Darby's Translation

Malagasy

2 Samuel

14

1And Joab the son of Zeruiah perceived that the king's heart was toward Absalom.
1[Ny nodian'i Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak'i Zeroia, nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra tamin']
2And Joab sent to Tekoah, and fetched thence a wise woman, and said to her, I pray thee, feign thyself to be a mourner, and put on mourning garments, I pray, and anoint not thyself with oil, but be as a woman that hath a long time mourned for the dead;
2Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty;
3and come to the king, and speak after this manner to him. And Joab put the words into her mouth.
3dia mankanesa ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy.
4And the woman of Tekoah spoke to the king, and she fell on her face to the ground and did obeisance, and said, Save, O king!
4Ary nony niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô.
5And the king said to her, What aileth thee? And she said, I am indeed a widow woman, and my husband is dead.
5Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
6And thy bondmaid had two sons, and they two strove together in the field, and there was none to part them, but the one smote the other and slew him.
6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
7And behold, the whole family is risen against thy bondmaid, and they say, Deliver him that smote his brother, that we may put him to death, for the life of his brother whom he killed; and we will destroy the heir also: so they will quench my coal which is left, and will not leave to my husband a name or remnant on the earth.
7Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany.
8And the king said to the woman, Go to thy house, and I will give charge concerning thee.
8Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany.
9And the woman of Tekoah said to the king, Upon me, my lord, O king, be the iniquity, and upon my father's house; and the king and his throne be guiltless.
9Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny.
10And the king said, Whoever speaks to thee, bring him to me, and he shall not touch thee any more.
10Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy.
11Then she said, I pray thee, let the king remember Jehovah thy God, that thou wouldest not suffer the revengers of blood to destroy any more, lest they cut off my son. And he said, [As] Jehovah liveth, there shall not one hair of thy son fall to the earth.
11Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao.
12And the woman said, Let thy bondmaid, I pray thee, speak a word to my lord the king. And he said, Speak.
12Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary.
13And the woman said, Why then hast thou thought such a thing against God's people? and the king in saying this thing, is as one guilty, in that the king does not bring back his banished one.
13Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny.
14For we must needs die, and are as water spilt on the ground, which cannot be gathered up again; and God has not taken away his life, but devises means that the banished one be not expelled from him.
14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
15And now that I am come to speak of this thing to my lord the king, it is because the people have made me afraid; and thy bondmaid said, I will now speak to the king; perhaps the king will perform the request of his handmaid.
15Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny.
16For the king will hear, to deliver his handmaid out of the hand of the man that would destroy me and my son together out of the inheritance of God.
16Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra.
17And thy bondmaid said, Let the word of my lord the king now be comfortable; for as an angel of God, so is my lord the king to discern good and bad; and Jehovah thy God will be with thee.
17Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao.
18And the king answered and said to the woman, Hide not from me, I pray thee, the thing that I shall ask thee. And the woman said, Let my lord the king now speak.
18Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko.
19And the king said, Is the hand of Joab with thee in all this? And the woman answered and said, [As] thy soul liveth, my lord, O king, there is no turning to the right hand or to the left from aught that my lord the king has spoken; for thy servant Joab, he bade me, and he put all these words into the mouth of thy bondmaid:
19Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao amin'izany rehetra izany?]
20in order to turn the appearance of the thing has thy servant Joab done this thing; but my lord is wise, according to the wisdom of an angel of God, to know all that is in the earth.
20Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany.
21And the king said to Joab, Behold now, I have done this thing: so go, bring back the young man Absalom.
21Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo.
22And Joab fell to the ground on his face and bowed himself, and blessed the king; and Joab said, To-day thy servant knows that I have found favour in thy sight, my lord, O king, in that the king has fulfilled the request of his servant.
22Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony.
23And Joab arose and went to Geshur, and brought Absalom to Jerusalem.
23Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
24And the king said, Let him turn to his own house, and let him not see my face. And Absalom withdrew to his own house, and saw not the king's face.
24Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka.
25But in all Israel there was none to be so much praised as Absalom for his beauty: from the sole of his foot even to the crown of his head there was no blemish in him.
25Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
26And when he shaved his head (for it was at every year's end that he shaved it, because it was heavy on him, therefore he shaved it), he weighed the hair of his head at two hundred shekels after the king's weight.
26Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka.
27And to Absalom there were born three sons, and one daughter, whose name was Tamar: she was a woman of a beautiful countenance.
27Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy.
28So Absalom dwelt two full years in Jerusalem, and did not see the king's face.
28Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan'ny mpanjaka ihany izy.
29Then Absalom sent for Joab, to send him to the king; but he would not come to him; and he sent again the second time, but he would not come.
29Ary Absaloma dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba.
30Then he said to his servants, See, Joab's allotment is near mine and he has barley there: go and set it on fire. And Absalom's servants set the allotment on fire.
30Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary.
31Then Joab arose, and came to Absalom to [his] house, and said to him, Why have thy servants set my allotment on fire?
31Ary Joaba niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo?
32And Absalom said to Joab, Behold, I sent to thee, saying, Come hither, that I may send thee to the king, to say, Why am I come from Geshur? it would have been better for me to be there still. And now let me see the king's face; and if there be iniquity in me, let him slay me.
32Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny.Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.
33And Joab came to the king, and told him. And he called Absalom, and he came to the king, and bowed himself on his face to the ground before the king; and the king kissed Absalom.
33Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka.