Darby's Translation

Malagasy

1 Corinthians

9

1Am I not free? am I not an apostle? have I not seen Jesus our Lord? are not *ye* my work in [the] Lord?
1[Ny nandeferan'i Paoly tsy hovelomin'ny fiangonana tao Korinto] Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo va ianareo?
2If I am not an apostle to others, yet at any rate I am to you: for the seal of mine apostleship are *ye* in [the] Lord.
2Raha tsy Apostoly ho an'ny sasany aza aho, dia Apostoly ho anareo tokoa; fa ianareo no tombo-kase mah'Apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
3My defence to those who examine me is this:
3Izany no avaliko izay manadina ahy.
4Have we not a right to eat and to drink?
4Moa tsy mahazo mihinana sy misotro va izahay?
5have we not a right to take round a sister [as] wife, as also the other apostles, and the brethren of the Lord, and Cephas?
5Moa tsy mahazo mitondra vady izay isan'ny mino va izahay, tahaka ny Apostoly sasany koa sy ny rahalahin'ny Tompo ary Kefasy? [ Gr. anabavy]
6Or *I* alone and Barnabas, have we not a right not to work?
6Sa izaho ihany sy Barnabasy no tsy mahazo mitsahatra tsy miasa?
7Who ever carries on war at his own charges? who plants a vineyard and does not eat of its fruit? or who herds a flock and does not eat of the milk of the flock?
7Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony?
8Do I speak these things as a man, or does not the law also say these things?
8Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?
9For in the law of Moses it is written, Thou shalt not muzzle the ox that is treading out corn. Is God occupied about the oxen,
9Fa voasoratra eo amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary (Deo. 25. 4). Ny omby va no ahin'Andriamanitra?
10or does he say [it] altogether for our sakes? For for our sakes it has been written, that the plougher should plough in hope, and he that treads out corn, in hope of partaking of [it].
10Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.
11If we have sown to you spiritual things, [is it a] great [thing] if *we* shall reap your carnal things?
11Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay?
12If others partake of this right over you, should not rather *we*? But we have not used this right, but we bear all things, that we may put no hindrance in the way of the glad tidings of the Christ.
12Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy.
13Do ye not know that they who labour [at] sacred things eat of the [offerings offered in the] temple; they that attend at the altar partake with the altar?
13Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara?
14So also the Lord has ordained to those that announce the glad tidings to live of the glad tidings.
14Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.
15But *I* have used none of these things. Now I have not written these things that it should be thus in my case; for [it were] good for me rather to die than that any one should make vain my boast.
15Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho; ary tsy manoratra izany aho mba hanaovana izany amiko; fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako.
16For if I announce the glad tidings, I have nothing to boast of; for a necessity is laid upon me; for it is woe to me if I should not announce the glad tidings.
16Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!
17For if I do this voluntarily, I have a reward; but if not of my own will, I am entrusted with an administration.
17Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.
18What is the reward then that I have? That in announcing the glad tidings I make the glad tidings costless [to others], so as not to have made use, as belonging to me, of my right in [announcing] the glad tidings.
18Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara, mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara.
19For being free from all, I have made myself bondman to all, that I might gain the most [possible].
19Fa na dia afaka amin'ny olona rehetra aza aho, dia mbola nataoko ho mpanompon'ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako maromaro kokoa.
20And I became to the Jews as a Jew, in order that I might gain the Jews: to those under law, as under law, not being myself under law, in order that I might gain those under law:
20Tamin'ny Jiosy, dia tonga toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy; tamin'izay ambanin'ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin'ny lalàna aho, na dia tsy ambanin'ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin'ny lalàna;
21to those without law, as without law, (not as without law to God, but as legitimately subject to Christ,) in order that I might gain [those] without law.
21tamin'izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin'Andriamanitra aho, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
22I became to the weak, [as] weak, in order that I might gain the weak. To all I have become all things, in order that at all events I might save some.
22tamin'ny malemy dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy; efa tonga zavatra rehetra aho amin'ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany na iza na iza.
23And I do all things for the sake of the glad tidings, that I may be fellow-partaker with them.
23Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.
24Know ye not that they who run in [the] race-course run all, but one receives the prize? Thus run in order that ye may obtain.
24Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo.
25But every one that contends [for a prize] is temperate in all things: *they* then indeed that they may receive a corruptible crown, but *we* an incorruptible.
25Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.
26*I* therefore thus run, as not uncertainly; so I combat, as not beating the air.
26Raha izaho ary, dia mihazakazaka, nefa tsy toy ny manao kitoatoa; ary mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra;fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.
27But I buffet my body, and lead it captive, lest [after] having preached to others I should be myself rejected.
27fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.