Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
10 "Addurna dy hun � balchder ac urddas, a gwisga ogoniant a harddwch.
10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
11 Gollwng yn rhydd angerdd dy ddig; edrych ar bob balch, i'w daflu i'r llawr.
11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
12 Sylwa ar bob balchder, i'w ddiraddio; sathra'r rhai drygionus yn eu lle.
12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
13 Cuddia hwy i gyd yn y llwch; cuddia'u hwynebau o'r golwg.
13Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
14 Yna fe'th ganmolaf am fod dy law dde'n dy waredu.
14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
15 "Edrych ar Behemoth, a greais yr un adeg � thi; y mae'n bwyta glaswellt fel yr ych.
15He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[hipopotamosy][Na: ho eo aminao]
16 Y mae ei nerth yn ei lwynau, a'i gryfder yng nghyhyrau ei fol.
16Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
17 Y mae ei gynffon yn syth fel cedrwydden, a gewynnau ei gluniau wedi eu clymu i'w gilydd.
17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
18 Y mae ei esgyrn fel pibellau pres, a'i goesau fel barrau haearn.
18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
19 "Ef yw'r cyntaf o'r pethau a wnaeth Duw; gwnaed ef yn deyrn dros ei gymrodyr.
19Voalohany amin'ny asan'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
20 Y mae'r mynyddoedd yn darparu ysglyfaeth iddo; yr holl anifeiliaid sy'n chwarae yno.
20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
21 Fe orwedd dan y lotus, a chuddio yn y brwyn a'r corsydd.
21Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
22 Y mae'r lotus yn gysgod drosto, a helyg yn y nant yn ei guddio.
22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
23 Os cyfyd yr afon drosto, ni chynhyrfa; byddai'n ddifraw pe bai'r Iorddonen yn llifo i'w geg.
23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
24 A ellir ei fachu yn ei lygaid, a gwthio tryfer i'w drwyn?
24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
25Mahasarika ny mamba amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]
26Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
27Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
30Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.