Darby's Translation

Malagasy

2 Kings

12

1In the seventh year of Jehu, Jehoash began to reign; and he reigned forty years in Jerusalem; and his mother's name was Zibiah of Beer-sheba.
1[Ny nanjakan'i Joasy tamin'ny Joda, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:
2And Jehoash did what was right in the sight of Jehovah, all the days wherein Jehoiada the priest instructed him.
2Ary tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
3Only, the high places were not removed: the people still sacrificed and burned incense on the high places.
3Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy.
4And Jehoash said to the priests, All the money of the hallowed things that is brought into the house of Jehovah, the money of every one that passes [the account], the money at which every man is valued, [and] all the money that comes into any man's heart to bring into the house of Jehovah,
4Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.
5let the priests take it, every man of his acquaintance; and let them repair the breaches of the house, wherever any breach is found.
5Ary hoy Joasy tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon'i Jehovah,
6And it was [so that] in the twenty-third year of king Jehoash, the priests had not repaired the breaches of the house.
6aoka horaisin'ny mpisorona amin'ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin'ny trano, na amin'inona na amin'inona no hitany misy simba.
7Then king Jehoash called for Jehoiada the priest, and the priests, and said to them, Why have ye not repaired the breaches of the house? And now receive no money of your acquaintances, but give it for the breaches of the house.
7Kanjo hatramin'ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin'ny trano.
8And the priests consented to receive no money of the people, and that they should only repair the breaches of the house.
8Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.
9And Jehoiada the priest took a chest, and bored a hole in the lid, and set it beside the altar, on the right side as one comes into the house of Jehovah; and the priests that kept the door put into it all the money brought into the house of Jehovah.
9Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin'ny trano.
10And it came to pass when they saw that there was much money in the chest, that the king's scribe and the high priest came up, and they tied up and counted the money that was found in the house of Jehovah.
10Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan'ny alitara tamin'ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.
11And they gave the money, weighed out into the hands of them that did the work, who were appointed over the house of Jehovah; and they laid it out to the carpenters and builders that wrought upon the house of Jehovah,
11Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.
12and to masons, and hewers of stone, and to buy timber and hewn stone to repair the breaches of the house of Jehovah, and for all that had to be laid out on the house for repairs.
12Ary ny vola voalanja dia natolotr'ireo ho eo an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon'i Jehovah
13However there were not made for the house of Jehovah basons of silver, knives, bowls, trumpets, nor any utensil of gold or utensil of silver, of the money that was brought [into] the house of Jehovah;
13sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.
14but they gave that to the workmen, and repaired the house of Jehovah with it.
14Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny volafotsy nampidirina tao;
15And they did not reckon with the men into whose hand they gave the money to be bestowed on workmen; for they dealt faithfully.
15fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin'ireo nanamboatra ny tranon'i Jehovah.
16The money of trespass-offerings, and the money of sin-offerings, was not brought into the house of Jehovah: it was for the priests.
16Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.
17Then Hazael king of Syria went up, and fought against Gath, and took it. And Hazael set his face to go up against Jerusalem.
17Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.
18And Jehoash king of Judah took all the hallowed things that Jehoshaphat and Jehoram and Ahaziah, his fathers, kings of Judah, had dedicated, and his own hallowed things, and all the gold found in the treasures of the house of Jehovah and in the king's house, and sent it to Hazael king of Syria; and he went away from Jerusalem.
18Ary tamin'izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.
19And the rest of the acts of Joash, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah?
19Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.
20And his servants rose up and made a conspiracy, and smote Joash in the house of Millo, at the descent of Silla.
20Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
21And Jozachar the son of Shimeath and Jehozabad the son of Shomer, his servants, smote him and he died; and they buried him with his fathers in the city of David. And Amaziah his son reigned in his stead.
21Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo, ao am-pidinana mankany Sila.[Heb. fiarovana]Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
22Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.