1And it came to pass in those days that the Philistines gathered together their armies for warfare to fight against Israel. And Achish said to David, Know thou assuredly that thou shalt go out with me to the camp, thou and thy men.
1[Ny nikambanan'i Davida tamin'ny Filistina, sy ny nivorian'ny Filistina hiady tamin'ny Isiraely, ary ny nankanesan'i Saoly tany amin'ilay vehivavy nanao azy ho tsindrian-javatra] Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2And David said to Achish, Thereby thou shalt know what thy servant can do. And Achish said to David, Therefore will I make thee keeper of my person for ever.
2Ary hoy Davida tamin'i Akisy: Amin'izao dia ho fantatrao tokoa izay hain'ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3(Now Samuel was dead, and all Israel had lamented him, and they had buried him in Ramah, even in his own city. And Saul had put away the necromancers and the soothsayers out of the land.)
3(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4And the Philistines gathered themselves together, and came and encamped in Shunem; and Saul gathered all Israel together, and they encamped in Gilboa.
4Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5And when Saul saw the camp of the Philistines, he was afraid, and his heart greatly trembled.
5Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan'ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6And Saul inquired of Jehovah; but Jehovah did not answer him, either by dreams, or by Urim, or by prophets.
6Ary Saoly dia nanontany tamin'i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin'ny nofy, na tamin'ny Orima, na tamin'ny mpaminany.
7Then said Saul to his servants, Seek me a woman that has a spirit of Python, that I may go to her and inquire of her. And his servants said to him, Behold, there is a woman who has a spirit of Python at En-dor.
7Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8And Saul disguised himself, and put on other garments, and he went, and two men with him, and they came to the woman by night; and he said, I pray thee, divine to me by the spirit of Python, and bring me [him] up whom I shall name to thee.
8Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9And the woman said to him, Behold, thou knowest what Saul has done, how he has cut off the necromancers and the soothsayers out of the land; and why layest thou a snare for my life, to cause me to die?
9Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10And Saul swore unto her by Jehovah, saying, [As] Jehovah liveth, there shall no punishment happen to thee for this thing.
10Ary Saoly nianiana tamin'i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin'izao zavatra izao.
11Then said the woman, Whom shall I bring up to thee? And he said, Bring me up Samuel.
11Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12And when the woman saw Samuel, she cried out with a loud voice; and the woman spoke to Saul, saying, Why hast thou deceived me? Even thou art Saul.
12Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin'ny feo mafy izy ka nanao tamin'i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13And the king said to her, Be not afraid; but what didst thou see? And the woman said to Saul, I saw a god ascending out of the earth.
13Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin'i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin'ny tany no hitako.
14And he said to her, What is his form? And she said, An old man comes up; and he is covered with a mantle. And Saul knew that it was Samuel, and he stooped with his face to the ground, and bowed himself.
14Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr'i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin'ny tany izy ka niankohoka.
15And Samuel said to Saul, Why hast thou disquieted me, to bring me up? And Saul said, I am sore distressed; for the Philistines make war against me, and God is departed from me, and answers me no more, neither by prophets nor by dreams; therefore I have called thee, that thou mayest make known to me what I shall do.
15Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16And Samuel said, Why then dost thou inquire of me, seeing Jehovah is departed from thee, and is become thine enemy?
16Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17And Jehovah has done for himself as he spoke by me; and Jehovah has rent the kingdom out of thy hand, and given it to thy neighbour, to David.
17Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin'ny tananao ny fanjakana ka nomeny an'i Davida namanao.
18Because thou didst not hearken to the voice of Jehovah, and didst not execute his fierce anger upon Amalek, therefore has Jehovah done this thing to thee this day.
18Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19And Jehovah will also give Israel with thee into the hand of the Philistines; and to-morrow shalt thou and thy sons be with me; the army of Israel also will Jehovah give into the hand of the Philistines.
19Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
20And Saul fell straightway his full length on the earth, and was sore afraid because of the words of Samuel; and there was no strength in him, for he had eaten no bread all the day nor all the night.
20Dia lavo niampatra tamin'ny tany niaraka tamin'izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin'i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21And the woman came to Saul, and saw that he was sore troubled, and said to him, Behold, thy bondmaid has hearkened to thy voice, and I have put my life in my hand, and have hearkened to thy words which thou spokest to me.
21Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22And now, I pray thee, hearken thou also to the voice of thy bondmaid, and let me set a morsel of bread before thee; and eat, that thou mayest have strength when thou goest on thy way.
22Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao.
23But he refused and said, I will not eat. Then his servants, and the woman also, compelled him, and he hearkened to their voice; and he arose from the earth and sat on the bed.
23Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
24And the woman had a fat calf in the house; and she hasted and killed it, and took flour, and kneaded it, and baked unleavened bread thereof;
24Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.
25and she brought it near before Saul, and before his servants, and they ate. And they rose up and went away that night.
25Ary narosony teo anoloan'i Saoly sy teo anoloan'ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin'iny alina iny ihany.