Darby's Translation

Malagasy

Acts

21

1And when, having got away from them, we at last sailed away, we came by a direct course to Cos, and on the morrow to Rhodes, and thence to Patara.
1[Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
2And having found a ship passing over into Phoenicia, we went on board and sailed;
2ary nony nahita sambo nita ho any Foinika izahay, dia nifindra sambo teo ka lasa nandeha.
3and having sighted Cyprus, and left it on the left hand, we sailed to Syria, and made the land at Tyre, for there the ship was to discharge her cargo.
3Ary nony nahatsinjo an'i Kyprosy izahay, dia nandalo azy tamin'ny ankavia ka nankany Syria, dia niantsona tao Tyro; fa tao no notaterina ny entan'ny sambo.
4And having found out the disciples, we remained there seven days; who said to Paul by the Spirit not to go up to Jerusalem.
4Ary nony nitady ny mpianatra izahay ka nahita azy, dia nitoetra teo hafitoana; ary izy ireo dia voatsindrin'ny Fanahy hilaza amin'i Paoly mba tsy hiakatra any Jerosalema.
5But when we had completed the days, we set out and took our journey, all of them accompanying us, with wives and children, till [we were] out of the city. And kneeling down upon the shore we prayed.
5Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia niala izahay ka lasa nandeha; ary izy rehetra mbamin'ny vadiny aman-janany dia nanatitra anay hatrany ivelan'ny tanàna; ary nandohalika teo amoron-dranomasina izahay ka nivavaka;
6And having embraced one another, we went on board ship, and they returned home.
6ary rehefa nifanao veloma izahay, dia nirotsaka an-tsambo; fa izy ireo kosa niverina nody.
7And we, having completed the voyage, arrived from Tyre at Ptolemais, and having saluted the brethren, we remained one day with them.
7Ary ny niafaran'ny nandehananay an-tsambo dia tany Tolemaia, rehefa avy tany Tyro; ary niarahaba ny rahalahy izahay ka nitoetra teo aminy indray andro.
8And leaving on the morrow, we came to Caesarea; and entering into the house of Philip the evangelist, who was of the seven, we abode with him.
8Ary nony ampitso dia niala teo izahay ka tonga tany Kaisaria ary niditra tao an-tranon'i Filipo evanjelista, izay anankiray tamin'izy fito lahy, dia nitoetra tao aminy izahay.
9Now this man had four virgin daughters who prophesied.
9Ary izany lehilahy izany dia nanana zanakavavy virijina efatra izay naminany.
10And as we stayed there many days, a certain man, by name Agabus, a prophet, came down from Judaea,
10Ary raha nitoetra tao andro maro izahay, dia nisy mpaminany anankiray atao hoe Agabo nidina avy tany Jodia.
11and coming to us and taking the girdle of Paul, and having bound his own hands and feet, said, Thus saith the Holy Spirit, The man whose this girdle is shall the Jews thus bind in Jerusalem, and deliver him up into the hands of [the] Gentiles.
11Ary rehefa tonga tao aminay izy, dia noraisiny ny fehin-kibon'i Paoly, ka namatorany ny tongotra aman-tànan'ny tenany, dia hoy izy; Izao no lazain'ny Fanahy Masina: Toy izao no hamatoran'ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon'ity fehin-kibo ity, ka hatolony ho eo an-tànan'ny jentilisa izy.
12And when we heard these things, both we and those of the place besought [him] not to go up to Jerusalem.
12Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin'izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.
13But Paul answered, What do ye, weeping and breaking my heart? for *I* am ready not only to be bound, but also to die at Jerusalem for the name of the Lord Jesus.
13Fa Paoly namaly ka nanao hoe: Nahoana ianareo no mitomany ka mampangorakoraka ny foko? Fa vonona aho tsy ny hafatotra ihany, fa ny ho faty any Jerosalema koa aza mba ho voninahitry ny anaran'i Jesosy Tompo.
14And when he would not be persuaded, we were silent, saying, The will of the Lord be done.
14Ary nony tsy nanaiky izy, dia nitsahatra izahay ka nanao hoe: Aoka ny sitrapon'ny Tompo no hatao.
15And after these days, having got our effects ready, we went up to Jerusalem.
15Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
16And [some] of the disciples from Caesarea went with us, bringing [with them] a certain Mnason, a Cyprian, an old disciple, with whom we were to lodge.
16Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana.
17And when we arrived at Jerusalem the brethren gladly received us.
17Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy.
18And on the morrow Paul went in with us to James, and all the elders came there.
18Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona rehetra. ]Gr. presbytera]
19And having saluted them, he related one by one the things which God had wrought among the nations by his ministry.
19Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy.
20And they having heard [it] glorified God, and said to him, Thou seest, brother, how many myriads there are of the Jews who have believed, and all are zealous of the law.
20Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra,
21And they have been informed concerning thee, that thou teachest all the Jews among the nations apostasy from Moses, saying that they should not circumcise their children, nor walk in the customs.
21sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
22What is it then? a multitude must necessarily come together, for they will hear that thou art come.
22Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao.
