1And Samuel died; and all Israel were gathered together, and lamented him; and they buried him in his house at Ramah. And David arose and went down to the wilderness of Paran.
1[Ny nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2And there was a man at Maon, whose business was at Carmel; and the man was very great, and he had three thousand sheep and a thousand goats; and he was shearing his sheep at Carmel.
2Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3And the name of the man was Nabal, and the name of his wife Abigail; and the woman was of good understanding, and of a beautiful countenance; but the man was churlish and evil in his doings; and he was a Calebite.
3Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.
4And David heard in the wilderness that Nabal was shearing his sheep.
4Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5Then David sent out ten young men; and David said to the young men, Go up to Carmel, and go to Nabal, and greet him in my name.
5Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.
6And thus shall ye say: Long life [to thee]! and peace be to thee, and peace be to thy house, and peace be to all that thou hast!
6Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.
7And now I have heard that thou hast shearers; now thy shepherds who were with us, we hurt them not, neither was there aught missed by them, all the while they were in Carmel.
7Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
8Ask thy young men, and they will tell thee. Therefore let the young men find favour in thine eyes; for we come in a good day: give, I pray thee, what thy hand may find to thy servants, and to thy son David.
8Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9And David's young men came, and spoke to Nabal according to all those words in the name of David, and ceased.
9Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10And Nabal answered David's servants and said, Who is David? and who is the son of Jesse? there are many servants now-a-days that break away every man from his master.
10Fa Nabala namaly ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.
11And shall I take my bread, and my water, and my flesh which I have killed for my shearers, and give [it] to men whom I know not whence they are?
11Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12And David's young men turned their way, and went back, and came and reported to him according to all those words.
12Dia nihodina ny zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13And David said to his men, Gird ye on every man his sword. And they girded on every man his sword; and David also girded on his sword; and there went up after David about four hundred men; and two hundred abode by the baggage.
13Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.
14And one of [Nabal's] young men told Abigail, Nabal's wife, saying, Behold, David sent messengers out of the wilderness to bless our master; and he has insulted them.
14Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.
15And the men were very good to us, and we were not hurt, neither missed we anything, as long as we companied with them, when we were in the fields.
15Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16They were a wall to us both by night and day, all the while we were with them feeding the sheep.
16Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17And now know and consider what thou wilt do, for evil is determined against our master, and against all his household; and he is such a son of Belial, that one cannot speak to him.
17Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18And Abigail made haste, and took two hundred loaves, and two skin-bottles of wine, and five sheep ready dressed, and five measures of parched [corn], and a hundred raisin-cakes, and two hundred fig-cakes, and laid them on asses.
18Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[Na: siny hoditra][Heb. sea]
19And she said to her young men, Go on before me; behold, I come after you. But she did not tell her husband Nabal.
19Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20And as she was riding on the ass, and coming down by the covert of the hill, behold, David and his men came down opposite to her; and she met them.
20Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21Now David had said, Surely, in vain have I kept all that this [man] had in the wilderness, so that nothing was missed of all that was his; and he has requited me evil for good.
21Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22So and more also do God to the enemies of David, if I leave of all that is his by the morning light any male.
22Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
23And when Abigail saw David, she hasted and lighted off the ass, and fell before David on her face, and bowed herself to the ground,
23Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
24and fell at his feet, and said, Upon me, my lord, [upon] me let the iniquity be; but let thy handmaid, I pray thee, speak in thine ears, and hear the words of thy handmaid.
24Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
25Let not my lord, I pray thee, regard this man of Belial, Nabal; for as his name is, so is he: Nabal is his name, and folly is with him; and I thy handmaid did not see the young men of my lord, whom thou didst send.
25Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala = Adala]
26And now, my lord, [as] Jehovah liveth, and [as] thy soul liveth, seeing Jehovah has restrained thee from coming with bloodshed, and from avenging thyself with thine own hand, now let thine enemies, and they that seek evil to my lord, be as Nabal.
26Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
27And now this blessing which thy bondmaid has brought to my lord, let it be given to the young men that follow my lord.
27Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
28I pray thee, forgive the transgression of thy handmaid: for Jehovah will certainly make my lord a lasting house; because my lord fights the battles of Jehovah, and evil has not been found in thee all thy days.
28Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.
29And if a man is risen up to pursue thee and to seek thy life, the soul of my lord shall be bound in the bundle of the living with Jehovah thy God; and the souls of thine enemies, them shall he sling out from the hollow of the sling.
29Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
30And it shall come to pass, when Jehovah shall do to my lord according to all the good that he has spoken concerning thee, and shall appoint thee ruler over Israel,
30Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31that this shall be no stumbling-block to thee, nor offence of heart for my lord, either that thou hast shed blood without cause, or that my lord has avenged himself. And when Jehovah shall deal well with my lord, then remember thy handmaid.
31dia tsy ho alahelo na ho nenina amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]
32And David said to Abigail, Blessed be Jehovah, the God of Israel, who sent thee this day to meet me.
32Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33And blessed be thy discernment, and blessed be thou, who hast kept me this day from coming with bloodshed, and from avenging myself with mine own hand.
33Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.
34But indeed, as Jehovah the God of Israel liveth, who has restrained me from hurting thee, except thou hadst hasted and come to meet me, there had not been left to Nabal by the morning light any male.
34Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
35So David received of her hand what she had brought him, and said to her, Go up in peace to thy house; see, I have hearkened to thy voice, and have accepted thy person.
35Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
36And Abigail came to Nabal; and behold, he held a feast in his house, like the feast of a king; and Nabal's heart was merry within him, for he was drunken to excess; so she told him nothing, less or more, until the morning light.
36Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.
37And it came to pass in the morning, when the wine was gone out of Nabal, that his wife told him these things; and his heart died within him, and he became [as] a stone.
37Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38And it came to pass in about ten days that Jehovah smote Nabal, and he died.
38Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39And when David heard that Nabal was dead, he said, Blessed be Jehovah, who has pleaded the cause of my reproach from the hand of Nabal, and has kept back his servant from evil; but Jehovah has returned Nabal's evil upon his own head. And David sent and communed with Abigail, to take her as his wife.
39Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
40And the servants of David came to Abigail to Carmel, and spoke to her, saying, David has sent us to thee, to take thee as his wife.
40Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41And she arose and bowed herself on her face to the earth, and said, Behold, let thy handmaid be a bondwoman to wash the feet of the servants of my lord.
41Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.
42And Abigail hasted, and arose, and rode upon an ass, with five damsels of hers that followed her; and she went after the messengers of David, and became his wife.
42Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
43David had also taken Ahinoam of Jizreel; and they became, even both of them, his wives.
43Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.
44But Saul had given Michal his daughter, David's wife, to Phalti the son of Laish, who was of Gallim.
44Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.