1 1 I'r Cyfarwyddwr: Salm. I Ddafydd.0 Y mae'r nefoedd yn adrodd gogoniant Duw, a'r ffurfafen yn mynegi gwaith ei ddwylo.
1[Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra, amin'ny asan'ny tànany, na amin'ny lalàna nomeny] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany.
2 Y mae dydd yn llefaru wrth ddydd, a nos yn cyhoeddi gwybodaeth wrth nos.
2Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy.
3 Nid oes iaith na geiriau ganddynt, ni chlywir eu llais;
3Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony. [Na: Izay tsy andrenesana ny feony; na: Izay tsy re ny feony]
4 eto fe � eu sain allan drwy'r holl ddaear a'u lleferydd hyd eithafoedd byd. Ynddynt gosododd babell i'r haul,
4Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy;[Na: feony]
5 sy'n dod allan fel priodfab o'i ystafell, yn llon fel campwr yn barod i redeg cwrs.
5Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy.
6 O eithaf y nefoedd y mae'n codi, a'i gylch hyd yr eithaf arall; ac nid oes dim yn cuddio rhag ei wres.
6Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany.
7 Y mae cyfraith yr ARGLWYDD yn berffaith, yn adfywio'r enaid; y mae tystiolaeth yr ARGLWYDD yn sicr, yn gwneud y syml yn ddoeth;
7Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 y mae deddfau'r ARGLWYDD yn gywir, yn llawenhau'r galon; y mae gorchymyn yr ARGLWYDD yn bur, yn goleuo'r llygaid;
8Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso.
9 y mae ofn yr ARGLWYDD yn l�n, yn para am byth; y mae barnau'r ARGLWYDD yn wir, yn gyfiawn bob un.
9Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
10 Mwy dymunol ydynt nag aur, na llawer o aur coeth, a melysach na m�l, ac na diferion diliau m�l.
10Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.
11 Trwyddynt hwy hefyd rhybuddir fi, ac o'u cadw y mae gwobr fawr.
11Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
12 Pwy sy'n dirnad ei gamgymeriadau? Glanha fi oddi wrth fy meiau cudd.
12Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra.
13 Cadw dy was oddi wrth bechodau beiddgar, rhag iddynt gael y llaw uchaf arnaf. Yna byddaf yn ddifeius, ac yn ddieuog o bechod mawr.
13Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe.Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.
14 Bydded geiriau fy ngenau'n dderbyniol gennyt, a myfyrdod fy nghalon yn gymeradwy i ti, O ARGLWYDD, fy nghraig a'm prynwr.
14Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.