23This do therefore that we say to thee: We have four men who have a vow on them;
23Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy etỳ izay nivoady;
24take these and be purified with them, and pay their expenses, that they may have their heads shaved; and all will know that [of those things] of which they have been informed about thee nothing is [true]; but that thou thyself also walkest orderly, keeping the law.
24raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa.
25But concerning [those of] the nations who have believed, we have written, deciding that they should [observe no such thing, only to] keep themselves both from things offered to idols, and from blood, and from things strangled, and from fornication.
25Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
26Then Paul, taking the men, on the next day, having been purified, entered with them into the temple, signifying the time the days of the purification would be fulfilled, until the offering was offered for every one of them.
26Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.
27And when the seven days were nearly completed, the Jews from Asia, having seen him in the temple, set all the crowd in a tumult, and laid hands upon him,
27[Ny nisamborana an'i Paoly, sy ny teny nalahany tamin'izany] Ary rehefa ho tapitra ny hafitoana, dia nahita an'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly ny Jiosy avy tany Asia, ka nampikotaba ny vahoaka rehetra izy sady nisambotra an'i Paoly,
28crying, Israelites, help! this is the man who teaches all everywhere against the people, and the law, and this place, and has brought Greeks too into the temple, and profaned this holy place.
28ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan'ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina. [ Gr. Grika]
29For they had before seen Trophimus the Ephesian with him in the city, whom they supposed that Paul had brought into the temple.
29(fa efa hitany rahateo fa niaraka taminy tao an-tanàna Trofimo Efesiana, ka nataony fa nampidirin'i Paoly teo an-kianjan'ny tempoly izy).
30And the whole city was moved, and there was a concourse of the people; and having laid hold on Paul they drew him out of the temple, and immediately the doors were shut.
30Dia nifanaritaka be ihany ny tao an-tanàna rehetra, ka nihazakazaka nivory ny olona; ary Paoly dia nosamboriny ka nosarihany hiala eo an-kianjan'ny tempoly; ary niaraka tamin'izay dia narindrina ny vavahady.
31And as they were seeking to kill him, a representation came to the chiliarch of the band that the whole of Jerusalem was in a tumult;
31Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin'ny mpifehy arivo tamin'ny antokon'ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
32who, taking with him immediately soldiers and centurions, ran down upon them. But they, seeing the chiliarch and the soldiers, ceased beating Paul.
32ary niaraka tamin'izay dia naka miaramila sy kapiteny izy ka nihazakazaka nidina nankeo aminy; ary raha nahita ny mpifehy arivo sy ny miaramila ny olona, dia nitsahatra tsy nikapoka an'i Paoly.
33Then the chiliarch came up and laid hold upon him, and commanded [him] to be bound with two chains, and inquired who he might be, and what he had done.
33Ary ny mpifehy arivo nanakaiky, dia nisambotra azy ka nandidy hamatotra ary tamin'ny gadra roa, dia nanontany hoe: Iza moa izy, ary inona moa no nataony?
34And different persons cried some different thing in the crowd. But he, not being able to know the certainty on account of the uproar, commanded him to be brought into the fortress.
34Ary ny sasany tamin'ny olona maro niantso mafy nilaza zavatra iray, ary ny sasany kosa zavatra hafa; ary rehefa tsy azony nofantarina izay marina noho ny fikotranana, dia nasainy nentina ho any anati-rova Paoly.
35But when he got upon the stairs it was so that he was borne by the soldiers on account of the violence of the crowd.
35Ary rehefa tonga teo amin'ny ambaratonga izy, dia nobetain'ny miaramila noho ny fifanosehan'ny olona;
36For the multitude of the people followed, crying, Away with him.
36fa ny olona maro nanaraka ka niantso hoe: Vonoy ilehio!
37But as he was about to be led into the fortress, Paul says to the chiliarch, Is it allowed me to say something to thee? And he said, Dost thou know Greek?
37Ary rehefa nentiny tany anati-rova Paoly, dia hoy izy tamin'ny mpifehy arivo: Mahazo miteny aminao va aho? Dia hoy izy: Mahay teny Grika va ianao?
38Thou art not then that Egyptian who before these days raised a sedition and led out into the wilderness the four thousand men of the assassins?
38Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
39But Paul said, *I* am a Jew of Tarsus, citizen of no insignificant city of Cilicia, and I beseech of thee, allow me to speak to the people.
39Fa hoy Paoly: Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin'izay tanàna tsy kely laza; koa trarantitra ianao, aoka aho mba hiteny amin'ny olona.Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe:
40And when he had allowed him, Paul, standing on the stairs, beckoned with his hand to the people; and a great silence having been made, he addressed them in the Hebrew tongue, saying,
40Ary Paoly, rehefa navelany, dia nitsangana teo amin'ny ambaratonga ka nanofa tanana tamin'ny olona. Ary rehefa nangina tsara ny olona, dia niteny mafy tamin'ny teny Hebreo izy ka nanao hoe: