1And it came to pass after this that David inquired of Jehovah, saying, Shall I go up into one of the cities of Judah? And Jehovah said to him, Go up. And David said, Whither shall I go up? And he said, Unto Hebron.
1[Ny nanjakan'i Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary ny niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
2So David went up thither, and his two wives also, Ahinoam the Jizreelitess, and Abigail the wife of Nabal the Carmelite.
2Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
3And his men that were with him did David bring up, every man with his household; and they dwelt in the cities of Hebron.
3Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
4And the men of Judah came, and there they anointed David king over the house of Judah. And they told David, saying, It is the men of Jabesh-Gilead that have buried Saul.
4Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
5And David sent messengers to the men of Jabesh-Gilead, and said to them, Blessed be ye of Jehovah, that ye have shewn this kindness to your lord, to Saul, and have buried him!
5Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.
6And now Jehovah shew kindness and faithfulness to you; and I also will requite you this good, because ye have done this thing.
6Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
7And now let your hands be strong, and be ye valiant; for your master Saul is dead, and also the house of Judah have anointed me king over them.
7Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.
8And Abner the son of Ner, captain of Saul's host, took Ishbosheth the son of Saul, and brought him over to Mahanaim;
8Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
9and made him king over Gilead, and over the Asshurites, and over Jizreel, and over Ephraim, and over Benjamin, and over all Israel.
9dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.[Na: (Gesorita)]
10Ishbosheth Saul's son was forty years old when he began to reign over Israel, and he reigned two years. However, the house of Judah followed David.
10(Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.
11And the time that David was king in Hebron over the house of Judah was seven years and six months.
11Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
12And Abner the son of Ner, and the servants of Ishbosheth the son of Saul, went out from Mahanaim to Gibeon.
12Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
13And Joab the son of Zeruiah, and the servants of David, went out. And they met together by the pool of Gibeon; and they sat down, these on the one side of the pool, and those on the other side of the pool.
13Ary Joaba, zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy.
14And Abner said to Joab, Let the young men now arise and make sport before us. And Joab said, Let them arise.
14Ary hoy Abnera tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
15And they arose and went over by number, twelve for Benjamin, and for Ishbosheth the son of Saul, and twelve of the servants of David.
15Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.
16And they caught every one his fellow by the head, and [thrust] his sword in his fellow's side, and they fell down together. And that place was called Helkath-hazzurim, which is by Gibeon.
16Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra maranitra]
17And the battle that day was very severe; and Abner and the men of Israel were routed before the servants of David.
17Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
18And there were three sons of Zeruiah there, Joab, and Abishai, and Asahel. Now Asahel was swift of foot, as one of the gazelles that are in the field.
18Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.[Izahao i. and. 19]
19And Asahel pursued after Abner; and in going he turned not to the right hand nor to the left from behind Abner.
19Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
20Then Abner looked behind him, and said, Art thou Asahel? And he said, I am.
20Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
21And Abner said to him, Turn thee aside, to thy right hand or to thy left, and lay hold of one of the young men, and take for thyself his armour. But Asahel would not turn aside from following him.
21Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
22And Abner said again to Asahel, Turn thee aside from following me: why should I smite thee to the ground? how then should I hold up my face to Joab thy brother?
22Ary hoy indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i Joaba rahalahinao?
23But he refused to turn aside; therefore Abner with the hinder end of the spear smote him in the belly, so that the spear came out behind him; and he fell down there, and died in the same place. And it came to pass, that as many as came to the place where Asahel fell down and died stood still.
23Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
24And Joab and Abishai pursued after Abner; and the sun went down when they came to the hill of Ammah, which is before Giah on the way to the wilderness of Gibeon.
24Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro.
25And the children of Benjamin gathered themselves together after Abner, and became one troop, and stood on the top of a hill.
25Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.
26And Abner called to Joab, and said, Shall the sword devour for ever? knowest thou not that it will be bitterness in the latter end? and how long shall it be ere thou bid the people return from following their brethren?
26Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
27And Joab said, [As] God liveth, unless thou hadst spoken, surely then in the morning the people had gone up every one from following his brother.
27Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.[Izaho and. 14]
28And Joab blew the trumpet, and all the people stood still, and pursued after Israel no more, neither did they fight any more.
28Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
29And Abner and his men walked all that night through the plain, and passed over the Jordan, and went through all Bithron, and they came to Mahanaim.
29Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb. Arabà]
30And Joab returned from following Abner, and gathered all the people together; and there lacked of David's servants nineteen men, and Asahel.
30Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.
31And the servants of David had smitten of Benjamin, and of Abner's men, three hundred and sixty men, who had died.
31Fa ny mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny olon'i Abnera.Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
32And they took up Asahel, and buried him in the sepulchre of his father, which was in Bethlehem. And Joab and his men went all night, and they came to Hebron at break of day.
32Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.