1And *I*, brethren, have not been able to speak to you as to spiritual, but as to fleshly; as to babes in Christ.
1[Ny amin'ny raharahan'ny mpitoriteny, sy ny mbola hizahan-toetra azy] Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin'izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin'izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin'i Kristy.
2I have given you milk to drink, not meat, for ye have not yet been able, nor indeed are ye yet able;
2Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza,
3for ye are yet carnal. For whereas [there are] among you emulation and strife, are ye not carnal, and walk according to man?
3fa mbola araka ny nofo ihany ianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va ianareo ka mandeha araka ny fanaon'ny olona?
4For when one says, *I* am of Paul, and another, *I* of Apollos, are ye not men?
4Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an'i Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an'i Apolosy, moa tsy olona ihany va ianareo?
5Who then is Apollos, and who Paul? Ministering servants, through whom ye have believed, and as the Lord has given to each.
5Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen'ny Tompo azy avy.
6*I* have planted; Apollos watered; but God has given the increase.
6Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.
7So that neither the planter is anything, nor the waterer; but God the giver of the increase.
7Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.
8But the planter and the waterer are one; but each shall receive his own reward according to his own labour.
8Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy.
9For we are God's fellow-workmen; ye are God's husbandry, God's building.
9Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.
10According to the grace of God which has been given to me, as a wise architect, I have laid the foundation, but another builds upon it. But let each see how he builds upon it.
10Araka ny fahasoavan'Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon'ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.
11For other foundation can no man lay besides that which [is] laid, which is Jesus Christ.
11Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.
12Now if any one build upon [this] foundation, gold, silver, precious stones, wood, grass, straw,
12Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana,
13the work of each shall be made manifest; for the day shall declare [it], because it is revealed in fire; and the fire shall try the work of each what it is.
13dia haseho avokoa ny asan'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra. [ Na: izany]
14If the work of any one which he has built upon [the foundation] shall abide, he shall receive a reward.
14Raha maharitra ny asan'ny olona, izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy.
15If the work of any one shall be consumed, he shall suffer loss, but *he* shall be saved, but so as through [the] fire.
15Raha ho levon'ny afo ny asan'ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany kosa dia hovonjena, nefa toy ny avy ao amin'ny afo ihany izy.
16Do ye not know that ye are [the] temple of God, and [that] the Spirit of God dwells in you?
16Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?
17If any one corrupt the temple of God, *him* shall God destroy; for the temple of God is holy, and such are *ye*.
17Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany. [ Na: dia masina koa ianareo]
18Let no one deceive himself: if any one thinks himself to be wise among you in this world, let him become foolish, that he may be wise.
18Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
19For the wisdom of this world is foolishness with God; for it is written, He who takes the wise in their craftiness.
19Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra; fa voasoratra hoe: Ny hafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy (Joba 5. 13).
20And again, [The] Lord knows the reasonings of the wise that they are vain.
20Ary indray: Jehovah no mahalala ny hevitry ny hendry fa zava-poana izany (Sal. 94. 11)
21So that let no one boast in men; for all things are yours.
21Ka dia aza misy manao olona ho reharehany; fa anareo ny zavatra rehetra:
22Whether Paul, or Apollos, or Cephas, or [the] world, or life, or death, or things present, or things coming, all are yours;
22na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy; dia anareo izany rehetra izany;ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.
23and *ye* [are] Christ's, and Christ [is] God's.
23ary ianareo an'i Kristy ary Kristy an'Andriamanitra.