Darby's Translation

Malagasy

Daniel

1

1In the third year of the reign of Jehoiakim king of Judah came Nebuchadnezzar king of Babylon unto Jerusalem, and besieged it.
1[Ny amin'i Daniela sy ny namany telo lahy] Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, no nankanesan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tany Jerosalema sy nanaovany fahirano azy.
2And the Lord gave Jehoiakim king of Judah into his hand, and a part of the vessels of the house of God; and he carried them into the land of Shinar, to the house of his god; and he brought the vessels into the treasure-house of his god.
2Ary ny Tompo nanolotra an'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny fanaka sasany tao an-tranon'Andriamanitra ho eo an-tànany, ka nentiny ho any amin'ny tany Sinara ireny, ho ao an-tranon'andriamaniny; koa ny fanaka dia nampidiriny tao amin'ny trano firaketan'andriamaniny.
3And the king spoke unto Ashpenaz the chief of his eunuchs, that he should bring of the children of Israel, both of the royal seed and of the nobles,
3Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,
4youths in whom was no blemish, and of goodly countenance, and skilful in all wisdom, and acquainted with knowledge, and understanding science, and such as had ability in them to stand in the king's palace, and whom they might teach the learning and the language of the Chaldeans.
4dia zatovo izay tsy nisy kilema, fa tsara tarehy sady kanto amin'ny fahendrena rehetra sy manam-pahalalana ary mazava saina ka miendrika hitoetra ao an-dapan'ny mpanjaka sady nasainy nampianarina ny taratasy sy ny tenin'ny Kaldeana.
5And the king appointed unto them a daily provision of the king's delicate food, and of the wine that he drank, to nourish them three years, that at the end thereof they might stand before the king.
5Ary ny mpanjaka nampanokana hanina ho an'ireo isan'andro avy tamin'ny haniny sy avy tamin'ny divay izay fisotrony mba hamelomana azy telo taona, ary rehefa afaka izany, dia hitoetra eo anatrehan'ny mpanjaka izy.
6Now among these were of the children of Judah, Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah.
6Ary tamin'ireo dia nisy avy amin'ny taranak'i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
7And the prince of the eunuchs gave them names: to Daniel he gave [the name] Belteshazzar, and to Hananiah, Shadrach, and to Mishael, Meshach, and to Azariah, Abed-nego.
7Ary izy ireo nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana, ka Daniela nataony hoe Beltesazara, ary Hanania nataony hoe Sadraka, ary Misaela nataony hoe Mesaka, ary Azaria nataony hoe Abednego.
8And Daniel purposed in his heart that he would not pollute himself with the king's delicate food, nor with the wine which he drank; and he requested of the prince of the eunuchs that he might not have to pollute himself.
8Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka, na tamin'ny divay izay fisotrony; ka dia nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba havelany tsy handoto ny tenany.
9And God granted Daniel favour and mercy before the prince of the eunuchs.
9Dia nataon'Andriamanitra nahita fitia sy famindram-po tamin'ilay lehiben'ny tandapa Daniela.
10And the prince of the eunuchs said unto Daniel, I fear my lord the king who hath appointed your food and your drink; for why should he see your faces worse liking than the youths who are of your age? and ye would endanger my head with the king.
10Ary hoy ilay lehiben'ny tandapa tamin'i Daniela: Matahotra ny mpanjaka tompoko izay nampanokana ny hohaninareo sy ny hosotroinareo aho; fa hanao ahoana raha mahita ny tarehinareo mahia noho ny an'ny zatovo namanareo izy, moa tsy hahameloka ahy amin'ny mpanjaka va ianareo, ka hotapahiny ny lohako?
11And Daniel said to the steward, whom the prince of the eunuchs had set over Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah,
11Dia hoy Daniela tamin'ny mpiadidy, izay notendren'ny lehiben'ny tandapa ho mpiadidy an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria:
12Prove thy servants, I beseech thee, ten days; and let them give us pulse to eat, and water to drink;
12Masìna ianao, izahao toetra hafoloana izahay mpanomponao, ary aoka homena hanin-kotrana hohaninay sy rano hosotroinay.
13then let our countenances be looked upon before thee, and the countenance of the youths that eat of the king's delicate food: and as thou shalt see, deal with thy servants.
13Dia aoka hizahana eo anatrehanao ny tarehinay sy ny tarehin'ny zatovo izay mihinana ny anjara avy amin'ny hanin'ny mpanjaka, ary araka izay hitanao no ataovy amin'ny mpanomponao.
14And he hearkened unto them in this matter, and proved them ten days.
14Ary nanaiky izany teny izany izy ka nizaha toetra azy hafoloana.
15And at the end of ten days their countenances appeared fairer and were fatter in flesh than all the youths that ate of the king's delicate food.
15Ary nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa mandimandina sy matavy aza ny tarehiny noho ny an'ny zatovo rehetra izay nihinana anjara avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka.
16So the steward took away their delicate food, and the wine that they should drink; and gave them pulse.
16Dia najanon'ilay mpiadidy ny anjara-haniny sy ny divay hosotroiny, ka hanin-kotrana no nomeny azy.
17As for these four youths, God gave them knowledge and skill in all learning and wisdom; and Daniel had understanding in all visions and dreams.
17Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra.
18And at the end of the days that the king had said he should bring them in, the prince of the eunuchs brought them in before Nebuchadnezzar.
18Ary nony tonga ny andro nasain'ny mpanjaka hampidirana azy, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa niditra teo anatrehan'i Nebokadnezara izy.
19And the king spoke with them; and among them all was found none like Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah: and they stood before the king.
19Ary ny mpanjaka niresaka taminy, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin'izy rehetra, ka dia nitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
20And in all matters of judicious wisdom, as to which the king enquired of them, he found them ten times better than all the scribes [and] magicians that were in all his realm.
20Ary ny amin'ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian'ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo im-polo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy izay teo amin'ny fanjakany rehetra aza izy.Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.
21And Daniel continued unto the first year of king Cyrus.
21Ary Daniela nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy mpanjaka.