1 1 I Ddafydd, pan newidiodd ei wedd o flaen Abimelech, a chael ei yrru ymaith a mynd.0 Bendithiaf yr ARGLWYDD bob amser; bydd ei foliant yn wastad yn fy ngenau.
1[Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Yn yr ARGLWYDD yr ymhyfrydaf; bydded i'r gostyngedig glywed a llawenychu.
2Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Mawrygwch yr ARGLWYDD gyda mi, a dyrchafwn ei enw gyda'n gilydd.
3Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
4 Ceisiais yr ARGLWYDD, ac atebodd fi a'm gwaredu o'm holl ofnau.
4Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.
5 Y mae'r rhai sy'n edrych arno'n gloywi, ac ni ddaw cywilydd i'w hwynebau.
5Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
6 Dyma un isel a waeddodd, a'r ARGLWYDD yn ei glywed ac yn ei waredu o'i holl gyfyngderau.
6Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra.
7 Gwersylla angel yr ARGLWYDD o amgylch y rhai sy'n ei ofni, ac y mae'n eu gwaredu.
7Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 Profwch, a gwelwch mai da yw'r ARGLWYDD. Gwyn ei fyd y sawl sy'n llochesu ynddo.
8Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
9 Ofnwch yr ARGLWYDD, ei saint ef, oherwydd nid oes eisiau ar y rhai a'i hofna.
9Matahora an'i Jehovah, ianareo olony masina;fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 Y mae'r anffyddwyr yn dioddef angen ac yn newynu, ond nid yw'r rhai sy'n ceisio'r ARGLWYDD yn brin o ddim da.
10Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
11 Dewch, blant, gwrandewch arnaf, dysgaf ichwi ofn yr ARGLWYDD.
11Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo.
12 Pwy ohonoch sy'n dymuno bywyd ac a garai fyw'n hir i fwynhau daioni?
12Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
13 Cadw dy dafod rhag drygioni a'th wefusau rhag llefaru celwydd.
13Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 Tro oddi wrth ddrygioni a gwna dda, ceisia heddwch a'i ddilyn.
14Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
15 Y mae llygaid yr ARGLWYDD ar y cyfiawn, a'i glustiau'n agored i'w cri.
15Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 Y mae wyneb yr ARGLWYDD yn erbyn y rhai sy'n gwneud drwg, i ddileu eu coffa o'r ddaear.
16Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy.
17 Pan waedda'r cyfiawn am gymorth, fe glyw'r ARGLWYDD a'u gwaredu o'u holl gyfyngderau.
17Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra.
18 Y mae'r ARGLWYDD yn agos at y drylliedig o galon ac yn gwaredu'r briwedig o ysbryd.
18Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
19 Llawer o adfyd a gaiff y cyfiawn, ond gwareda'r ARGLWYDD ef o'r cyfan.
19Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.
20 Ceidw ei holl esgyrn, ac ni thorrir yr un ohonynt.
20Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 Y mae adfyd yn lladd y drygionus, a chosbir y rhai sy'n cas�u'r cyfiawn.
21Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.
22 Y mae'r ARGLWYDD yn gwaredu ei weision, ac ni chosbir y rhai sy'n llochesu ynddo.
22Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.