1And the high priest said, Are these things then so?
1Ary hoy ny mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2And he said, Brethren and fathers, hearken. The God of glory appeared to our father Abraham when he was in Mesopotamia, before he dwelt in Charran,
2fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin'i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3and said to him, Go out of thy land and out of thy kindred, and come into the land which I will shew thee.
3ka nanao taminy hoe: Mialà amin'ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin'ny tany izay hasehoko anao (Gen. 12. 1).
4Then going out of the land of the Chaldeans he dwelt in Charran, and thence, after his father died, he removed him into this land in which *ye* now dwell.
4Dia niala tamin'ny tanin'ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy, dia nafindran'Andriamanitra niala teo izy hankany amin'ny tany izay onenanareo ankehitriny.
5And he did not give him an inheritance in it, not even what his foot could stand on; and promised to give it to him for a possession, and to his seed after him, when he had no child.
5Ary tsy nomeny lova teto izy, na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy izy fa homeny azy sy ny taranany mandimby azy ho lovany izany, na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
6And God spoke thus: His seed shall be a sojourner in a strange land, and they shall enslave them and evil entreat [them] four hundred years;
6Ary nolazain'Andriamanitra fa ny taranany hivahiny any amin'ny tanin'ny firenena hafa ary handevoziny sy hampahoriny efa-jato taona.
7and the nation to which they shall be in bondage will *I* judge, said God; and after these things they shall come forth and serve me in this place.
7Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka izy ka hanompo Ahy eto amin'ity tany ity (Gen. 15. 13, 14).
8And he gave to him [the] covenant of circumcision; and thus he begat Isaac and circumcised him the eighth day; and Isaac Jacob, and Jacob the twelve patriarchs.
8Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
9And the patriarchs, envying Joseph, sold him away into Egypt. And God was with him,
9Ary nialona an'i Josefa ny patriarka ka nivarotra azy ho any Egypta; nefa Andriamanitra nomba azy
10and delivered him out of all his tribulations, and gave him favour and wisdom in the sight of Pharaoh king of Egypt, and he appointed him chief over Egypt and all his house.
10ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
11But a famine came upon all the land of Egypt and Canaan, and great distress, and our fathers found no food.
11Ary nisy mosary eran'i Egypta sy Kanana rehetra, ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12But Jacob, having heard of there being corn in Egypt, sent out our fathers first;
12Fa nony nandre Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia naniraka ny razantsika izy tamin'ny voalohany.
13and the second time Joseph was made known to his brethren, and the family of Joseph became known to Pharaoh.
13Ary tamin'ny fanindroany dia fantatr'izy mirahalahy avy Josefa, ary dia fantatr'i Farao koa ny havan'i Josefa.
14And Joseph sent and called down to him his father Jacob and all [his] kindred, seventy-five souls.
14Ary Josefa naniraka ka nampaka an'i Jakoba rainy mbamin'ny mpianakaviny rehetra, dia olona dimy amby fito-polo izy.
15And Jacob went down into Egypt and died, he and our fathers,
15Ary Jakoba nidina nankany Egypta, dia maty izy sy ny razantsika;
16and were carried over to Sychem and placed in the sepulchre which Abraham bought for a sum of money of the sons of Emmor the [father] of Sychem.
16ary nentina ho any Sekema izy ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hamora tany Sekema.
17But as the time of promise drew near which God had promised to Abraham, the people increased and multiplied in Egypt,
17Fa rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahana ny teny fikasana, izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Egypta,
18until another king over Egypt arose who did not know Joseph.
18mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
19*He* dealt subtilly with our race, and evil entreated the fathers, casting out their infants that they might not live.
19Ary izy nanao hafetsena tamin'ny razantsika, dia nampahory azy, ka dia samy nanary ny zanany vao teraka mba tsy ho velona izy.
20In which time Moses was born, and was exceedingly lovely, who was nourished three months in the house of his father.
20Tamin'izany andro izany no nahaterahan'i Mosesy, ary tsara teo anatrehan'Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon'ny rainy.
21And when he was cast out, the daughter of Pharaoh took him up, and brought him up for herself [to be] for a son.
21Fa rehefa nariana izy, dia nalain'ny zanakavavin'i Farao ka notezainy ho zanany.
22And Moses was instructed in all [the] wisdom of the Egyptians, and he was mighty in his words and deeds.
22Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary nahery tamin'ny teniny sy ny asany izy.
23And when a period of forty years was fulfilled to him, it came into his heart to look upon his brethren, the sons of Israel;
23Ary rehefa ho efa-polo taona izy, dia velona tao am-pony ny hamangy ny Zanak'isiraely, rahalahiny
24and seeing a certain one wronged, he defended [him], and avenged him that was being oppressed, smiting the Egyptian.
24Ary raha nahita ny anankiray nampahorina maina izy, dia namaly ka namono ilay Egyptiana ary namonjy ilay nampahorina.
25For he thought that his brethren would understand that God by his hand was giving them deliverance. But they understood not.
25Ary nataony fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tànany no hamonjen'Andriamanitra azy; kanjo tsy fantany.
26And on the morrow he shewed himself to them as they were contending, and compelled them to peace, saying, *Ye* are brethren, why do ye wrong one another?
26Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
27But he that was wronging his neighbour thrust him away, saying, Who established thee ruler and judge over us?
27Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28Dost *thou* wish to kill me as thou killedst the Egyptian yesterday?
28Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan'ialahy ilay Egyptiana omaly? (Eks. 2. 13, 14.)
29And Moses fled at this saying, and became a sojourner in the land of Madiam, where he begat two sons.
29Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
30And when forty years were fulfilled, an angel appeared to him in the wilderness of mount Sinai, in a flame of fire of a bush.
