Darby's Translation

Malagasy

Exodus

1

1And these are the names of the sons of Israel who had come into Egypt; with Jacob had they come, each with his household:
1[Ny nitomboan'ny Zanak'Isiraely, sy ny fahoriana nanjo azy tany Egypta] Ary izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:
2Reuben, Simeon, Levi, and Judah;
2Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;
3Issachar, Zebulun, and Benjamin;
3Isakara sy Zebolona ary Benjamina;
4Dan and Naphtali; Gad and Asher.
4Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.
5And all the souls that had come out of the loins of Jacob were seventy souls; and Joseph was in Egypt.
5Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.
6And Joseph died, and all his brethren, and all that generation.
6Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.
7And the children of Israel were fruitful, and swarmed and multiplied, and became exceeding strong; and the land was full of them.
7Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.
8And there arose a new king over Egypt, who did not know Joseph.
8Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.
9And he said to his people, Behold, the people of the children of Israel are more numerous and stronger than we.
9Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;
10Come on, let us deal wisely with them, lest they multiply, and it come to pass that, if war occur, they take side with our enemies and fight against us, and go up out of the land.
10andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahìny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.
11And they set over them service-masters to oppress them with their burdens. And they built store-cities for Pharaoh, Pithom and Rameses.
11Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.
12But the more they afflicted them, the more they multiplied and spread; and they were distressed because of the children of Israel.
12Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka nihamaroany sy nitomboany kosa; ka dia natahotra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.
13And the Egyptians made the children of Israel serve with harshness;
13Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatratra ny Zanak'Isiraely,
14and they embittered their life with hard labour in clay and bricks, and in all manner of labour in the field: all their labour with which they made them serve was with harshness.
14ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.
15And the king of Egypt spoke to the Hebrew midwives -- of whom the name of the one was Shiphrah, and the name of the other was Puah --
15Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny tamin'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)
16and he said, When ye help the Hebrew women in bearing, and see [them] on the stool, if it be a son, then ye shall kill him, but if a daughter, then she shall live.
16ka nanao hoe: Raha mampivelona ny vehivavy Hebreo ianareo, ka hitanareo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.
17But the midwives feared God, and did not as the king of Egypt had said to them, but saved the male children alive.
17Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.
18And the king of Egypt called the midwives and said to them, Why have ye done this, and saved the male children alive?
18Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka novelominareo ihany ny zazalahy?
19And the midwives said to Pharaoh, Because the Hebrew women are not as the Egyptian; for they are strong, and they have borne before the midwife comes to them.
19Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.
20And God dealt well with the midwives; and the people multiplied and became very strong.
20Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.
21And it came to pass, because the midwives feared God, that he made them houses.
21Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.
22Then Pharaoh charged all his people, saying, Every son that is born ye shall cast into the river, but every daughter ye shall save alive.
22Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.