Darby's Translation

Malagasy

Esther

6

1On that night sleep fled from the king. And he commanded to bring the book of records of the chronicles; and they were read before the king.
1[Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
2And it was found written, that Mordecai had told of Bigthana and Teresh, two of the king's chamberlains, keepers of the threshold, who had sought to lay hand on king Ahasuerus.
2Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
3And the king said, What honour and dignity has been done to Mordecai for this? And the king's servants that attended upon him said, Nothing has been done for him.
3Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
4And the king said, Who is in the court? Now Haman had come into the outward court of the king's house, to speak to the king to hang Mordecai on the gallows that he had prepared for him.
4Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5And the king's servants said to him, Behold, Haman is standing in the court. And the king said, Let him come in.
5Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6So Haman came in. And the king said to him, What is to be done with the man whom the king delights to honour? Now Haman thought in his heart, To whom would the king delight to do honour more than to me?
6Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7And Haman answered the king, For the man whom the king delights to honour,
7Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
8let the royal apparel be brought with which the king arrays himself, and the horse that the king rides upon, and on the head of which the royal crown is set;
8aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
9and let the apparel and horse be delivered into the hand of one of the king's most noble princes, and let them array the man whom the king delights to honour, and cause him to ride on the horse through the street of the city, and proclaim before him, Thus shall it be done to the man whom the king delights to honour!
9dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
10And the king said to Haman, Make haste, take the apparel and the horse, as thou hast said, and do so to Mordecai the Jew, who sits at the king's gate: let nothing fail of all that thou hast said.
10Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11And Haman took the apparel and the horse, and arrayed Mordecai, and caused him to ride through the street of the city, and proclaimed before him, Thus shall it be done to the man whom the king delights to honour!
11Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
12And Mordecai came again to the king's gate. But Haman hasted to his house, mourning and having his head covered.
12Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13And Haman recounted to Zeresh his wife and to all his friends all that had befallen him. Then said his wise men and Zeresh his wife to him, If Mordecai be of the seed of the Jews, before whom thou hast begun to fall, thou shalt not prevail against him, but wilt certainly fall before him.
13Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]
14While they were yet talking with him, the king's chamberlains came, and hasted to bring Haman to the banquet that Esther had prepared.
14Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]