1If a man steal an ox, or a sheep, and kill it, or sell it, he shall restore five oxen for the ox, and four sheep for the sheep.
1Raha azo manamitrano ny mpangalatra ka asiana ho faty, dia tsy hisy valin-drà amin'izany;
2If the thief be encountered breaking in, and be smitten so that he die, there shall be no blood-guiltiness for him.
2fa raha tratry ny masoandro miposaka kosa izy, dia hisy valin-drà ihany amin'izany; hanonitra tokoa izy; ary raha tsy manana na inona na inona, dia hamidy izy noho ny halatra nataony.
3If the sun be risen on him, there shall be blood-guiltiness for him; he should have made full restitution: if he had nothing, he would have been sold for his theft.
3Raha hita marina velona eo aminy ny halatra na omby, na boriky, na ondry, na osy, dia hanonitra roa heny izy.
4If the stolen thing be actually found alive in his hand, whether it be ox, or ass, or sheep, he shall restore double.
4Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.
5If a man shall cause a field or vineyard to be eaten, and put in his cattle, and pasture in another man's field, of the best of his own field, and of the best of his own vineyard shall he make [it] good.
5Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
6-- If fire break out, and seize the thorns, and the stacks of corn, or the standing corn, or the field be consumed, he that kindled the fire shall fully make it good.
6Raha misy olona mampitahiry vola na fanaka ny namany, ka angalarin'ny sasany ao amin'ny tranon'ilay olona izany, raha hita ny mpangalatra, dia hanonitra roa heny izy.
7-- If a man deliver unto his neighbour money or stuff to keep, and it be stolen out of the man's house; if the thief be found, let him restore double;
7Fa raha tsy hita kosa ny mpangalatra, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tompon'ny trano mba hizahana na naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany izy, na tsia.
8if the thief be not found, the master of the house shall be brought before the judges, [to see] if he has not put his hand unto his neighbour's goods.
8Ny amin'ny zavatra ifandirana rehetra, na omby, na boriky, na ondry, na osy, na fitafiana, na zavatra very, izay ataon'olona ho azy, dia ho entina eo anatrehan'Andriamanitra ny tenin'izy roa tonta, koa izay helohih'Andriamanitra dia hanonitra roa heny ho an'ny namany.
9As to all manner of fraud, -- as to ox, as to ass, as to sheep, as to clothing, as to everything lost, of which [a man] saith, It is this -- the cause of both parties shall come before the judges: he whom the judges shall condemn shall restore double to his neighbour.
9Raha misy olona mampitahiry ny namany boriky, na omby, na ondry, na osy, na biby fiompy hafa, ka maty izany, na maratra, na roahina ka tsy misy mahita,
10If a man deliver unto his neighbour an ass, or an ox, or a sheep, or any cattle, to keep, and it die, or be hurt, or driven away, and no man see [it],
10dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
11an oath of Jehovah shall be between them both, that he hath not put his hand unto his neighbour's goods; and the owner of it shall accept it, and he shall not make [it] good.
11Fa raha nangalarina tany aminy tokoa izany, dia hanonitra ho an'ny tompon-javatra izy.
12But if it have been stolen from him, he shall make [it] good unto its owner.
12Raha voaviraviram-biby izany, dia hitondra azy ho vavolombelona izy; tsy hanonitra izay voaviravira izy.
13If it have been torn in pieces, let him bring it [as] witness: he shall not make good what was torn.
13Ary raha misy olona mindran-javatra amin'ny namany, ka simba na maty izany, nefa tsy mba teo aminy ny tompon-javatra, dia hanonitra tokoa izy.
14-- And if a man borrow anything of his neighbour, and it be hurt, or die, its owner not being with it, he shall fully make it good;
14Fa raha teo aminy ihany ny tompon-javatra, dia tsy hanonitra izy; ary raha zavatra ahofa kosa, dia vitan'ny hofany izany.
15if the owner thereof be with it, he shall not make [it] good; if it be a hired [thing], it came for its hire.
15Ary raha misy olona mitaona zazavavy, izay tsy voafofo, ka mandry aminy, dia hanome harena azy izy mba ho vadiny.
16And if a man seduce a virgin that is not betrothed, and lie with her, he shall certainly endow her, to be his wife.
16Fa raha mandà tokoa ny rainy ka tsy manome azy ho vadiny, dia handoa vola ralehilahy araka ny harena fanome zazavavy hampakarina.
17If her father utterly refuse to give her unto him, he shall weigh money according to the dowry of virgins.
17Aza velomina ny vehivavy manana ody.
18-- Thou shalt not suffer a witch to live.
18Izay rehetra mandry amin'ny biby dia hatao maty tokoa.
19-- Every one that lieth with a beast shall certainly be put to death.
19Izay mamono zavatra hatao fanatitra amin'ny andriamanitra hafa, afa-tsy amin'i Jehovah ihany, dia ho voaozona.
20-- He that sacrificeth to [any] god, save to Jehovah only, shall be devoted to destruction.
20Ary aza manao izay sarotra amin'ny vahiny, na mampahory azy; fa ela mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo.
21Thou shalt neither vex a stranger, nor oppress him; for ye have been strangers in the land of Egypt.
21Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo.
22Ye shall not afflict any widow or fatherless child.
22Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
23If thou afflict him in any way, if he cry at all unto me, I will certainly hear his cry;
23ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
24and my anger shall burn, and I will slay you with the sword; and your wives shall be widows, and your children fatherless.
24Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao.
25-- If thou lend money to my people, the poor with thee, thou shalt not be to him as a usurer: ye shall charge him no interest.
25Raha maka ny lamban'ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
26-- If thou at all take thy neighbour's garment in pledge, thou shalt return it to him before the sun goes down;
26Fa izany ihany no firakofany sady fitafiany amin'ny hodiny, ka inona no ho entiny mandry? ary raha mitaraina amiko izy, dia hohenoiko, fa mamindra fo Aho.
27for that is his only covering, his garment for his skin: on what shall he lie down? And it shall come to pass, when he crieth unto me, that I will hear; for I am gracious.
27Aza miteny ratsy an'Andriamanitra ianao, na manozona ny mpanapaka ny firenenao.
28Thou shalt not revile the judges, nor curse a prince amongst thy people.
28Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.
29-- Thou shalt not delay the fulness of thy [threshing-floor] and the outflow of thy [winepress]. The firstborn of thy sons shalt thou give unto me.
29Izao no hataonao amin'ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; hafitoana no hitoerany ao amin'ny reniny; ary amin'ny andro fahavalo no hanateranao azy ho Ahy.Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
30Likewise shalt thou do with thy calf, with thy sheep: seven days shall it be with its dam; on the eighth day thou shalt give it me.
30Ary ho olona masina ho Ahy ianareo, koa izay hena voaviraviram-biby any an-tsaha dia tsy hohaninareo; fa harianareo ho an'ny amboa izany.
31-- And ye shall be holy men unto me; and ye shall not eat flesh torn in the field: ye shall cast it to the dog.