1He that is a eunuch, whether he have been crushed or cut, shall not come into the congregation of Jehovah.
1Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy.
2A bastard shall not come into the congregation of Jehovah; even his tenth generation shall not come into the congregation of Jehovah.
2[Didy maro samy hafa] Tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
3An Ammonite or Moabite shall not come into the congregation of Jehovah; even their tenth generation shall not come into the congregation of Jehovah for ever;
3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
4because they met you not with bread and with water on the way, when ye came forth out of Egypt, and because they hired against thee Balaam the son of Beor, of Pethor of Mesopotamia, to curse thee.
4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny,
5But Jehovah thy God would not listen to Balaam; and Jehovah thy God turned the curse into blessing unto thee, because Jehovah thy God loved thee.
5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
6Thou shalt not seek their peace nor their prosperity all thy days for ever.
6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
7Thou shalt not abhor an Edomite; for he is thy brother. Thou shalt not abhor an Egyptian; because thou wast a sojourner in his land.
7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay.
8Children that are born to them shall come into the congregation of Jehovah in the third generation.
8Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny ianao.
9When thou goest forth into camp against thine enemies, then keep thee from every evil thing.
9Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
10If there be with thee a man that is not clean from what hath happened in the night, then shall he go outside the camp; he shall not come inside the camp;
10Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
11and it shall be, towards evening, he shall bathe in water: and at the going down of the sun he may come inside the camp.
11Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
12Thou shalt have a place also outside the camp, and shalt go forth thither.
12Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy.
13And thou shalt have a shovel amongst thy weapons, and it shall be, when thou sittest down abroad, thou shalt dig therewith, and shalt turn back and cover that which is come from thee.
13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;
14For Jehovah thy God walketh in the midst of thy camp, to deliver thee, and to give up thine enemies before thee; and thy camp shall be holy, that he see nothing unseemly with thee, and turn away from thee.
14ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
15Thou shalt not hand over to his master a bondman that hath escaped from his master unto thee:
15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
16he shall dwell with thee, even in thy midst, in the place that he shall choose in one of thy gates, where it seemeth good to him; thou shalt not oppress him.
16Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
17There shall be no prostitute amongst the daughters of Israel, nor any Sodomite amongst the sons of Israel.
17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
18Thou shalt not bring the hire of a harlot, or the price of a dog, into the house of Jehovah thy God for any vow; for even both these are an abomination to Jehovah thy God.
18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19Thou shalt take no interest of thy brother, interest of money, interest of victuals, interest of anything that can be lent upon interest:
19Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
20of a foreigner thou mayest take interest, but of thy brother thou shalt not take interest; that Jehovah thy God may bless thee in all the business of thy hand in the land whither thou goest to possess it.
20Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
21When thou vowest a vow to Jehovah thy God, thou shalt not delay to perform it; for Jehovah thy God will certainly require it of thee, and it shall be sin in thee.
21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
22But if thou forbear to vow, it shall be no sin in thee.
22Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
23What is gone out of thy lips thou shalt keep and do, as thou hast vowed to Jehovah thy God, the voluntary-offering that thou hast promised with thy mouth.
23Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
24When thou comest into thy neighbour's vineyard, thou mayest eat grapes thy fill, according to thy desire, but thou shalt not put any in thy vessel.
24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao.
25When thou comest into the standing corn of thy neighbour, thou mayest pluck ears with thy hand; but thou shalt not wave the sickle against thy neighbour's standing corn.
25Raha mankany amin'ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.
26Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.