1And all Israel were registered by genealogy; and behold, they are written in the book of the kings of Israel. And Judah was carried away to Babylon because of their transgression.
1[Ny amin'ny mponina tany Jerosalema talohan'ny namaboana azy] Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
2And the inhabitants that were first in their possessions in their cities were the Israelites, the priests, the Levites, and the Nethinim.
2Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
3And in Jerusalem dwelt of the children of Judah, and of the children of Benjamin, and of the children of Ephraim, and Manasseh:
3Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase:
4Uthai the son of Ammihud, the son of Omri, the son of Imri, the son of Bani, of the children of Pherez the son of Judah.
4dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda.
5And of the Shilonites: Asaiah the firstborn, and his sons.
5Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany.
6And of the sons of Zerah: Jeuel; and their brethren, six hundred and ninety.
6Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato.
7And of the sons of Benjamin: Sallu the son of Meshullam, the son of Hodaviah, the son of Hassenuah,
7Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa,
8and Jibneiah the son of Jeroham, and Elah the son of Uzzi, the son of Michri, and Meshullam the son of Shephatiah, the son of Reuel, the son of Jibnijah;
8sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia;
9and their brethren, according to their generations, nine hundred and fifty-six. All these men were chief fathers in their fathers' houses.
9ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy.
10And of the priests: Jedaiah, and Jehoiarib, and Jachin,
10Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina
11and Azariah the son of Hilkijah, the son of Meshullam, the son of Zadok, the son of Meraioth, the son of Ahitub, the ruler of the house of God;
11sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra,
12and Adaiah the son of Jeroham, the son of Pashhur, the son of Malchijah, and Masai the son of Adiel, the son of Jahzerah, the son of Meshullam, the son of Meshillemith, the son of Immer;
12ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera.
13and their brethren, heads of their fathers' houses, a thousand and seven hundred and sixty; able men for the work of the service of the house of God.
13Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.
14And of the Levites: Shemaiah the son of Hasshub, the son of Azrikam, the son of Hashabiah, of the sons of Merari;
14Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary,
15and Bakbakkar, Heresh, and Galal; and Mattaniah the son of Micah, the son of Zichri, the son of Asaph;
15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa,
16and Obadiah the son of Shemaiah, the son of Galal, the son of Jeduthun; and Berechiah the son of Asa, the son of Elkanah, who dwelt in the villages of the Netophathites.
16ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita.
17And the doorkeepers: Shallum, and Akkub, and Talmon, and Ahiman, and their brethren; Shallum was the chief.
17Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany;
18And they have been hitherto in the king's gate eastward: they were the doorkeepers in the camps of the children of Levi.
18ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy.
19And Shallum the son of Kore, the son of Ebiasaph, the son of Korah, and his brethren, of the house of his father, the Korahites, were over the work of the service, keepers of the thresholds of the tent, and their fathers, set over the camp of Jehovah, were keepers of the entrance.
19Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
20And Phinehas the son of Eleazar was the ruler over them formerly; Jehovah was with him.
20Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy.
21Zechariah the son of Meshelemiah was doorkeeper at the entrance to the tent of meeting.
21Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
22All these chosen to be doorkeepers at the thresholds were two hundred and twelve. These were registered by genealogy according to their villages: David and Samuel the seer had instituted them in their trust.
22Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
23And they and their sons were at the gates of the house of Jehovah, the house of the tent, to keep watch there.
23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay.
24At the four quarters were the doorkeepers, toward the east, west, north, and south.
24Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.
25And their brethren, in their villages, were to come after [every] seven days from time to time with them.
25Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy.
26For in their trust these four were the chief doorkeepers: they were Levites; and they were over the chambers and over the treasuries of the house of God;
26Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.
27for they stayed round about the house of God during the night, because the charge was upon them, and the opening thereof every morning [pertained] to them.
27Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.
28And [part] of them had the charge of the instruments of service, for by number they brought them in and by number they brought them out.
28Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
29[Part] of them also were appointed over the vessels, and over all the holy instruments, and over the fine flour, and the wine, and the oil, and the frankincense, and the spices.
29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra.
30And it was [some one] of the sons of the priests who compounded the ointment of the spices.
30Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana.
31And Mattithiah of the Levites, who was the firstborn of Shallum the Korahite, was in trust over the things that were made in the pans.
31Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana.
32And [some] of the sons of the Kohathites, their brethren, were over the loaves to be set in rows, to prepare them every sabbath.
32Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata.
33And these were the singers, chief fathers of the Levites, [who were] in the chambers free from service; for they were employed day and night.
33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.
34These are the chief fathers of the Levites, heads according to their families; these dwelt in Jerusalem.
34Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
35And at Gibeon dwelt the father of Gibeon, Jeiel, and his wife's name was Maachah.
35[Ny amin'ny fianakavian'i Saoly] Ary tao Gibeona no nonenan'i Jeiela, razamben'ny an'i Gibeona, ary ny anaran'ny vadiny dia Imaka;
36And his son, the firstborn, was Abdon, and Zur, and Kish, and Baal, and Ner, and Nadab,
36ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba,
37and Gedor, and Ahio, and Zechariah, and Mikloth;
37dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota.
38and Mikloth begot Shimeam. And they also dwelt beside their brethren in Jerusalem, with their brethren.
38Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy.
39And Ner begot Kish; and Kish begot Saul; and Saul begot Jonathan, and Malchishua, and Abinadab, and Esh-baal.
39Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
40And the son of Jonathan was Merib-Baal; and Merib-Baal begot Micah.
40Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika.
41And the sons of Micah: Pithon, and Melech, and Tahrea.
41Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza.[Izahao viii. 35]
42And Ahaz begot Jarah: and Jarah begot Alemeth, and Azmaveth, and Zimri; and Zimri begot Moza;
42Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza;
43and Moza begot Binea; and Rephaiah his son, Eleasah his son, Azel his son.
43ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa.Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.
44And Azel had six sons, and these are their names: Azrikam, Bochru, and Ishmael, and Sheariah, and Obadiah, and Hanan; these were the sons of Azel.
44Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela.