Welsh

Malagasy

Psalms

89

1 1 Masc�l. I Ethan yr Esrahead.0 Canaf byth am dy gariad, O ARGLWYDD, ac �'m genau mynegaf dy ffyddlondeb dros y cenedlaethau;
1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatsarany, indrindra fa noho ny fanekeny tamin'i Davida] Maskila nataon'i Etana Ezrahita. Ny famindram-pon'i Jehovah no hohiraiko mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby no hampahafantaran'ny vavako ny fahamarinanao.
2 oherwydd y mae dy gariad wedi ei sefydlu dros byth, a'th ffyddlondeb mor sicr �'r nefoedd.
2Fa hoy izaho Hotovonana mandrakizay ny famindram-po; Ny fahamarinanao hampitoerinao any an-danitra.
3 Dywedaist, "Gwneuthum gyfamod �'m hetholedig, a thyngu wrth Ddafydd fy ngwas,
3Efa nanao fanekena tamin'ny voafidiko Aho; Eny, efa nianiana tamin'i Davida mpanompoko Aho hoe:
4 'Gwnaf dy had yn sefydlog am byth, a sicrhau dy orsedd dros y cenedlaethau.'" Sela.
4Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho Ka hanangana ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
5 Bydded i'r nefoedd foliannu dy ryfeddodau, O ARGLWYDD, a'th ffyddlondeb yng nghynulliad y rhai sanctaidd.
5Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin'ny fiangonan'ny olo-masina.
6 Oherwydd pwy yn y nefoedd a gymherir �'r ARGLWYDD? Pwy ymysg y duwiau sy'n debyg i'r ARGLWYDD,
6Fa iza any an-danitra no mitovy amin'i Jehovah? Ary iza amin'ny zanak'ireo andriamanitra no manahaka an'i Jehovah,
7 yn Dduw a ofnir yng nghyngor y rhai sanctaidd, yn fawr ac ofnadwy goruwch pawb o'i amgylch?
7Dia Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin'ny fiangonan'ny olo-masiny Ary hajain'izay rehetra manodidina Azy?
8 O ARGLWYDD Dduw y lluoedd, pwy sydd nerthol fel tydi, O ARGLWYDD, gyda'th ffyddlondeb o'th amgylch?
8Jehovah, Andriamanitry ny maro, ô, iza no mahery tahaka Anao, Jehovah? Ary manodidina Anao ny fahamarinanao.
9 Ti sy'n llywodraethu ymchwydd y m�r; pan gyfyd ei donnau, yr wyt ti'n eu gostegu.
9Hianao manapaka ny fisavoan'ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
10 Ti a ddrylliodd Rahab yn gelain; gwasgeraist dy elynion � nerth dy fraich.
10Hianao nanorotoro an-dRahaba ho tahaka izay voavono; Ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.
11 Eiddot ti yw'r nefoedd, a'r ddaear hefyd; ti a seiliodd y byd a'r cyfan sydd ynddo.
11Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy. Hianao no nanorina azy.
12 Ti a greodd ogledd a de; y mae Tabor a Hermon yn moliannu dy enw.
12Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian'i Tabara sy Hermona.
13 Y mae gennyt ti fraich nerthol; y mae dy law yn gref, dy ddeheulaw wedi ei chodi.
13Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
14 Cyfiawnder a barn yw sylfaen dy orsedd; y mae cariad a gwirionedd yn mynd o'th flaen.
14Rariny sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananao; Famindram-po sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.
15 Gwyn eu byd y bobl sydd wedi dysgu dy glodfori, sy'n rhodio, ARGLWYDD, yng ngoleuni dy wyneb,
15Sambatra izay olona mahalala ny feo mahafaly; Jehovah ô, amin'ny fahazavan'ny tavanao no handehanany.
16 sy'n gorfoleddu bob amser yn dy enw, ac yn llawenhau yn dy gyfiawnder.
16Ny anaranao no hifaliany mandrakariva; Ary ny fahamarinanao no hisandratany.
17 Oherwydd ti yw gogoniant eu nerth, a thrwy dy ffafr di y dyrchefir ein corn.
17Fa voninahitry ny heriny Hianao; Ary amin'ny fankasitrahanao no hisandratan'ny tandrokay.
18 Oherwydd y mae ein tarian yn eiddo i'r ARGLWYDD, a'n brenin i Sanct Israel.
18Fa an'i Jehovah ny ampinganay; Ary an'ny Iray Masin'ny Isiraely ny mpanjakanay.
19 Gynt lleferaist mewn gweledigaeth wrth dy ffyddloniaid a dweud, "Gosodais goron ar un grymus, a dyrchafu un a ddewiswyd o blith y bobl.
19Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy tamin'ny olona.[Na: nanandratra zatovo avy]
20 Cefais Ddafydd, fy ngwas, a'i eneinio �'m holew sanctaidd;
20Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy;
21 bydd fy llaw yn gadarn gydag ef, a'm braich yn ei gryfhau.
21Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy.
22 Ni fydd gelyn yn drech nag ef, na'r drygionus yn ei ddarostwng.
22Tsy hamitaka azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [Na: hitaky trosa aminy]
23 Drylliaf ei elynion o'i flaen, a thrawaf y rhai sy'n ei gas�u.
23Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy.
24 Bydd fy ffyddlondeb a'm cariad gydag ef, ac yn fy enw i y dyrchefir ei gorn.
24Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony.
25 Gosodaf ei law ar y m�r, a'i ddeheulaw ar yr afonydd.
25Dia hampitoetra ny tànany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin'ny ony.
26 Bydd yntau'n galw arnaf, 'Fy nhad wyt ti, fy Nuw a chraig fy iachawdwriaeth.'
26Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy.
27 A gwnaf finnau ef yn gyntafanedig, yn uchaf o frenhinoedd y ddaear.
27Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany.
28 Cadwaf fy ffyddlondeb iddo hyd byth, a bydd fy nghyfamod ag ef yn sefydlog.
28Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy.
29 Rhof iddo linach am byth, a'i orsedd fel dyddiau'r nefoedd.
29Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra.
30 Os bydd ei feibion yn gadael fy nghyfraith, a heb rodio yn fy marnau,
30Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,
31 os byddant yn torri fy ordeiniadau, a heb gadw fy ngorchmynion,
31Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany,
32 fe gosbaf eu pechodau � gwialen, a'u camweddau � fflangellau;
32Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony.
33 ond ni throf fy nghariad oddi wrtho, na phallu yn fy ffyddlondeb.
33Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko,
34 Ni thorraf fy nghyfamod, na newid gair a aeth o'm genau.
34Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako.
35 Unwaith am byth y tyngais i'm sancteiddrwydd, ac ni fyddaf yn twyllo Dafydd.
35Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho:
36 Fe barha ei linach am byth, a'i orsedd cyhyd �'r haul o'm blaen.
36Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako;
37 Bydd wedi ei sefydlu am byth fel y lleuad, yn dyst ffyddlon yn y nef." Sela.
37Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra.[Na: Ary ny vavolombelona any an-danitra dia marina]
38 Ond eto yr wyt wedi gwrthod, a throi heibio, a digio wrth dy eneiniog.
38Fa efa narianao sy nolavinao izy; Efa tezitra tamin'ny voahosotrao Hianao.
39 Yr wyt wedi dileu'r cyfamod �'th was, wedi halogi ei goron a'i thaflu i'r llawr.
39Efa nahafoana ny fanekena tamin'ny mpanomponao Hianao; Efa nataonao ho fahavetavetana ny satro-boninahiny ka narianao teny an-tany.
40 Yr wyt wedi dryllio ei holl furiau, a gwneud ei geyrydd yn adfeilion.
40Efa noravanao ny fefiny rehetra; Efa nosimbanao ny fiarovany mafy.
41 Y mae pawb sy'n mynd heibio yn ei ysbeilio; aeth yn warth i'w gymdogion.
41Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia manimba azy; Efa fandà-tsan'ny mpiray monina aminy izy.
42 Dyrchefaist ddeheulaw ei wrthwynebwyr, a gwneud i'w holl elynion lawenhau.
42Efa nampisandratra ny tanana ankavanan'ny rafilahiny Hianao Ary efa nampifaly ny fahavalony rehetra.
43 Yn wir, troist yn �l fin ei gleddyf, a pheidio �'i gynnal yn y frwydr.
43Efa nampihemotra ny lelan'ny sabany Hianao Ka tsy nampaharitra azy tamin'ny ady.[Na: nampilefitra]
44 Drylliaist ei deyrnwialen o'i law, a bwrw ei orsedd i'r llawr.
44Efa nampitsahatra ny voninahiny Hianao Ka nanongana ny seza fiandrianany ho amin'ny tany.
45 Yr wyt wedi byrhau dyddiau ei ieuenctid, ac wedi ei orchuddio � chywilydd. Sela.
45Efa nahafohy ny andron'ny fahatanorany Hianao Ary efa nanaron-kenatra azy.
46 Am ba hyd, ARGLWYDD? A fyddi'n ymguddio am byth, a'th eiddigedd yn llosgi fel t�n?
46Mandra-pahoviana, Jehovah ô? Hiery mandrakizay va Hianao? Mirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?
47 Cofia mor feidrol ydwyf fi; ai yn ofer y creaist yr holl bobloedd?
47Tsarovy ny hafohin'ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra!
48 Pwy fydd byw heb weld marwolaeth? Pwy a arbed ei fywyd o afael Sheol? Sela.
48Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon'ny tanan'ny fiainan-tsi-hita? [Heb. Sheola]
49 O Arglwydd, ple mae dy gariad gynt, a dyngaist yn dy ffyddlondeb i Ddafydd?
49Tompo ô, aiza ny famindram-ponao fahiny, Izay nianiananao tamin'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
50 Cofia, O Arglwydd, ddirmyg dy was, fel yr wyf yn cario yn fy mynwes sarhad y bobloedd,
50Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao, Ny tratrako vesaran'ny firenena rehetra,
51 fel y bu i'th elynion, ARGLWYDD, ddirmygu a gwawdio camre dy eneiniog.
51Dia ny nandatsan'ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian'ny voahosotrao.Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.
52 Bendigedig fyddo'r ARGLWYDD am byth! Amen ac Amen.
52Isaorana mandrakizay anie Jehovah. Amena dia Amena.