Welsh

Malagasy

Proverbs

7

1 Fy mab, cadw fy ngeiriau, a thrysora fy ngorchmynion.
1Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
2 Cadw fy ngorchmynion, iti gael byw, a boed fy nghyfarwyddyd fel cannwyll dy lygad.
2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
3 Rhwym hwy am dy fysedd, ysgrifenna hwy ar lech dy galon.
3Afehezo eo amin'ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
4 Dywed wrth ddoethineb, "Fy chwaer wyt ti", a chyfarch ddeall fel c�r,
4Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
5 i'th gadw dy hun rhag y wraig ddieithr, a rhag yr estrones a'i geiriau gwenieithus.
5Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.[Heb. vehivavy tsy vadinao]
6 Yr oeddwn yn ffenestr fy nhu375?, yn edrych allan trwy'r dellt
6Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
7 ac yn gwylio'r rhai ifainc gwirion; a gwelais yn eu plith un disynnwyr
7Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
8 yn mynd heibio i gornel y stryd, ac yn troi i gyfeiriad ei thu375?
8Izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
9 yn y cyfnos, yn hwyr y dydd, pan oedd yn dechrau nosi a thywyllu.
9Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
10 Daeth dynes i'w gyfarfod, wedi ei gwisgo fel putain, ac yn llawn ystryw �
10Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
11 un benchwiban a gwamal, nad yw byth yn aros gartref,
11Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
12 weithiau ar y stryd, weithiau yn y sgw�r, yn llercian ym mhob cornel �
12Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
13 y mae'n cydio ynddo ac yn ei gusanu, ac yn ddigon wynebgaled i ddweud wrtho,
13Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
14 "Roedd yn rhaid imi offrymu heddoffrymau, ac rwyf newydd gyflawni f'addewid;
14Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
15 am hynny y deuthum allan i'th gyfarfod ac i chwilio amdanat, a dyma fi wedi dy gael.
15Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
16 Taenais ar fy ngwely gwrlid o frethyn lliwgar yr Aifft;
16Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
17 ac rwyf wedi persawru fy ngwely � myrr, aloes a sinamon.
17Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.[Heb. ahalima]
18 Tyrd, gad inni ymgolli mewn cariad tan y bore, a chael mwynhad wrth garu.
18Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
19 Oherwydd nid yw'r gu373?r gartref; fe aeth ar daith bell.
19Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
20 Cymerodd god o arian gydag ef, ac ni fydd yn �l nes y bydd y lleuad yn llawn."
20Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
21 Y mae'n ei ddenu �'i phersw�d, ac yn ei hudo �'i geiriau gwenieithus.
21Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
22 Y mae yntau'n ei dilyn heb oedi, fel ych yn mynd i'r lladd-dy, fel carw yn neidio i'r rhwyd
22Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia][Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala]
23 cyn i'r saeth ei drywanu i'r byw, fel aderyn yn hedeg yn syth i'r fagl heb wybod fod ei einioes mewn perygl.
23Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
24 Yn awr, blant, gwrandewch arnaf, a rhowch sylw i'm geiriau.
24Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
25 Paid � gadael i'th galon dy ddenu i'w ffyrdd, a phaid � chrwydro i'w llwybrau;
25Aoka tsy hivily ho any amin'ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
26 oherwydd y mae wedi taro llawer yn gelain, a lladdwyd nifer mawr ganddi.
26Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]
27 Ffordd i Sheol yw ei thu375?, yn arwain i lawr i neuaddau marwolaeth.
27Ny tranony dia lalana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, Eny, midina ho any amin'ny efi-tranon'ny fahafatesana.[Heb. Sheola]