Darby's Translation

Malagasy

Deuteronomy

31

1And Moses went and spoke these words to all Israel;
1[Anatra farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna] Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra
2and he said unto them, I am a hundred and twenty years old this day, I can no more go out and come in; and Jehovah hath said unto me, Thou shalt not go over this Jordan.
2ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
3Jehovah thy God, he will go over before thee, he will destroy these nations from before thee, that thou mayest take possession of them: Joshua, he shall go over before thee, as Jehovah hath said.
3Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah.
4And Jehovah will do to them as he did to Sihon and to Og, the kings of the Amorites, and to their land; whom he destroyed.
4Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny.
5And when Jehovah giveth them up before you, ye shall do to them according to all the commandment which I have commanded you.
5Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
6Be strong and courageous, fear them not, neither be afraid of them; for Jehovah thy God, he it is that goeth with thee; he will not leave thee, nor forsake thee.
6Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
7And Moses called to Joshua, and said to him in the sight of all Israel, Be strong and courageous, for thou must go with this people into the land which Jehovah hath sworn unto their fathers to give them; and thou shalt cause them to inherit it.
7Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
8And Jehovah, he it is that goeth before thee: he will be with thee; he will not leave thee, nor forsake thee; fear not, neither be dismayed.
8Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
9And Moses wrote this law, and delivered it to the priests, the sons of Levi, who bore the ark of the covenant of Jehovah, and to all the elders of Israel.
9Dia nosoratan'i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak'i Levy, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, sy ny loholon'ny Isiraely rehetra.
10And Moses commanded them, saying, At the end of every seven years, at the set time of the year of release, at the feast of tabernacles,
10Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin'ny taom-panafahana, amin'ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo,
11when all Israel cometh to appear before Jehovah thy God in the place which he will choose, thou shalt read this law before all Israel in their ears.
11ka avy hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao eo amin'ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan'ny Isiraely rehetra ny tenin'ity lalàna ity hihainoany azy.
12Gather the people together, the men, and the women, and the children, and thy stranger that is within thy gates, that they may hear, and that they may learn, and fear Jehovah your God, and take heed to do all the words of this law;
12Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
13and that their children who do not know it may hear it and learn, that they may fear Jehovah your God, as long as ye live in the land, whereunto ye pass over the Jordan to possess it.
13Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrareo amin'ny andro rehetra hiainanareo eo amin'ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo.
14And Jehovah said to Moses, Lo, the days are near for thee to die; call Joshua, and present yourselves at the tent of meeting, that I may give him a charge. And Moses and Joshua went and presented themselves at the tent of meeting.
14Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an'i Josoa, ary mitoera ao amin'ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin'ny trano-lay fihaonana.
15And Jehovah appeared at the tent in the pillar of cloud; and the pillar of cloud stood over the entrance to the tent.
15Ary Jehovah niseho teo amin'ny trano-lay tamin'ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay ny andri-rahona.
16And Jehovah said to Moses, Behold, thou shalt sleep with thy fathers; and this people will rise up, and go a whoring after the strange gods of the land into which they enter, and will forsake me, and break my covenant which I have made with them.
16Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin'ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin'ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
17And my anger shall be kindled against them in that day, and I will forsake them, and I will hide my face from them, and they shall be devoured, and many evils and troubles shall befall them, and they will say in that day, Have not these evils befallen me because my God is not in my midst?
17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin'izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin'izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran'Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
18And I will entirely hide my face in that day for all the evils that they have wrought, because they turned unto other gods.
18Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
19And now, write ye this song, and teach it to the children of Israel; put it in their mouths, that this song may be a witness for me against the children of Israel.
19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak'Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin'ny Zanak'Isiraely.
20For I shall bring them into the land which I swore unto their fathers, which floweth with milk and honey; and they will eat and fill themselves, and wax fat, and will turn unto other gods, and serve them, and despise me, and break my covenant.
20Fa rehefa entiko any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin'ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
21And it shall come to pass, when many evils and troubles have befallen them, that this song shall testify against them as a witness; for it shall not be forgotten out of the mouths of their seed; for I know their imagination which they are forming already this day, before I bring them into the land which I have sworn [unto them].
21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan'ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin'ny tany izay nianianako homena azy izy.
22And Moses wrote this song the same day, and taught it to the children of Israel.
22Dia nosoratan'i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak'Isiraely.
23And [Jehovah] commanded Joshua the son of Nun, and said, Be strong and courageous; for thou shalt bring the children of Israel into the land which I have sworn unto them; and I will be with thee.
23Ary Jehovah nandidy an'i Josoa, zanak'i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak'Isiraely hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
24And it came to pass, when Moses had ended writing the words of this law in a book, until their conclusion,
24Ary rehefa voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity,
25that Moses commanded the Levites, who bore the ark of the covenant of Jehovah, saying,
25dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, izy ka nanao hoe:
26Take this book of the law, and put it at the side of the ark of the covenant of Jehovah your God, that it may be there for a witness against thee;
26Raiso ity bokin'ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
27for I know thy rebellion, and thy stiff neck. Lo, while I am yet alive with you this day, ye have been rebellious against Jehovah; and how much more after my death!
27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin'i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
28Gather to me all the elders of your tribes, and your officers, that I may speak these words in their ears, and take heaven and earth to witness against them.
28Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
29For I know that after my death ye will utterly corrupt yourselves, and will turn aside from the way which I have commanded you; and mischief will befall you at the end of days; because ye do evil in the sight of Jehovah, to provoke him to anger through the work of your hands.
29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin'ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin'ny asan'ny tananareo.Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.
30And Moses spoke in the ears of the whole congregation of Israel the words of this song, until their conclusion.
30Dia nolazain'i Mosesy teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin'izao fihirana izao mandra-pahavitany.