Darby's Translation

Malagasy

Acts

5

1But a certain man, Ananias by name, with Sapphira his wife, sold a possession,
1[Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany,
2and put aside for himself part of the price, [his] wife also being privy to it; and having brought a certain part, laid it at the feet of the apostles.
2ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly.
3But Peter said, Ananias, why has Satan filled thy heart that thou shouldest lie to the Holy Spirit, and put aside for thyself a part of the price of the estate?
3Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany?
4While it remained did it not remain to *thee*? and sold, was [it not] in thine own power? Why is it that thou hast purposed this thing in thine heart? Thou hast not lied to men, but to God.
4Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
5And Ananias, hearing these words, fell down and expired. And great fear came upon all who heard [it].
5Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany.
6And the young men, rising up, swathed him up for burial, and having carried him out, buried him.
6Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny.
7And it came to pass about three hours afterwards, that his wife, not knowing what had happened, came in.
7Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
8And Peter answered her, Tell me if ye gave the estate for so much? And she said, Yes, for so much.
8Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany.
9And Peter said to her, Why [is it] that ye have agreed together to tempt the Spirit of [the] Lord? Lo, the feet of those that have buried thy husband [are] at the door, and they shall carry thee out.
9Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
10And she fell down immediately at his feet and expired. And when the young men came in they found her dead; and, having carried her out, they buried her by her husband.
10Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.
11And great fear came upon all the assembly, and upon all who heard these things.
11Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12And by the hands of the apostles were many signs and wonders done among the people; (and they were all with one accord in Solomon's porch,
12[Ny fahagagana nataon'ny Apostoly sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary ny tanan'ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin'ny vahoaka; ary izy rehetra niray saina teo amin'ny Fialofan'i Solomona;
13but of the rest durst no man join them, but the people magnified them;
13ary tsy nisy tamin'ny olona sisa rehetra sahy niray taminy; nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14and believers were more than ever added to the Lord, multitudes both of men and women;)
14Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy izay nino ny Tompo nanampy ho isany;
15so that they brought out the sick into the streets and put [them] on beds and couches, that at least the shadow of Peter, when he came, might overshadow some one of them.
15ka dia nentiny teny an-dalambe aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon'ny tandindon'i Petera ahay, raha mandalo izy.
16And the multitude also of the cities round about came together to Jerusalem, bringing sick persons and persons beset by unclean spirits, who were all healed.
16Ary ny olona maro avy tamin'ny vohitra manodidina an'i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin'ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.
17And the high priest rising up, and all they that were with him, which is the sect of the Sadducees, were filled with wrath,
17[Ny namatorana ny Apostoly rehetra, sy ny nitondrana azy teo anatrehan'ny Synedriona] Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin'ny namany rehetra (izay antokon'ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
18and laid hands on the apostles and put them in the public prison.
18dia nisambotra ny Apostoly izy ka nanao azy tao an-tranomaizina.
19But an angel of [the] Lord during the night opened the doors of the prison, and leading them out, said,
19Fa nisy anjelin'ny Tompo namoha ny varavaran'ny tranomaizina nony alina, dia nitondra azy nivoaka ka nanao hoe:
20Go ye and stand and speak in the temple to the people all the words of this life.
20Mandehana, ka mitsangàna, ary mitoria amin'ny vahoaka eo an-kianjan'ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21And when they heard it, they entered very early into the temple and taught. And when the high priest was come, and they that were with him, they called together the council and all the elderhood of the sons of Israel, and sent to the prison to have them brought.
21Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22And when the officers were come, they did not find them in the prison; and returned and reported
22Fa nony tonga ny mpiandry raharaha, dia tsy nahita azy tao an-tranomaizina; dia niverina izy ka nilaza hoe:
23saying, We found the prison shut with all security, and the keepers standing at the doors; but when we had opened [them], within we found no one.
23Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.
24And when they heard these words, both the priest and the captain of the temple and the chief priests were in perplexity as to them, what this would come to.
24Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
25And some one coming reported to them, Lo, the men whom ye put in the prison are in the temple, standing and teaching the people.
25Dia nisy tonga ka nilaza taminy hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny, dia indreo izy mitsangana eo an-kianjan'ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26Then the captain, having gone with the officers, brought them, not with violence, for they feared the people, lest they should be stoned.
26Dia lasa ny lehiben'ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy, nefa tsy nanao mahery, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27And they bring them and set them in the council. And the high priest asked them,
27Ary rehefa nentiny, dia napetrany teo anatrehan'ny Synedriona ireo, ary ny mpisoronabe nanontany azy
28saying, We strictly enjoined you not to teach in this name: and lo, ye have filled Jerusalem with your doctrine, and purpose to bring upon us the blood of this man.
28ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
29But Peter answering, and the apostles, said, God must be obeyed rather than men.
29Fa Petera sy ny Apostoly namaly ka nanao hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30The God of our fathers has raised up Jesus, whom *ye* have slain, having hanged on a cross.
30Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an'i Jesosy, Izay novonoin'ny tananareo nahantonareo teo amin'ny hazo.
31Him has God exalted by his right hand as leader and saviour, to give repentance to Israel and remission of sins.
31Izy nasandratry ny tanana ankavanan'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an'ny Isiraely. [ Na: nasandratra ho eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra]
32And *we* are [his] witnesses of these things, and the Holy Spirit also, which God has given to those that obey him.
32Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy.
33But they, when they heard [these things], were cut to the heart, and took counsel to kill them.
33Ary raha nandre izany izy, dia lotika ny fony, ka nihendry hamono azy izy.
34But a certain [man], a Pharisee, named Gamaliel, a teacher of the law, held in honour of all the people, rose up in the council, and commanded to put the men out for a short while,
34Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35and said to them, Men of Israel, take heed to yourselves as regards these men what ye are going to do;
35Dia hoy izy tamin'ny namany: Ry lehilahy Isiraely, tandremo tsara izay hataonareo amin'ireo olona ireo.
36for before these days Theudas rose up, alleging himself to be somebody, to whom a number of men, about four hundred, were joined; who was slain, and all, as many as obeyed him, were dispersed and came to nothing.
36Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
37After him rose Judas the Galilean in the days of the census, and drew away [a number of] people after him; and *he* perished, and all, as many as obeyed him, were scattered abroad.
37Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38And now I say to you, Withdraw from these men and let them alone, for if this counsel or this work have its origin from men, it will be destroyed;
38Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo: Mandefera amin'ireo olona ireo, ka avelao ihany izy; fa raha avy amin'olona izao saina na asa izao, dia ho foana;
39but if it be from God, ye will not be able to put them down, lest ye be found also fighters against God.
39fa raha avy amin'Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin'Andriamanitra ianareo.
40And they listened to his advice; and having called the apostles, they beat them, and enjoined them not to speak in the name of Jesus, and dismissed them.
40Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.
41They therefore went their way from [the] presence of the council, rejoicing that they were counted worthy to be dishonoured for the name.
41Ary ireo dia niala teo anatrehan'ny Synedriona, sady faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr'izany anarana izany.Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.
42And every day, in the temple and in the houses, they ceased not teaching and announcing the glad tidings that Jesus [was] the Christ.
42Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.