Darby's Translation

Malagasy

Acts

19

1And it came to pass, while Apollos was at Corinth, Paul, having passed through the upper districts, came to Ephesus, and finding certain disciples,
1Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy
2he said to them, Did ye receive [the] Holy Spirit when ye had believed? And they [said] to him, We did not even hear if [the] Holy Spirit was [come].
2ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina.
3And he said, To what then were ye baptised? And they said, To the baptism of John.
3Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona.
4And Paul said, John indeed baptised [with] the baptism of repentance, saying to the people that they should believe on him that was coming after him, that is, on Jesus.
4Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
5And when they heard that, they were baptised to the name of the Lord Jesus.
5Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo.
6And Paul having laid [his] hands on them, the Holy Spirit came upon them, and they spoke with tongues and prophesied.
6Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.
7And all the men were about twelve.
7Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra.
8And entering into the synagogue, he spoke boldly during three months, reasoning and persuading [the things] concerning the kingdom of God.
8Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
9But when some were hardened and disbelieved, speaking evil of the way before the multitude, he left them and separated the disciples, reasoning daily in the school of Tyrannus.
9Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [ Gr. lalana]
10And this took place for two years, so that all that inhabited Asia heard the word of the Lord, both Jews and Greeks.
10Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa. [ Gr. Grika]
11And God wrought no ordinary miracles by the hands of Paul,
11Ary ny tànan'i Paoly no nanaovan'Andriamanitra fahagagana lehibe maro,
12so that even napkins or aprons were brought from his body [and put] upon the sick, and the diseases left them, and the wicked spirits went out.
12ka dia ny mosara sy ny fiaron'akanjo teny aminy no nentina hatao amin'ny marary, dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy.
13And certain of the Jewish exorcists also, who went about, took in hand to call upon those who had wicked spirits the name of the Lord Jesus, saying, I adjure you by Jesus, whom Paul preaches.
13Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hoe: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho.
14And there were certain [men], seven sons of Sceva, Jewish high priest, who were doing this.
14Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany.
15But the wicked spirit answering said to them, Jesus I know, and Paul I am acquainted with; but *ye*, who are ye?
15Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
16And the man in whom the wicked spirit was leaped upon them, and having mastered both, prevailed against them, so that they fled out of that house naked and wounded.
16Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
17And this became known to all, both Jews and Greeks, who inhabited Ephesus, and fear fell upon all of them, and the name of the Lord Jesus was magnified.
17Ary fantatry ny Jiosy sy ny jentilisa rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran'i Jesosy Tompo.
18And many of those that believed came confessing and declaring their deeds.
18Ary maro izay nino dia tonga ka niaiky sy nilaza ny asany.
19And many of those that practised curious arts brought their books [of charms] and burnt them before all. And they reckoned up the prices of them, and found it fifty thousand pieces of silver.
19Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
20Thus with might the word of the Lord increased and prevailed.
20Fatratra toy izany no fandroson'ny tenin'Andriamanitra sy ny heriny.
21And when these things were fulfilled, Paul purposed in his spirit to go to Jerusalem, passing through Macedonia and Achaia, saying, After I have been there I must see Rome also.
21Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
22And having sent into Macedonia two of those ministering to him, Timotheus and Erastus, he remained himself awhile in Asia.
22Ary ny roa lahy tamin'izay nanompo ary, dia Timoty sy Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy mbola nitoetra tany Asia andro vitsivitsy kosa.
23And there took place at that time no small disturbance about the way.
23[Ny tabataba nataon'i Demetrio sy ny namany tao Efesosy] Ary tamin'izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin'izany fampianarana izany. [ Gr. lalana]
24For a certain [man] by name Demetrius, a silver-beater, making silver temples of Artemis, brought no small gain to the artisans;
24Fa nisy lehilahy anankiray atao hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin'ny tempolin'i Diana tamin'ny volafotsy, dia nampahazo harena be ny mpanefy; [ Gr. Artemisy]
25whom having brought together, and those who wrought in such things, he said, Men, ye know that our well-living arises from this work,
25ireny mbamin'ny mpanao zavatra hafa koa toy izany dia nantsoiny hiangona ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin'izao tao-zavatra izao no ahazoantsika harena.
26and ye see and hear that this Paul has persuaded and turned away a great crowd, not only of Ephesus, but almost of all Asia, saying that they are no gods which are made with hands.
26Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saiky manerana an'i Asia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny samy manao hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27Now not only there is danger for us that our business come into discredit, but also that the temple of the great goddess Artemis be counted for nothing, and that her greatness should be destroyed whom the whole of Asia and the world reveres.
27Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
28And having heard [this], and being filled with rage, they cried out, saying, Great [is] Artemis of the Ephesians.
28Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia tezitra loatra ka niantso hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
29And the [whole] city was filled with confusion, and they rushed with one accord to the theatre, having seized and carried off with [them] Gaius and Aristarchus, Macedonians, fellow-travellers of Paul.
29Ary nanerana ny tanàna ny tabataba; ary rehefa nisarika an'i Gaio sy Aristarko, lehilahy Makedoniana niara-dia tamin'i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
30But Paul intending to go in to the people, the disciples suffered him not;
30Ary raha te-hiditra ho any amin'ny olona Paoly, dia tsy navelan'ny mpianatra.
31and some of the Asiarchs also, who were his friends, sent to him and urged him not to throw himself into the theatre.
31Ary ny lehibe sasany tany Asia, izay sakaizany, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao an-trano filalaovana. [ Gr. Asiarka]
32Different persons therefore cried out some different thing; for the assembly was tumultuous, and the most did not know for what cause they had come together.
32Ary ny sasany niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; fa nihorikorika ny olona vory; koa ny ankamaroany tsy nahalala izay anton'ny niangonany teo.
33But from among the crowd they put forward Alexander, the Jews pushing him forward. And Alexander, beckoning with his hand, would have made a defence to the people.
33Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
34But, recognising that he was a Jew, there was one cry from all, shouting for about two hours, Great [is] Artemis of the Ephesians.
34Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
35And the townclerk, having quieted the crowd, said, Ephesians, what man is there then who does not know that the city of the Ephesians is temple-keeper of Artemis the great, and of the [image] which fell down from heaven?
35Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera ? [ Gr. Zeosy]
36These things therefore being undeniable, it is necessary that ye should be calm and do nothing headlong.
36Ary satria tsy azo toherina izany, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona an-kamehana.
37For ye have brought these men, [who are] neither temple-plunderers, nor speak injuriously of your goddess.
37Fa nentinareo etỳ ireo lehilahy ireo, izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
38If therefore Demetrius and the artisans who [are] with him have a matter against any one, the courts are being held, and there are proconsuls: let them accuse one another.
38Koa raha manan-teny hifamaliana amin'olona Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
39But if ye inquire anything concerning other matters, it will be settled in the regular assembly.
39Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo, dia hotsaraina amin'izay fivoriana voatendrin'ny lalàna.
40For also we are in danger to be put in accusation for sedition for this [affair] of to-day, no cause existing in reference to which we shall be able to give a reason for this concourse.
40Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.
41And having said these things, he dismissed the assembly.
41Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.