1 1 Siggaion. I Ddafydd, a ganodd i'r ARGLWYDD ynglu375?n � Cus o Benjamin.0 O ARGLWYDD fy Nuw, ynot ti y llochesaf; gwared fi rhag fy holl erlidwyr, ac arbed fi,
1[Fiantsoana an'Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
2 rhag iddynt fy llarpio fel llew, a'm darnio heb neb i'm gwaredu.
2Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
3 O ARGLWYDD fy Nuw, os gwneuthum hyn � os oes twyll ar fy nwylo,
3Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
4 os telais ddrwg am dda i'm cyfaill, ac ysbeilio fy ngwrthwynebwr heb achos �
4Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
5 bydded i'm gelyn fy erlid a'm dal, bydded iddo sathru fy einioes i'r ddaear, a gosod f'anrhydedd yn y llwch. Sela.
5Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
6 Saf i fyny, O ARGLWYDD, yn dy ddig; cyfod yn erbyn llid fy ngelynion; deffro, fy Nuw, i drefnu barn.
6Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
7 Bydded i'r bobloedd ymgynnull o'th amgylch; eistedd dithau'n oruchel uwch eu pennau.
7Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
8 O ARGLWYDD, sy'n barnu pobloedd, barna fi yn �l fy nghyfiawnder, O ARGLWYDD, ac yn �l y cywirdeb sydd ynof.
8Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
9 Bydded diwedd ar ddrygioni'r drygionus, ond cadarnha di y cyfiawn, ti sy'n profi meddyliau a chalonnau, ti Dduw cyfiawn.
9Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
10 Duw yw fy nharian, ef sy'n gwaredu'r cywir o galon.
10Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
11 Duw sydd farnwr cyfiawn, a Duw sy'n dedfrydu bob amser.
11Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
12 Yn wir, y mae'r drygionus yn hogi ei gleddyf eto, yn plygu ei fwa ac yn ei wneud yn barod;
12Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
13 y mae'n darparu ei arfau marwol, ac yn gwneud ei saethau'n danllyd.
13Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
14 Y mae'n feichiog o ddrygioni, yn cenhedlu niwed ac yn geni twyll.
14Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; [Heb: lainga]
15 Y mae'n cloddio pwll ac yn ei geibio, ac yn syrthio i'r twll a wnaeth.
15Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
16 Fe ddychwel ei niwed arno ef ei hun, ac ar ei ben ef y disgyn ei drais.
16Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
17 Diolchaf i'r ARGLWYDD am ei gyfiawnder, a chanaf fawl i enw'r ARGLWYDD Goruchaf.
17Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.