Welsh

Malagasy

Zechariah

7

1 Ym mhedwaredd flwyddyn y Brenin Dareius, ar y pedwerydd dydd o'r nawfed mis, Cislef, daeth gair yr ARGLWYDD at Sechareia.
1[Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);
2 Yr oedd pobl Bethel wedi anfon Sareser a Regem-melech a'u gwu375?r i geisio ffafr yr ARGLWYDD,
2ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olony hifona amin'i Jehovah [na: ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka]
3 ac i ofyn i'r offeiriaid oedd yn nhu375? ARGLWYDD y Lluoedd ac i'r proffwydi, "A ddylid galaru ac ymprydio yn y pumed mis fel y gwneir ers blynyddoedd bellach?"
3ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?
4 Yna daeth gair ARGLWYDD y Lluoedd ataf a dweud,
4Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:
5 "Dywed wrth holl bobl y tir ac wrth yr offeiriaid, 'Pan oeddech yn ymprydio ac yn galaru yn y pumed mis ac yn y seithfed mis y deng mlynedd a thrigain hyn, ai er fy mwyn i yr oeddech yn ymprydio?
5Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?
6 A phan oeddech yn bwyta ac yn yfed, onid er eich mwyn eich hunain yr oeddech yn bwyta ac yn yfed?
6Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareo? [na: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro]
7 Onid hyn a gyhoeddodd yr ARGLWYDD trwy'r proffwydi gynt pan oedd Jerwsalem yn boblog a llewyrchus, gyda'i threfi o'i hamgylch, a'r Negef a'r Seffela hefyd yn boblog?'"
7Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka? [na: sefela]
8 Daeth gair yr ARGLWYDD at Sechareia:
8Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9 "Fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd: 'Barnwch yn deg, a dangoswch drugaredd a thosturi tuag at eich gilydd;
9Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;
10 peidiwch � gorthrymu'r weddw, yr amddifad, yr estron a'r tlawd, na dyfeisio yn eich meddyliau ddrwg i'ch gilydd.'
10ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
11 Ond gwrthodasant wrando, a throi cefn yn ystyfnig arnaf, a chau eu clustiau rhag iddynt glywed.
11Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.
12 Gwnaethant eu calonnau fel carreg rhag clywed y gyfraith a'r geiriau a anfonodd ARGLWYDD y Lluoedd �'i ysbryd trwy'r proffwydi gynt; a daeth digofaint mawr oddi wrth ARGLWYDD y Lluoedd.
12Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,
13 'Nid oeddent hwy'n gwrando pan oeddwn i'n galw; yn yr un modd nid oeddwn innau'n gwrando pan oeddent hwy'n galw,' medd ARGLWYDD y Lluoedd,
13Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.
14 'a gwasgerais hwy ymhlith yr holl genhedloedd nad oeddent yn eu hadnabod, a gadael eu tir yn ddiffaith ar eu h�l, heb neb yn mynd a dod yno. Felly y gwnaethant eu tir dymunol yn ddiffeithwch.'"
14fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.