Welsh

Malagasy

Proverbs

11

1 Y mae cloriannau twyllodrus yn ffiaidd gan yr ARGLWYDD, ond pwysau cywir wrth ei fodd.
1Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 Yn dilyn balchder fe ddaw amarch, ond gyda'r rhai gwylaidd y mae doethineb.
2Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
3 Y mae eu gonestrwydd yn arwain yr uniawn, ond eu gwyrni eu hunain yn difa'r twyllwyr.
3Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
4 Nid oes gwerth mewn cyfoeth yn nydd dicter, ond y mae cyfiawnder yn amddiffyn rhag angau.
4Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
5 Y mae cyfiawnder y cywir yn ei gadw ar y ffordd union, ond cwympa'r drygionus trwy ei ddrygioni.
5Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
6 Y mae eu cyfiawnder yn gwaredu'r uniawn, ond eu trachwant yn fagl i'r twyllwyr.
6Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7 Pan fydd farw'r drygionus, derfydd gobaith, a daw terfyn ar hyder mewn cyfoeth.
7Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. [Na: mahery]
8 Gwaredir y cyfiawn rhag adfyd, ond fe �'r drygionus dros ei ben iddo.
8Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 Y mae'r annuwiol yn dinistrio'i gymydog �'i eiriau, ond gwaredir y cyfiawn trwy ddeall.
9Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: ratsy fanahy][Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany]
10 Ymhyfryda dinas yn llwyddiant y cyfiawn, a cheir gorfoledd pan ddinistrir y drygionus.
10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11 Dyrchefir dinas gan fendith yr uniawn, ond dinistrir hi trwy eiriau'r drygionus.
11Ny fisaoran'ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.[Na: Ny fitahiana avy amin']
12 Y mae'r disynnwyr yn dilorni ei gymydog, ond cadw'n dawel a wna'r deallus.
12Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
13 Y mae'r straegar yn bradychu cyfrinach, ond y mae'r teyrngar yn ei chadw.
13Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14 Heb ei chyfarwyddo, methu a wna cenedl, ond y mae diogelwch mewn llawer o gynghorwyr.
14Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15 Daw helbul o fynd yn feichiau dros ddieithryn, ond y mae'r un sy'n cas�u mechn�aeth yn ddiogel.
15Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 Y mae gwraig raslon yn cael clod, ond pobl ddidostur sy'n ennill cyfoeth.
16Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17 Dwyn elw iddo'i hun y mae'r trugarog, ond ei niweidio'i hun y mae'r creulon.
17Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todin'ny halozany.
18 Gwneud elw twyllodrus y mae'r drygionus, ond caiff yr un sy'n hau cyfiawnder gyflog teg.
18Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
19 I'r un sy'n glynu wrth gyfiawnder daw bywyd, ond i'r sawl sy'n dilyn drygioni marwolaeth.
19Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
20 Y mae'r rhai gwrthnysig yn ffiaidd gan yr ARGLWYDD, ond y mae'r rhai cywir wrth ei fodd.
20Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21 Y mae'n sicr na chaiff un drwg osgoi cosb, ond caiff plant y cyfiawn fynd yn rhydd.
21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.[Na: Azo ifandraisan-tanana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia]
22 Fel modrwy aur yn nhrwyn hwch, felly y mae gwraig brydferth heb synnwyr.
22Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.[Na: efa niala tamin'ny fahendrena]
23 Dymuno'r hyn sydd dda a wna'r cyfiawn, ond diflanna gobaith y drygionus.
23Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
24 Y mae un yn hael, ac eto'n ennill cyfoeth, ond arall yn grintach, a phob amser mewn angen.
24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.[Heb. mamafy][Na: mihazona ny hareny]
25 Llwydda'r un a wasgar fendithion, a diwellir yr un a ddiwalla eraill.
25Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa]
26 Y mae pobl yn melltithio'r un sy'n cronni u375?d, ond yn bendithio'r sawl sy'n ei werthu.
26Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
27 Y mae'r un sy'n ceisio daioni yn ennill ffafr, ond syrth drygioni ar y sawl sy'n ei ddilyn.
27Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
28 Cwympa'r un sy'n ymddiried yn ei gyfoeth, ond ffynna'r cyfiawn fel deilen werdd.
28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29 Y mae'r un sy'n peri helbul i'w deulu'n etifeddu'r gwynt, a bydd y ff�l yn was i'r doeth.
29Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
30 Ffrwyth cyfiawnder yw pren y bywyd, ond y mae trais yn difa bywydau.
30Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
31 Os caiff y cyfiawn ei dalu ar y ddaear, pa faint mwy y drygionus a'r pechadur?
31Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!