Darby's Translation

Malagasy

1 Samuel

17

1And the Philistines assembled their armies to battle, and were gathered together at Sochoh, which belongs to Judah, and encamped between Sochoh and Azekah, in Ephesdammim.
1[Ny amin'i Davida sy Goliata] Ary ny Filistina namory ny miaramilany hiady, ka tafavory tao Soko any Joda izy ary nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, dia tao Efesa-damima.
2And Saul and the men of Israel were gathered together, and encamped in the valley of terebinths, and set the battle in array against the Philistines.
2Ary Saoly sy ny lehilahy amin'ny Isiraely dia tafavory ka nitoby teo amin'ny lohasaha Elaha ary nilahatra hiady amin'ny Filistina.
3And the Philistines stood on the mountain on the one side, and Israel stood on the mountain on the other side; and the ravine was between them.
3Ary ny Filistina dia teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary ny Isiraely kosa teo am-pita teo amin'ny tendrombohitra iray, ary lohasaha no elanelany.
4And there went out a champion from the camp of the Philistines, named Goliath, of Gath, whose height was six cubits and a span.
4Ary nisy lehilahy iray mpihantsy ady nivoaka avy teny amin'ny tobin'ny Filistina, Goliata avy any Gata no anarany; enina hakiho sy irain-jehy no halavany
5And he had a helmet of bronze upon his head, and he was clothed with a corselet of scales; and the weight of the corselet was five thousand shekels of bronze.
5Ary nisatroka fiarovan-doha varahina izy, ary niakanjo fiarovan-tratra, ka ny lanjan'ny akanjony varahina dia dimy arivo sekely.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
6And he had greaves of bronze upon his legs, and a javelin of bronze between his shoulders.
6Ary nanao fiarovan-dranjo varahina tamin'ny tongony izy ary lefom-pohy varahina teo an-damosiny.
7And the shaft of his spear was like a weaver's beam; and his spear's head weighed six hundred shekels of iron; and the shield-bearer went before him.
7Ary ny haben'ny zaran-defony dia tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; ary ny lela-lefony dia vy lanjan-tsekely enin-jato; ary nisy nitondra ny ampinga lehibe nandeha teo alohany.
8And he stood and cried to the ranks of Israel, and said to them, Why are ye come out to set your battle in array? am not I the Philistine, and ye servants of Saul? choose for yourselves a man, and let him come down to me.
8Ary nijanona izy, dia niantso ny miaramilan'ny Isiraely ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mivoaka hilahatra hiady? Tsy Filistina va aho, ary ianareo kosa mpanompon'i Saoly? Mifidiana lehilahy iray ianareo, ary aoka izy hidina etỳ amiko.
9If he be able to fight with me, and to smite me, then will we be your servants; but if I overcome and smite him, then shall ye be our servants and serve us.
9Raha tàhiny maharesy ahy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay; fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo ka hanompo anay.
10And the Philistine said, I have defied the ranks of Israel this day; give me a man, that we may fight together.
10Ary hoy ilay Filistina: Izaho efa nihaika ny miaramilan'ny Isiraely androany; amoahy lehilahy iray aho hiady amiko.
11And Saul and all Israel heard these words of the Philistine, and they were dismayed and greatly afraid.
11Ary raha ren'i Saoly sy ny Isiraely rehetra izany tenin'ilay Filistina izany, dia nivadi-po izy ka raikitahotra loatra.
12Now David was the son of that Ephrathite of Bethlehem-Judah whose name was Jesse; and he had eight sons; and the man was old in the days of Saul, advanced [in years] among men.
12Ary Davida dia zanak'ilay Efratita avy any Betlehema-joda atao hoe Jese, izay nanana zanaka valo mirahalahy; ary Jese dia efa zokiolona sy anti-panahy tamin'ny andron'i Saoly;
13And the three eldest of the sons of Jesse had gone and followed Saul to the battle; and the names of his three sons that went to the battle were Eliab the firstborn, and the second to him Abinadab, and the third Shammah.
