Darby's Translation

Malagasy

1 Samuel

3

1And the boy Samuel ministered to Jehovah before Eli. And the word of Jehovah was rare in those days; a vision was not frequent.
1[Ny niantsoana an'i Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
2And it came to pass at that time, when Eli lay in his place (now his eyes began to grow dim, he could not see),
2Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
3and the lamp of God had not yet gone out, and Samuel lay in the temple of Jehovah, where the ark of God was,
3sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra,
4that Jehovah called to Samuel. And he said, Here am I.
4dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
5And he ran to Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And he said, I did not call: lie down again. And he went and lay down.
5Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
6And Jehovah called again, Samuel! And Samuel arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And he said, I did not call, my son: lie down again.
6Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
7Now Samuel did not yet know Jehovah, neither had the word of Jehovah yet been revealed to him.
7Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
8And Jehovah called again the third time, Samuel! And he arose and went to Eli, and said, Here am I; for thou calledst me. And Eli perceived that Jehovah was calling the boy.
8Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
9And Eli said to Samuel, Go, lie down; and it shall be, if he call thee, that thou shalt say, Speak, Jehovah, for thy servant heareth. So Samuel went and lay down in his place.
9Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany.
10And Jehovah came, and stood, and called as at the other times, Samuel, Samuel! And Samuel said, Speak, for thy servant heareth.
10Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11And Jehovah said to Samuel, Behold, I do a thing in Israel, at which both the ears of every one that heareth it shall tingle.
11Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
12In that day I will perform against Eli all that I have spoken concerning his house; I will begin and make an end.
12Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
13For I have declared to him that I will judge his house for ever, for the iniquity which he hath known: because his sons made themselves vile, and he restrained them not.
13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
14And therefore I have sworn unto the house of Eli that the iniquity of Eli's house shall not be expiated with sacrifice or oblation for ever.
14Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
15And Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of Jehovah. And Samuel feared to declare the vision to Eli.
15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
16And Eli called Samuel, and said, Samuel, my son. And he said, Here am I.
16Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17And he said, What is the word that he has spoken to thee? I pray thee, keep it not back from me: God do so to thee, and more also, if thou keep back anything from me of all the word that he spoke to thee.
17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
18And Samuel told him all the words, and kept nothing back from him. And he said, It is Jehovah: let him do what is good in his sight.
18Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19And Samuel grew, and Jehovah was with him, and let none of his words fall to the ground.
19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20And all Israel, from Dan even to Beer-sheba, knew that Samuel was established a prophet of Jehovah.
20Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela.Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.
21And Jehovah appeared again at Shiloh; for Jehovah revealed himself to Samuel at Shiloh by the word of Jehovah.
21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.