30Ary rehefa afaka efa-polo taona, dia nisy anjely niseho taminy tany an-efitry ny tendrombohitra Sinay teo anaty lelafo teo amin'ny voaroy.
31And Moses seeing it wondered at the vision; and as he went up to consider it, there was a voice of [the] Lord,
31Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon'ny Tompo nanao hoe:
32*I* am the God of thy fathers, the God of Abraham, and of Isaac, and of Jacob. And Moses trembled, and durst not consider [it].
32Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33And the Lord said to him, Loose the sandal of thy feet, for the place on which thou standest is holy ground.
33Ary hoy Jehovah taminy: Esory ny kapa amin'ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
34I have surely seen the ill treatment of my people which is in Egypt, and I have heard their groan, and have come down to take them out of it; and now, come, I will send thee to Egypt.
34Hitako tokoa ny fahorian'ny oloko any Egypta, ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa andeha ankehitriny, dia hirahiko ho any Egypta ianao (Eks. 3. 5-10).
35This Moses, whom they refused, saying, Who made thee ruler and judge? him did God send [to be] a ruler and deliverer with the hand of the angel who appeared to him in the bush.
35Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
36*He* led them out, having wrought wonders and signs in the land of Egypt, and in the Red sea, and in the wilderness forty years.
36Izy no nitondra ny olona nivoaka sady nanao fahagagana sy famantarana tany Egypta sy teo amin'ny Ranomasina Mena ary tany an-efitra efa-polo taona.
37This is the Moses who said to the sons of Israel, A prophet shall God raise up to you out of your brethren like me [him shall ye hear].
37Izany no Mosesy izay nilaza tamin'ny Zanak'isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan'Andriamanitra ho anareo avy amin'ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15).
38This is he who was in the assembly in the wilderness, with the angel who spoke to him in the mount Sinai, and with our fathers; who received living oracles to give to us;
38Izy ilay teo amin'ny fiangonana tany an-efitra mbamin'ny Anjely izay niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay sy tamin'ny razantsika, ka izy no nandray teny velona mba homeny antsika.
39to whom our fathers would not be subject, but thrust [him] from them, and in their hearts turned back to Egypt,
39Nefa ny razantsika tsy nety nanaiky azy, fa nandà, dia manina an'i Egypta ny fony,
40saying to Aaron, Make us gods who shall go before us; for this Moses, who brought us out of the land of Egypt, we know not what has happened to him.
40ka hoy izy tamin'i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1).
41And they made a calf in those days, and offered sacrifice to the idol, and rejoiced in the works of their own hands.
41Ary dia nanao ombilahy kely izy tamin'izany andro izany, dia nanatitra fanatitra tamin'ny sampy ka niravoravo tamin'ny asan'ny tànany.
42But God turned and delivered them up to serve the host of heaven; as it is written in [the] book of the prophets, Have ye offered me victims and sacrifices forty years in the wilderness, O house of Israel?
42Fa Andriamanitra nihodina, dia nanolotra azy hanompo izay eny amin'ny lanitra; araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: Moa nanatitra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy efa-polo taona tany an-efitra va ianareo, ry taranak'isiraely?
43Yea, ye took up the tent of Moloch, and the star of [your] god Remphan, the forms which ye made to do homage to them; and I will transport you beyond Babylon.
43Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
44Our fathers had the tent of the testimony in the wilderness, as he that spoke to Moses commanded to make it according to the model which he had seen;
44Ny trano-lain'ny Vavolombelona dia teo amin'ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin'izay niteny tamin'i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
45which also our fathers, receiving from their predecessors, brought in with Joshua when they entered into possession of [the lands of] the nations, whom God drove out from [the] face of our fathers, until the days of David;
45Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida;
46who found favour before God, and asked to find a tabernacle for the God of Jacob;
46izy nahita fitia anatrehan'Andriamanitra ka nangataka hahita trano ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
47but Solomon built him a house.
47Fa Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
48But the Most High dwells not in [places] made with hands; as says the prophet,
48Kanefa ny Avo Indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona; araka ny nolazain'ny mpaminany hoe:
49The heaven [is] my throne and the earth the footstool of my feet: what house will ye build me? saith [the] Lord, or where [is the] place of my rest?
49Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, Ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?
50has not my hand made all these things?
50Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao? (Isa. 66. 1, 2.)
51O stiffnecked and uncircumcised in heart and ears, *ye* do always resist the Holy Spirit; as your fathers, *ye* also.
51Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon'ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52Which of the prophets have not your fathers persecuted? and they have slain those who announced beforehand concerning the coming of the Just One, of whom *ye* have now become deliverers up and murderers!
52Iza no mpaminany izay tsy nenjehin'ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian'ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
53who have received the law as ordained by [the] ministry of angels, and have not kept [it].
53dia olona izay nahazo ny lalàna tamin'ny nandaharan'anjely azy, nefa tsy nankato izany.
54And hearing these things they were cut to the heart, and gnashed their teeth against him.
54Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.
55But being full of [the] Holy Spirit, having fixed his eyes on heaven, he saw [the] glory of God, and Jesus standing at the right hand of God,
55Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,
56and said, Lo, I behold the heavens opened, and the Son of man standing at the right hand of God.
56dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.
57And they cried out with a loud voice, and held their ears, and rushed upon him with one accord;
57Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,
58and having cast [him] out of the city, they stoned [him]. And the witnesses laid aside their clothes at the feet of a young man called Saul.
58dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
59And they stoned Stephen, praying, and saying, Lord Jesus, receive my spirit.
59Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
60And kneeling down, he cried with a loud voice, Lord, lay not this sin to their charge. And having said this, he fell asleep.
60Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.