1And Moses answered and said, But behold, they will not believe me, nor hearken unto my voice; for they will say, Jehovah has not appeared to thee.
1Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
2And Jehovah said to him, What is that in thy hand? And he said, A staff.
2Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3And he said, Cast it on the ground. And he cast it on the ground, and it became a serpent; and Moses fled from before it.
3Ary hoy Izy: Atsipazo amin'ny tany iny. Dia natsipiny tamin'ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
4And Jehovah said to Moses, Stretch out thy hand and take it by the tail -- and he stretched out his hand and caught it, and it became a staff in his hand --
4Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin'ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
5that they may believe that Jehovah, the God of their fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath appeared unto thee.
5mba hinoan'ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
6And Jehovah said moreover to him, Put now thy hand into thy bosom. And he put his hand into his bosom, and took it out, and behold, his hand was leprous, as snow.
6Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
7And he said, Put thy hand into thy bosom again. And he put his hand into his bosom again, and took it out of his bosom, and behold, it was turned again as his flesh.
7Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin'ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
8And it shall come to pass, if they will not believe thee, neither hearken to the voice of the first sign, that they will believe the voice of the other sign.
8Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon'ny famantarana voalohany, dia hino ny feon'ny famantarana aoriana izy.
9And it shall come to pass, if they will not believe also those two signs, neither hearken unto thy voice, that thou shalt take of the water of the river, and pour [it] on the dry [land]; and the water that thou takest out of the river shall become blood upon the dry [land].
9Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin'ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin'ny tany maina.
10And Moses said to Jehovah, Ah Lord! I am not eloquent, neither heretofore nor since thou hast spoken to thy servant, for I am slow of speech and of a slow tongue.
10Ary hoy Mosesy tamin'i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin'izao itenenanao amin'ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
11And Jehovah said to him, Who gave man a mouth? or who maketh dumb, or deaf, or seeing, or blind? [have] not I, Jehovah?
11Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan'ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12And now go, and I will be with thy mouth, and will teach thee what thou shalt say.
12Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13And he said, Ah Lord! send, I pray thee, by the hand [of him whom] thou wilt send.
13Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14Then the anger of Jehovah was kindled against Moses, and he said, Is not Aaron the Levite thy brother? I know that he can speak well. And also behold, he goeth out to meet thee; and when he seeth thee he will be glad in his heart.
14Dia nirehitra tamin'i Mosesy ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15And thou shalt speak unto him, and put the words in his mouth; and I will be with thy mouth, and with his mouth, and will teach you what ye shall do.
15Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16And he shall speak for thee unto the people; and it shall come to pass that he shall be to thee for a mouth, and thou shalt be to him for God.
16Ary izy hiteny amin'ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon'Andriamanitra aminy.
17And thou shalt take this staff in thy hand, with which thou shalt do the signs.
17Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18And Moses went and returned to Jethro his father-in-law, and said to him, Let me go, I pray thee, and return to my brethren who are in Egypt, that I may see whether they are yet alive. And Jethro said to Moses, Go in peace.
18Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin'i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin'ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin'i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19And Jehovah said to Moses in Midian, Go, return to Egypt; for all the men are dead who sought thy life.
19Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
20And Moses took his wife and his sons, and set them riding upon an ass, and he returned to the land of Egypt. And Moses took the staff of God in his hand.
20Dia nalain'i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin'ny tany Egypta izy; ary nentin'i Mosesy teny an-tànany ilay tehin'Andriamanitra.
21And Jehovah said to Moses, When thou goest to return to Egypt, see that thou do all the wonders before Pharaoh that I have put in thy hand. And I will harden his heart, that he shall not let the people go.
21Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan'i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
22And thou shalt say to Pharaoh, Thus saith Jehovah: Israel is my son, my firstborn.
22Ary lazao amin'i Farao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23And I say to thee, Let my son go, that he may serve me. And if thou refuse to let him go, behold, I will kill thy son, thy firstborn.
23koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
24And it came to pass on the way, in the inn, that Jehovah came upon him, and sought to slay him.
24Ary nony tany an-dalana tao amin'ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
25Then Zipporah took a stone and cut off the foreskin of her son, and cast it at his feet, and said, A bloody husband indeed art thou to me!
25Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan'ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin'ny fandatsahan-drà ianao.
26And he let him go. Then she said, A bloody husband -- because of the circumcision.
26Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin'ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
27And Jehovah said to Aaron, Go into the wilderness to meet Moses. And he went, and met him on the mountain of God, and kissed him.
27Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Mandehana hitsena an'i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin'ny tendrombohitr'Andriamanitra, dia nanoroka azy.
28And Moses told Aaron all the words of Jehovah who had sent him, and all the signs that he had commanded him.
28Ary nambaran'i Mosesy tamin'i Arona izay teny rehetra efa nanirahan'i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
29And Moses and Aaron went and gathered all the elders of the children of Israel;
29Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon'ny Zanak'Isiraely rehetra.
30and Aaron spoke all the words that Jehovah had spoken to Moses, and did the signs before the eyes of the people.
30Dia nolazain'i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, sady nataony teo imason'ny olona ny famantarana.Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.
31And the people believed. And when they heard that Jehovah had visited the children of Israel, and that he had seen their affliction, then they bowed their heads and worshipped.
31Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak'Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.