13ary ny zokiny telo lahy tamin'ny zanak'i Jese lasa nanaraka an'i Saoly nankany an-tafika; ary ny anaran'ny zanany telo lahy lasa nankany an-tafika dia Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, ary Sama no fahatelony;
14And David was the youngest; and the three eldest had followed Saul.
14ary Davida no faralahy; ary izy telo lahy zokiny lasa nanaraka an'i Saoly;
15But David went and returned from Saul to feed his father's sheep at Bethlehem.
15fa Davida kosa nivoivoy avy tany amin'i Saoly hiandry ny ondrin-drainy tany Betlehema.
16And the Philistine drew near morning and evening, and presented himself forty days.
16Ary ilay Filistina nanatona marain-tsy hariva ka niseho efa-polo andro.
17And Jesse said to David his son, Take, I pray, for thy brethren, this ephah of parched [corn] and these ten loaves, and carry them quickly to the camp to thy brethren;
17Ary hoy Jese tamin'i Davida zanany: Ento ity lango eran'ny efaha ity sy ireto mofo folo ireto ho an'ny rahalahinao; ka dia atero faingana ho any an-toby ho any amin'ny rahalahinao.
18and carry these ten cheeses to the captain of the thousand, and visit thy brethren to see how they are, and take a pledge of them.
18Ary ento ho an'ny mpifehy arivony ireto fromazy didiny folo ireto, dia izahao na tsara ihany ny rahalahinao, na manao ahoana, ary itondray izay hahafantarako ny toeny aho.
19Now Saul, and they, and all the men of Israel [were] in the valley of terebinths, fighting against the Philistines.
19Ary Saoly sy izy telo lahy mbamin'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely dia teo amin'ny lohasaha Elaha niady tamin'ny Filistina.
20And David rose up early in the morning, and left the sheep with a keeper, and took his charge and went, as Jesse had commanded him. And he came to the wagon-defence; and the host which was going forth to the battle-array shouted for the fight.
20Dia nifoha maraina koa Davida ka namela ny ondriny hotandreman'olona, ary naka ny entany izy ka lasa nandeha araka ny nandidian'i Jese azy; ary tonga teo amin'ny sehatra-sariety izy; ary ny antokon'ny miaramila izay efa hivoaka hilahatra dia nanakora hiady tamin'izay.
21And Israel and the Philistines put the battle in array, rank against rank.
21Fa ny Isiraely sy ny Filistina efa nilahatra hiady ka nifanatrika ny miaramila.
22And David left the things he was carrying in the hand of the keeper of the baggage, and ran into the ranks, and came and saluted his brethren.
22Ary Davida namela ny entany teo anilan'ny mpiambina entana, dia nihazakazaka nankeny amin'ny laharan'ny miaramila, ary tonga ka nanontany ny amin'izay toetry ny rahalahiny.
23And as he talked with them, behold there came up the champion, the Philistine of Gath, Goliath by name, out of the ranks of the Philistines, and spoke according to the same words; and David heard [them].
23Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, tamy niakatra avy teo amin'ny laharan'ny miaramilan'ny Filistina ilay mpihantsy ady, lehilahy Filistina avy any Gata, Goliata no anarany; ary niteny tahaka ny teo aloha ihany izy ka ren'i Davida.
24And all the men of Israel, when they saw the man, fled from him and were greatly afraid.
24ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely, raha nahita io lehilahy io, dia nandositra azy, fa natahotra indrindra izy.
25And the men of Israel said, Have ye seen this man that comes up? for to defy Israel is he come up: and it shall be, that the man who smites him, him will the king enrich with great riches, and will give him his daughter, and make his father's house free in Israel.
25Ary hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely: Efa hitanareo va io lehilahy miakatra io? Hihaika ny Isiraely no iakarany; koa izay lehilahy mahafaty io dia hataon'ny mpanjaka manan-karem-bevava, ary dia homeny koa ny zananivavy ho vadiny, sady tsy hampandoavin-ketra amin'ny Isiraely ny tarana-drainy.
26And David spoke to the men that stood by him, saying, What shall be done to the man that smites this Philistine, and takes away the reproach from Israel? for who is this uncircumcised Philistine, that he should defy the armies of the living God?
