1And we turned, and took our journey into the wilderness by the way of the Red sea, as Jehovah had said unto me; and we went round mount Seir many days.
1Dia niverina isika ka nandeha tany an-efitra tamin'ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain'i Jehovah tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seira ela ihany isika.
2And Jehovah spoke to me, saying,
2Dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
3Ye have gone round this mountain long enough: turn you northward.
3Aoka izay ny nandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity, fa miverena hianavaratra ianareo.
4And command the people, saying, Ye are to pass through the border of your brethren the children of Esau, who dwell in Seir; and they will be afraid of you; and ye shall be very guarded:
4Ary mandidia ny olona hoe: Hianareo efa handeha hamaky ny tanin'ny taranak'i Esao rahalahinareo, izay monina any Seira; dia hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo,
5attack them not; for I will not give you of their land, no, not so much as a foot-breadth; for I have given mount Seir as a possession unto Esau.
5ka aza mila ady aminy; fa tsy hanomezako anao ny taniny, na dia eram-paladia akory aza, satria nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira.
6Ye shall buy of them food for money, that ye may eat; and water shall ye also buy of them for money, that ye may drink;
6Vola no hamidinareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hamidinareo rano aminy hosotroinareo.
7for Jehovah thy God hath blessed thee in all the work of thy hand. He hath known thy walking through this great wilderness: these forty years hath Jehovah thy God been with thee; thou hast lacked nothing.
7Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin'izay rehetra nataon'ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
8And we passed by from our brethren the children of Esau, who dwelt in Seir, by the plain, by Elath, and by Ezion-geber, and we turned and passed by the way of the wilderness of Moab.
8Ary raha nandalo ny taranak'i Esao rahalahintsika izay monina any Seira isika ary niala tamin'ny lalana amin'ny tani-hay sy tao Elata ary Ezion-gebera, dia nivily isika ka nandeha tamin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Moaba.
9And Jehovah said to me, Distress not the Moabites, neither engage with them in battle; for I will not give thee of their land a possession; for unto the children of Lot have I given Ar as a possession.
9Dia hoy Jehovah tamiko: Aza mandrafy ny Moabita, na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny, satria Ara dia nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota.
10(The Emim dwelt therein in times past, a people great, and many, and tall as the Anakim.
10Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11They also are reckoned as giants like the Anakim; but the Moabites call them Emim.
11Ireo koa no natao ho Refaita tany aloha tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa nanao azy hoe Emima.
12And in Seir dwelt the Horites in times past; and the children of Esau dispossessed them, and destroyed them from before them, and dwelt in their stead; as Israel did to the land of their possession, which Jehovah gave to them.)
12Ary ny tany Seira dia nonenan'ny Horita, fa ny taranak'i Esao nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon'ny Isiraely tao amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy ho lovany.)
13Now rise up, and pass over the torrent Zered. And we passed over the torrent Zered.
13Ary miaingà ianareo ankehitriny, ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zareda isika.
14Now the days in which we came from Kadesh-barnea, until we had come over the torrent Zered, were thirty-eight years; until the whole generation of the men of war was consumed from the midst of the camp, as Jehovah had sworn unto them.
14Ary ny andro nandehanantsika hatrany Kadesi-barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zareda dia valo amby telo-polo taona, mandra-pahalany ritran'ny mpanafika rehetra tamin'izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby, araka izay efa nianianan'i Jehovah taminy.
15Moreover the hand of Jehovah was against them to destroy them from the midst of the camp, until they were consumed.
15Ary koa, ny tànan'i Jehovah dia namely azy handringanana azy mandra-pahalany ritrany ka tsy nisy intsony teo amin'ny toby.
16And it came to pass when all the men of war were consumed, having died off from among the people,
16Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
17that Jehovah spoke to me, saying,
17dia niteny tamiko Jehovah ka nanao hoe:
18Thou art to pass this day over the border of Moab, [which is] Ar,
18Ankehitriny efa hamaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19and come near over against the children of Ammon; thou shalt not distress them nor attack them; for I will not give thee of the land of the children of Ammon a possession; for unto the children of Lot have I given it as a possession.
19dia ho tonga ao akaikin'ny taranak'i Amona, nefa aza mandrafy azy, na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin'ny taranak'i Amona, satria nomeko ho lovan'ny taranak'i Lota izany.
