1And Solomon purposed to build a house for the name of Jehovah, and a house for his kingdom.
1Dia nanisa olona fito alina ho mpitondra entana Solomona ary valo alina ho mpikapa hazo eny an-tendrombohitra ary enin-jato amby telo arivo ho mpifehy azy.
2And Solomon numbered seventy thousand men to bear burdens, and eighty thousand stone-masons in the mountain, and three thousand six hundred to superintend them.
2Ary Solomona naniraka hankany amin'i Hirama, mpanjakan'i Tyro, hanao hoe: Tahaka ny nataonao tamin'i Davida raiko, raha nampanatitra hazo sedera ho azy hanaovany trano hitoerany ianao,
3And Solomon sent to Huram king of Tyre, saying, As thou didst deal with David my father, and didst send him cedars to build him a house to dwell therein [so do for me].
3indro, izaho efa efa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro izay hohamasinina ho Azy ka handoroana ditin-kazo mani-pofona eo anatrehany sy hasiana ny mofo aseho mandrakariva ary handoroana ny fanatitra isa-maraina sy Isan-kariva ary amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary amin'ny fotoam-pivavahina voatendrin'i Jehovah Andriamanitray; ho adidin'ny Isiraely mandrakizay izany.
4Behold, I build a house unto the name of Jehovah my God to dedicate it to him, to burn before him sweet incense, and for the continual arrangement [of the shewbread], and for the morning and evening burnt-offerings [and] on the sabbaths and on the new moons, and on the set feasts of Jehovah our God. This is [an ordinance] for ever to Israel.
4Ary ny trano efa hataoko dia lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
5And the house that I will build is great; for great is our God above all gods.
5Nefa iza no mahay manao trano ho Azy? Fa ny lanitra ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy. Ka iza moa aho, no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny handoroana ditin-kazo manitra eo anatrehany ihany?
6But who is able to build him a house, seeing the heavens and the heaven of heavens cannot contain him? And who am I that I should build him a house, except to burn sacrifice before him?
6Koa aniraho olon-kendry aho hiasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy volomparasy sy jaky ary manga, ary izay mahay misokitra manao sarin-javatra mba hiara-manao amin'ny olo-mahay zavatra izay atỳ amiko atỳ Joda sy Jerosalema, izay efa nomanin'i Davida raiko.
7And now send me a man skilful to work in gold, and in silver, and in bronze, and in iron, and in purple and crimson and blue, and experienced in carving, besides the skilful men that are with me in Judah and in Jerusalem, whom David my father provided.
7Ary anatero hazo sedera sy kypreso ary almoga avy any Libanona koa aho; fa fantatro fa mahay mikapa hazo any Libanona ny vahoakanao; ary, indro, ny vahoakako hiaraka amin'ny vahoakanao
8Send me also cedar-trees, cypress-trees, and sandal-wood trees, out of Lebanon; for I know that thy servants are experienced in cutting timber in Lebanon; and behold, my servants shall be with thy servants,
8mba hanamboatra hazo betsaka ho ahy; fa ny trano izay efa hataoko dia ho lehibe higagana.
9even to prepare me timber in abundance: for the house that I build shall be great and wonderful.
9Ary, indro, homeko vary tritika voafotsy sy vary hordea roa alina kora avy ary divay sy diloilo roa alina bata avy ny vahoakanao mpikapa hazo.
10And behold, I will give to thy servants the hewers that fell timber, twenty thousand measures of beaten wheat, and twenty thousand measures of barley, and twenty thousand baths of wine, and twenty thousand baths of oil.
10Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.
11And Huram king of Tyre answered in writing, which he sent to Solomon, Because Jehovah loved his people, he made thee king over them.
11Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy.
12And Huram said, Blessed be Jehovah the God of Israel, that made the heavens and the earth, who has given to David the king a wise son, endued with prudence and understanding, who will build a house for Jehovah and a house for his kingdom.
12Koa ankehitriny, indro, maniraka olona mahay zavatra sady manana fahalalana aho, dia Hiram-aby,[Na: Ikaky Hirama]
13And now, I send a skilful man, endued with understanding, Huram Abi,
13zanaky ny vehivavy Danita sy ny lehilahy Tyriana. Ary izy dia mahay miasa volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy vato sy hazo sy volomparasy sy manga sy rongony fotsy madinika ary jaky; ary mahay misokitra manao sarin-javatra samy hafa sy mahay manao marika amin'izay asa rehetra asaina ataony, ka dia hiara-manao amin'ny olon-kendrinao sy ny olon-kendrin'itompokolahy Davida rainao Izy.
14the son of a woman of the daughters of Dan, and whose father was a man of Tyre, experienced in working in gold, and in silver, in bronze, in iron, in stone, and in timber, in purple, in blue, and in byssus, and in crimson, and for doing any manner of engraving, and for inventing every device which shall be put to him, besides thy skilful men, and the skilful men of my lord David thy father.
14Ary ny vary tritika sy ny vary hordea ary ny diloilo sy ny divay, izay nolazainao, tompokolahy dia aoka hampanaterina ho atỳ aminay mpanomponao;
15And now the wheat and the barley, the oil and the wine, which my lord hath spoken of, let him send unto his servants.
15Ary izahay dia hikapa hazo any Libanona araka izay rehetra tadiavinao; ary hofehezinay ka hampandehaninay mitsinkafona amin'ny ranomasina ho any Jopa; ary ianao kosa no hitondra azy miakatra hankany Jerosalema.
16And we will cut wood out of Lebanon, as much as thou shalt need; and we will bring it to thee [in] floats by sea to Joppa, and thou shalt carry it up to Jerusalem.
16Ary Solomona nanisa ny lehilahy hafa firenena rehetra izay nonina tamin'ny tanin'ny Isiraely araka ny nanisan'i Davida rainy Lzy, ary ny isany dia enin-jato amby telo arivo amby dimy alina sy iray hetsy.Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
17And Solomon numbered all the strangers that were in the land of Israel, after the account that David his father had taken of them, and there were found a hundred and fifty-three thousand six hundred.
17Ary ny fito alina tamin'ireo dia nataony mpitondra entana, ary ny valo alina nataony mpikapa hazo eny an-tendrombohitra, ary ny enin-jato amby telo arivo nataony mpifehy hampiasa ny olona.
18And he set seventy thousand of them to be bearers of burdens, and eighty thousand to be stone-masons in the mountains, and three thousand six hundred overseers to set the people to work.