26Ary hoy Davida tamin'ny olona teo anilany: Ahoana sy ahoana ange no hatao amin'izay lehilahy mahafaty io Filistina io ka mahafa-tondromaso ny Isiraely? Fa zinona moa io Filistina tsy mifora io, no dia hihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona?
27And the people told him after this manner, saying, So shall it be done to the man that smites him.
27Ary ny olona namaly hoe: Izany ka izany no hatao amin'izay lehilahy mahafaty azy.
28And Eliab, his eldest brother, heard while he spoke to the men; and Eliab's anger was kindled against David, and he said, Why art thou come down? and with whom hast thou left those few sheep in the wilderness? I know thy pride and the naughtiness of thy heart; for thou art come down that thou mightest see the battle.
28Ary Eliaba zokiny nandre azy niteny tamin'ny olona dia nirehitra tamin'i Davida ny fahatezerany, ka hoy izy: Nahoana ianao no midina etỳ? Ary amin'iza moa no namelanao ireny ondry vitsy ireny any an-efitra? fantatro ny avonavonao sy ny faharatsian'ny fonao, fa hizaha ny ady no idinanao etỳ.
29And David said, What have I now done? Was it not laid upon me?
29Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
30And he turned from him to another, and spoke after the same manner; and the people answered him again after the former manner.
30Ary niala teo aminy hankany amin'ny sasany koa izy ka niteny tahaka ny teo; ary ny olona namaly azy tahaka ny teo ihany indray.
31And the words were heard which David spoke, and they rehearsed them before Saul; and he sent for him.
31Ary nony ren'ny olona ny teny izay nataon'i Davida, dia nambarany tamin'i Saoly; ka dia naniraka naka azy izy.
32And David said to Saul, Let no man's heart fail because of him: thy servant will go and fight with this Philistine.
32Ary hoy Davida tamin'i Saoly: Aoka tsy ho ketraka amin'ilehio ny fon'ny olona; fa ny mpanomponao handeha hiady amin'io Filistina io.
33And Saul said to David, Thou art not able to go against this Philistine to fight with him; for thou art but a youth, and he a man of war from his youth.
33Fa hoy Saoly tamin'i Davida: Tsy tohanao ny handeha hiady amin'io Filistina io, satria mbola zaza ianao, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.
34And David said to Saul, Thy servant fed his father's sheep, and there came a lion, and also a bear, and took a lamb out of the flock.
34Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry,
35And I went after him, and smote him, and delivered it out of his mouth; and when he arose against me, I seized him by his beard, and smote him, and slew him.
35dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko.
36Thy servant smote both the lion and the bear; and this uncircumcised Philistine shall be as one of them, because he has defied the armies of the living God.
36Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy.
37And David said, Jehovah who delivered me out of the paw of the lion and out of the paw of the bear, he will deliver me out of the hand of this Philistine. And Saul said to David, Go, and Jehovah be with thee.
37Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
38And Saul clothed David with his dress, and put a helmet of bronze upon his head, and clothed him with a corselet.
38Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano]
39And David girded his sword upon his dress, and endeavoured to go; for he had not yet tried [it]. And David said to Saul, I cannot go in these; for I have never tried [them]. And David put them off him.
39Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany.
40And he took his staff in his hand, and chose him five smooth stones out of the brook, and put them in the shepherd's bag that he had, into the pocket; and his sling was in his hand. And he drew near to the Philistine.
40Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy.
41And the Philistine came on and approached David; and the man that bore the shield was before him.
41Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe.
42And when the Philistine looked about and saw David, he disdained him; for he was a youth, and ruddy, and besides of a beautiful countenance.
42Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo no tsara tarehy.[Na: tendron-tava]
43And the Philistine said to David, Am I a dog, that thou comest to me with staves? And the Philistine cursed David by his gods.
43Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina
44And the Philistine said to David, Come to me, and I will give thy flesh to the fowls of the heavens and to the beasts of the field.
44sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia etỳ amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy.
45And David said to the Philistine, Thou comest to me with sword, and with spear, and with javelin; but I come to thee in the name of Jehovah of hosts, the God of the armies of Israel, whom thou hast defied.
45Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao.
46This day will Jehovah deliver thee up into my hand; and I will smite thee, and take thy head from thee; and I will give the carcases of the camp of the Philistines this day to the fowl of the heavens and to the wild beasts of the earth. And all the earth shall know that Israel has a God;
46Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely.
47and all this congregation shall know that Jehovah saves not with sword and spear; for the battle is Jehovah's, and he will give you into our hands.
47Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.
48And it came to pass, when the Philistine arose, and came and advanced to meet David, that David hasted, and ran towards the ranks to meet the Philistine.
48Ary nony niainga ilay Filistina ka nanatona hitsena an'i Davida, dia nandroso faingana Davida ka nihazakazaka ho eo amin'ny laharan'ny miaramila hitsena ilay Filistina.
49And David put his hand into the bag, and took thence a stone, and slang it, and smote the Philistine in his forehead, and the stone sank into his forehead; and he fell on his face to the earth.
49Ary natsofok'i Davida tao an-kitapo ny tananay, ka naka vato tao izy, ka dia nalefany tamin'ny antsamotady, ka nahavoa ilay Filistina tamin'ny handriny, ary nilentika tamin'ny handriny ny vato, dia potraka niankohoka tamin'ny tany izy.
50So David overcame the Philistine with a sling and a stone, and smote the Philistine and killed him; and there was no sword in the hand of David.
50Toy izany no nandresen'i Davida ilay Filistina tamin'ny vaton'antsamotady, fa namely ilay Filistina izy ka nahafaty azy, ary tsy nisy sabatra teny an-tànan'i Davida.
51And David ran, and stood upon the Philistine, and took his sword, and drew it out of its sheath, and killed him completely, and cut off his head with it. And when the Philistines saw that their hero was dead, they fled.
51Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan'ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr'ilehio ka notsoahany tamin'ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan'ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
52And the men of Israel and of Judah arose, and shouted, and pursued the Philistines, until thou comest to the ravine and to the gates of Ekron. And the wounded of the Philistines fell down on the way to Shaaraim, even to Gath, and to Ekron.
52Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny Joda dia nitsangana ka nanakora sy nanenjika ny Filistina hatrany akaikin'i Gay sy ny vavahadin'i Ekrona; ary izay voa tamin'ny Filistina dia niampatrampatra teny amin'ny lalana mankany Saraima ary hatrany Gata ka hatrany Ekrona.[Na: (Gata)]
53And the children of Israel returned from chasing after the Philistines, and they pillaged their camps.
53Ary ny Zanak'Isiraely niverina avy nanenjika mafy ny Filistina ka namabo ny tobiny koa.
54And David took the head of the Philistine and brought it to Jerusalem; but he put his armour in his tent.
54Ary ny lohan'ilay Filistina dia noraisin'i Davida ka nentiny tany Jerosalema; fa ny fiadiany napetrany tao amin'ny lainy.
55And when Saul saw David go forth against the Philistine, he said to Abner, the captain of the host, Abner, whose son is this young man? And Abner said, As thy soul liveth, O king, I cannot tell.
55[Ny nitoeran'i Davida tao amin'i Saoly, sy ny nialonan'i Saoly azy] Ary nony nahita an'i Davida nandeha hiady tamin'ny Filistina Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, komandin'ny miaramila: Ry Abnera, zanak'iza moa iny zaza iny? Ary hoy Abnera: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka, tsy fantatro velively.
56And the king said, Inquire thou whose son this youth is.
56Ary hoy ny mpanjaka: Anontanionao na zanak'iza na zanak'iza iny zaza iny.
57And as David returned from the slaughter of the Philistine, Abner took him, and brought him before Saul with the head of the Philistine in his hand.
57Ary nony niverina avy namono ilay Filistina Davida, dia nalain'i Abnera izy ka nentiny teo anatrehan'i Saoly, ary mbola teny an-tànany ihany ny lohan'ilay Filistina.Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.
58And Saul said to him, Whose son art thou, young man? And David said, I am the son of thy servant Jesse the Beth-lehemite.
58Dia hoy Saoly taminy: Zanak'iza moa ianao, ry zatovo? Ary hoy Davida: Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho.