1And the men of Kirjath-jearim came, and fetched up the ark of Jehovah, and brought it into the house of Abinadab on the hill, and hallowed Eleazar his son to keep the ark of Jehovah.
1Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]
2And it came to pass, from the day that the ark abode in Kirjath-jearim, that the time was long; for it was twenty years. And all the house of Israel lamented after Jehovah.
2[Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]
3And Samuel spoke to all the house of Israel, saying, If ye return to Jehovah with all your heart, put away the strange gods and the Ashtoreths from among you, and apply your hearts unto Jehovah, and serve him only; and he will deliver you out of the hand of the Philistines.
3Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.
4And the children of Israel put away the Baals and the Ashtoreths and served Jehovah only.
4Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.
5And Samuel said, Gather all Israel to Mizpah, and I will pray Jehovah for you.
5Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.
6And they gathered together to Mizpah, and drew water, and poured it out before Jehovah, and fasted on that day, and said there, We have sinned against Jehovah. And Samuel judged the children of Israel in Mizpah.
6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.
7And the Philistines heard that the children of Israel were gathered together at Mizpah; and the lords of the Philistines went up against Israel; and the children of Israel heard [it], and were afraid of the Philistines.
7Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8And the children of Israel said to Samuel, Cease not to cry to Jehovah our God for us, that he will save us out of the hand of the Philistines.
8Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.
9And Samuel took a sucking-lamb, and offered it as a whole burnt-offering to Jehovah; and Samuel cried to Jehovah for Israel, and Jehovah answered him.
9Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10And as Samuel was offering up the burnt-offering, the Philistines advanced to battle against Israel. And Jehovah thundered with a great thunder on that day upon the Philistines, and discomfited them; and they were routed before Israel.
10Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.
11And the men of Israel went out of Mizpah, and pursued the Philistines, and smote them, as far as below Beth-car.
11Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.
12And Samuel took a stone and set it between Mizpah and Shen, and called the name of it Eben-ezer, and said, Hitherto Jehovah has helped us.
12Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]
13And the Philistines were subdued, and came no more into the borders of Israel; and the hand of Jehovah was against the Philistines all the days of Samuel.
13Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.
14And the cities that the Philistines had taken from Israel were restored to Israel, from Ekron even to Gath; and their territory did Israel deliver out of the hand of the Philistines. And there was peace between Israel and the Amorite.
14Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15And Samuel judged Israel all the days of his life.
15Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.
16And he went from year to year in circuit to Bethel, and Gilgal, and Mizpah, and judged Israel in all those places.
16Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.
17And his return was to Ramah; for there was his house, and there he judged Israel; and there he built an altar to Jehovah.
17Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.