1Keep the month of Abib, and celebrate the passover to Jehovah thy God; for in the month of Abib Jehovah thy God brought thee forth out of Egypt by night.
1[Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao fa tamin'ny volana Abiba no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alina.
2And thou shalt sacrifice the passover to Jehovah thy God, of the flock and of the herd, in the place which Jehovah will choose to cause his name to dwell there.
2Ary vonoy ny Paskan'i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman'osy sy omby, eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah hampitoerany ny anarany.
3Thou shalt eat no leavened bread along with it; seven days shalt thou eat unleavened bread with it, bread of affliction; for thou camest forth out of the land of Egypt in haste, -- that thou mayest remember the day when thou camest forth out of the land of Egypt, all the days of thy life.
3Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin'ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta.
4And there shall be no leaven seen with thee in all thy borders seven days; neither shall any of the flesh, which thou sacrificedst at even on the first day, be left over night until the morning. --
4Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin'ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan'ny fanatitra izay novonoinao tamin'ny harivan'ny andro voalohany.
5Thou mayest not sacrifice the passover in one of thy gates, which Jehovah thy God giveth thee;
5Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao;
6but at the place that Jehovah thy God will choose, to cause his name to dwell in, there thou shalt sacrifice the passover at even, at the going down of the sun, at the time that thou camest forth out of Egypt.
6fa eo amin'ny fitoerana izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
7And thou shalt cook and eat it at the place which Jehovah thy God will choose; and in the morning shalt thou turn and go unto thy tents.
7Ary atsatsiho amin'ny afo izy, ka hano eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin'ny lainao.
8Six days thou shalt eat unleavened bread, and on the seventh day is a solemn assembly to Jehovah thy God; thou shalt do no work.
8Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin'izany.
9Seven weeks shalt thou count: from the beginning of putting the sickle into the corn shalt thou begin to count seven weeks.
9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin'ny andro iandohan'ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
10And thou shalt hold the feast of weeks to Jehovah thy God with a tribute of a voluntary-offering of thy hand, which thou shalt give, according as Jehovah thy God hath blessed thee;
10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian'i Jehovah Andriamanitrao anao;
11and thou shalt rejoice before Jehovah thy God, thou, and thy son, and thy daughter, and thy bondman, and thy handmaid, and the Levite that is in thy gates, and the stranger, and the fatherless, and the widow that are in thy midst in the place that Jehovah thy God will choose to cause his name to dwell there.
11ary mifalia eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
12And thou shalt remember that thou wast a bondman in Egypt, and thou shalt keep and do these statutes.
12Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
13The feast of tabernacles shalt thou hold seven days, when thou hast gathered in [the produce] of thy floor and of thy winepress.
13Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin'ny famoloanao sy ny famiazanao.
14And thou shalt rejoice in thy feast, thou, and thy son, and thy daughter, and thy bondman, and thy handmaid, and the Levite, and the stranger, and the fatherless, and the widow, that are in thy gates.
14Ary mifalia amin'ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
15Seven days shalt thou hold a feast to Jehovah thy God in the place which Jehovah will choose; for Jehovah thy God will bless thee in all thy produce, and in all the work of thy hands, and thou shalt be wholly joyful.
15Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin'ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
16Three times in the year shall all thy males appear before Jehovah thy God in the place which he will choose, at the feast of unleavened bread, and at the feast of weeks, and at the feast of tabernacles; and they shall not appear before Jehovah empty:
16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao, eo amin'ny tany izay hofidiny, dia amin'ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan'i Jehovah;
17each [shall give] according to that which is in his power to give, according to the blessing of Jehovah thy God which he hath given thee.
17fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian'i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
18Judges and officers shalt thou make thee in all thy gates, which Jehovah thy God giveth thee, throughout thy tribes, that they may judge the people with just judgment.
18[Ny amin'ny fitsarana sy ny fifidianana mpanjaka] Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin'ny fitsarana marina ireo.
19Thou shalt not wrest judgment; thou shalt not respect persons, neither take a bribe; for the bribe blindeth the eyes of the wise, and perverteth the words of the righteous.
19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan'olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny hendry ary mamadika ny tenin'ny marina.
20Perfect justice shalt thou follow, that thou mayest live, and possess the land that Jehovah thy God giveth thee.
20Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
21Thou shalt not plant thyself an Asherah of any wood near unto the altar of Jehovah thy God, which thou shalt make thee.
21Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.
22Neither shalt thou set thee up a statue, which Jehovah thy God hateth.
22Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan'i Jehovah Andriamanitrao izany.