20(That also is reckoned a land of giants: giants dwelt therein in time past, and the Ammonites call them Zamzummim;
20Izany koa no natao ho tanin'ny Refaita; fa ny Refaita no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
21a people great, and many, and tall as the Anakim; and Jehovah destroyed them before them, and they dispossessed them, and dwelt in their stead;
21Firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita ireny, nefa naringan'i Jehovah tsy ho eo anoloany izy, ka ny Amonita no nonina nisolo azy,
22as he did to the children of Esau, who dwelt in Seir, from before whom he destroyed the Horites; and they dispossessed them, and dwelt in their stead, even to this day.
22araka izay nataony koa ho an'ny taranak'i Esao, izay mitoetra any Seira, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy, ka dia nandroaka azy ireo ka nonina nisolo azy mandraka androany;
23And the Avvites who dwelt in the hamlets as far as Gazah -- the Caphtorim, who came out of Caphtor, destroyed them, and dwelt in their stead.)
23ary ny amin'ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora, izy; ary ireo no nonina nisolo azy).
24Rise up, take your journey, and pass over the river Arnon. Behold, I have given into thy hand Sihon the king of Heshbon, the Amorite, and his land: begin, take possession, and engage with him in battle.
24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan'i Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
25This day will I begin to put the dread of thee and the fear of thee upon the peoples under the whole heaven; who will hear report of thee, and will tremble, and quake because of thee.
25Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin'ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
26And I sent messengers out of the wilderness of Kedemoth unto Sihon the king of Heshbon with words of peace, saying,
26Dia naniraka olona avy tany an-efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, nitondra teny fihavanana hoe:
27Let me pass through thy land: by the highway alone will I go; I will neither turn to the right hand nor to the left.
27Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako, ka tsy hivily aho, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
28Thou shalt sell me food for money that I may eat; and thou shalt give me water for money that I may drink; I will only pass through on my feet,
28vola no hamidiko hanina aminao hohaniko, ary vola no hamidiko rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho
29-- as the children of Esau who dwell in Seir, and the Moabites who dwell in Ar, did to me, -- until I shall pass over the Jordan into the land which Jehovah our God giveth us.
29(araka izay nataon'ny taranak'i Esao, izay monina any Moabita, izay monina any Ara, tamiko) mandra-pitako an'i Jordana ho any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitray anay.
30But Sihon the king of Heshbon would not let us pass by him; for Jehovah thy God hardened his spirit, and made his heart obdurate, that he might give him into thy hand, as it is this day.
30Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, tsy nety namela antsika handeha hamaky ny taniny; fa Jehovah Andriamanitrao nanamafy ny fony sy nampahaditra ny fanahiny, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin'izao anio izao.
31And Jehovah said to me, Behold, I begin to give Sihon and his land before thee: begin, take possession, that thou mayest possess his land.
31Dia niteny tamiko hoe Jehovah: Indro, vao manomboka hanolotra an'i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32And Sihon came out against us for battle, he and all his people, to Jahaz.
32Dia nivoaka Sihona mbamin'ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33But Jehovah our God gave him up before us; and we smote him, and his sons, and his whole people.
33Dia nanolotra azy teo anoloantsika Jehovah Andriamanitsika, ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34And we took all his cities at that time, and utterly destroyed every city, men, and women, and little ones: we let none escape.
34Ary nahafaka ny tanànany rehetra tamin'izany andro izany isika ka nandringana ny mponina rehetra tamin'ny isan-tanàna mbamin'ny zaza amim-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35Only the cattle we took as booty for ourselves, and the spoil of the cities which we took.
35Ny biby fiompy sy ny fananany tao amin'ny tanàna izay afatsika ihany no nataontsika ho babo.
36From Aroer, which is on the bank of the river Arnon, and the city that is in the ravine even to Gilead, there was not one city too strong for us: Jehovah our God delivered all before us.
36Hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin'ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada, dia tsy nisy tanàna tsy afatsika; fa izy rehetra dia natolotr'i Jehovah Andriamanitsika teo anoloantsika.Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.
37Only thou didst not approach the land of the children of Ammon, the whole border of the river Jabbok, nor the cities of the mountain, nor to whatsoever Jehovah our God had forbidden us.
37Kanefa ny tanin'ny taranak'i Amona no tsy nakekenareo, dia ny tany amoron'ny lohasahan-driaka Jaboka, sy ny tanàna ao amin'ny tany havoana, ary izay rehetra nandraran'i Jehovah Andriamanitsika antsika.