Welsh

Malagasy

Revelation

3

1 "Ac at angel yr eglwys yn Sardis, ysgrifenna: 'Dyma y mae'r hwn sydd ganddo saith ysbryd Duw a'r saith seren yn ei ddweud: Gwn am dy weithredoedd, a bod gennyt enw dy fod yn fyw er mai marw ydwyt.
1[Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [ Gr. eklesia]
2 Bydd effro, a chryfha'r hyn sydd ar �l gennyt, sydd ar ddarfod amdano, oherwydd ni chefais dy weithredoedd yn gyflawn yng ngolwg fy Nuw i.
2Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [ Gr. Miareta tory] [ Na: (tsy hitako)]
3 Cofia, felly, beth a dderbyniaist ac a glywaist; cadw at hynny ac edifarha. Os na fydd iti ddeffro, fe ddof fel lleidr, ac ni chei wybod pa awr y dof atat.
3Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [ Gr. hiari-tory]
4 Ond y mae gennyt rai unigolion yn Sardis nad ydynt wedi halogi eu dillad; caiff y rhain rodio gyda mi mewn gwisgoedd gwynion, oherwydd y maent yn deilwng.
4Kanefa misy olona vitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [ Gr. anaranana]
5 Y sawl sy'n gorchfygu, gwisgir hwnnw yn yr un modd mewn gwisgoedd gwynion, ac ni thorraf byth ei enw allan o lyfr y bywyd, a chyffesaf ei enw gerbron fy Nhad a cherbron ei angylion ef.
5Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
6 Y sawl sydd � chlustiau ganddo, gwrandawed beth y mae'r Ysbryd yn ei ddweud wrth yr eglwysi.'
6Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
7 "Ac at angel yr eglwys yn Philadelffia, ysgrifenna: 'Dyma y mae'r Un sanctaidd, yr Un gwir, yn ei ddweud, yr hwn y mae allwedd Dafydd ganddo, yr hwn sy'n agor, ac ni fydd neb yn cau, ac yn cau, a neb yn agor:
7[Filadelfia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha: [ Gr. eklesia]
8 Gwn am dy weithredoedd, a dyma fi wedi rhoi o'th flaen ddrws agored na fedr neb ei gau. Gwn mai ychydig nerth sydd gennyt, ond cedwaist fy ngair ac ni wedaist fy enw.
8Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany ianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako. [ Na: fa na dia kely aza ny herinao, dia efa nitandrina, etc]
9 Wele, rhoddaf iti rai o synagog Satan sydd yn eu galw eu hunain yn Iddewon a hwythau heb fod felly; dweud celwydd y maent. Wele, gwnaf iddynt ddod ac ymgrymu wrth dy draed, a chael gwybod i mi dy garu di.
9Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
10 Am iti gadw fy ngair i ddyfalbarhau, byddaf finnau yn dy gadw di rhag awr y prawf sydd ar ddod ar yr holl fyd i brofi trigolion y ddaear.
10Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
11 Yr wyf yn dod yn fuan; glyna wrth yr hyn sydd gennyt, rhag i neb ddwyn dy goron di.
11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
12 Y sawl sy'n gorchfygu, fe'i gwnaf yn golofn yn nheml fy Nuw i, ac nid � allan oddi yno byth. Ac ysgrifennaf arno enw fy Nuw i � ac enw dinas fy Nuw i, y Jerwsalem newydd sy'n disgyn o'r nef oddi wrth fy Nuw i � a'm henw newydd i.
12Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro sy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
13 Y sawl sydd � chlustiau ganddo, gwrandawed beth y mae'r Ysbryd yn ei ddweud wrth yr eglwysi.'
13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
14 "Ac at angel yr eglwys yn Laodicea, ysgrifenna: 'Dyma y mae'r Amen, y tyst ffyddlon a gwir, a dechreuad creadigaeth Duw, yn ei ddweud:
14[Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [ Gr. eklesia]
15 Gwn am dy weithredoedd; nid wyt nac yn oer nac yn boeth. Gwyn fyd na fyddit yn oer neu yn boeth!
15Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.
16 Felly, gan mai claear ydwyt, heb fod nac yn boeth nac yn oer, fe'th boeraf allan o'm genau.
16Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao;
17 Dweud yr wyt, "Rwy'n gyfoethog, ac wedi casglu golud, ac nid oes arnaf eisiau dim"; ac ni wyddost mai gwrthrych trueni a thosturi ydwyt, yn dlawd, yn ddall, ac yn noeth.
17fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
18 Felly, cynghoraf di i brynu gennyf fi aur wedi ei buro drwy d�n, iti ddod yn gyfoethog, a dillad gwyn i'w gwisgo, i guddio gwarth dy noethni, ac eli i iro dy lygaid, iti gael gweld.
18dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao.
19 Yr wyf fi'n ceryddu ac yn disgyblu'r rhai a garaf; bydd selog, felly, ac edifarha.
19Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [ Gr. Raha Izaho, dia izay]
20 Wele, yr wyf yn sefyll wrth y drws ac yn curo; os clyw rhywun fy llais ac agor y drws, dof i mewn ato, a bydd y ddau ohonom yn cydfwyta gyda'n gilydd.
20Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.
21 I'r sawl sy'n gorchfygu y rhof yr hawl i eistedd gyda mi ar fy ngorsedd, megis y gorchfygais innau ac yr eisteddais gyda'm Tad ar ei orsedd ef.
21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany.Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]
22 Y sawl sydd � chlustiau ganddo, gwrandawed beth y mae'r Ysbryd yn ei ddweud wrth yr eglwysi.'"
22Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. [ Gr. eklesia]