1For ye know yourselves, brethren, our entering in which [we had] to you, that it has not been in vain;
1Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tatỳ aminareo;
2but, having suffered before and been insulted, even as ye know, in Philippi, we were bold in our God to speak unto you the glad tidings of God with much earnest striving.
2fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana.
3For our exhortation [was] not of deceit, nor of uncleanness, nor in guile;
3Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky.
4but even as we have been approved of God to have the glad tidings entrusted to us, so we speak; not as pleasing men, but God, who proves our hearts.
4Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay.
5For we have not at any time been [among you] with flattering discourse, even as ye know, nor with a pretext for covetousness, God [is] witness;
5Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona);
6nor seeking glory from men, neither from you nor from others, when we might have been a charge as Christ's apostles;
6ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,.
7but have been gentle in the midst of you, as a nurse would cherish her own children.
7Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany,
8Thus, yearning over you, we had found our delight in having imparted to you not only the glad tidings of God, but our own lives also, because ye had become beloved of us.
8dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo.
9For ye remember, brethren, our labour and toil: working night and day, not to be chargeable to any one of you, we have preached to you the glad tidings of God.
9Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo.
10*Ye* [are] witnesses, and God, how piously and righteously and blamelessly we have conducted ourselves with you that believe:
10Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino,
11as ye know how, as a father his own children, we used to exhort each one of you, and comfort and testify,
11toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo,
12that ye should walk worthy of God, who calls you to his own kingdom and glory.
12mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.
13And for this cause we also give thanks to God unceasingly that, having received [the] word of [the] report of God by us, ye accepted, not men's word, but, even as it is truly, God's word, which also works in you who believe.
13Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny tenin'Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
14For *ye*, brethren, have become imitators of the assemblies of God which are in Judaea in Christ Jesus; for *ye* also have suffered the same things of your own countrymen as also *they* of the Jews,
14Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan'Andriamanitra any Jodia izay amin'i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon'ny iray firenena aminareo dia sahafa amin'ny nanjo ireo koa noho ny nataon'ny Jiosy taminy,
15who have both slain the Lord Jesus and the prophets, and have driven us out by persecution, and do not please God, and [are] against all men,
15izay namono an'i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16forbidding us to speak to the nations that they may be saved, that they may fill up their sins always: but wrath has come upon them to the uttermost.
16ka mandrara anay tsy hitory amin'ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan'ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan'ny fahatezerana hatramin'ny farany izy.
17But we, brethren, having been bereaved of you and separated for a little moment in person, not in heart, have used more abundant diligence to see your face with much desire;
17Ary izahay, ry rahalahy, rehefa tafasaraka taminareo vetivety foana tamin'ny fanatrehana, fa tsy tamin'ny fo, dia vao mainka nitady sy naniry fatratra hahita ny tavanareo.
18wherefore we have desired to come to you, even I Paul, both once and twice, and Satan has hindered us.
18Koa naniry hankany aminareo indray mandeha amana indroa izahay, dia izaho Paoly; nefa nosakanan'i Satana izahay.
19For what [is] our hope, or joy, or crown of boasting? [are] not *ye* also before our Lord Jesus at his coming?
19Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan'i Jesosy Tompontsika amin'ny fihaviany va?Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.
20for ye are our glory and joy.
20Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay.