1And thou, son of man, prophesy against Gog, and say, Thus saith the Lord Jehovah: Behold, I am against thee, O Gog, prince of Rosh, Meshech, and Tubal;
1Ary ianao, ry zanak'olona, dia maminania ny hamelezana an'i Goga, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
2and I will turn thee back, and lead thee, and will cause thee to come up from the uttermost north, and will bring thee upon the mountains of Israel.
2Hitarika sy hitondra anao hiakatra avy any amin'ny farany avaratra Aho, dia ho entiko ho any an-tendrombohitry ny Isiraely ianao.
3And I will smite thy bow out of thy left hand, and will cause thine arrows to fall out of thy right hand.
3Ary hasiako ny tsipìkanao hiala eny an-tananao ankavia, ary halatsako hiala eny an-tananao an-kavanana ny zana-tsipìkanao.
4Thou shalt fall upon the mountains of Israel, thou, and all thy bands, and the peoples that are with thee: I have given thee to be meat for the birds of prey of every wing, and to the beasts of the field.
4Any an-tendrombohitry ny Isiraely no hiampatramparanao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena izay miaraka aminao; homeko hohanin'ny vorona mpihaza samy hafa karazana rehetra sy ny bibi-dia ianao.
5Thou shalt fall on the open field; for I have spoken [it], saith the Lord Jehovah.
5Eny an-tsaha no hiamparanao; fa Izaho no efa niteny, hoy Jehovah Tompo.
6And I will send a fire on Magog, and among them that dwell at ease in the isles: and they shall know that I [am] Jehovah.
6Ary haterako afo Magoga sy izay mipetraka tsy manana ahiahy any amoron-tsiraka; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
7And my holy name will I make known in the midst of my people Israel; and I will not suffer my holy name to be profaned any more: and the nations shall know that I [am] Jehovah, the Holy One in Israel.
7Ary ny anarako masina dia hataoko fantatra ao amin'ny Isiraely oloko; ary tsy havelako holotoina intsony ny anarako masina; ka dia ho fantatry ny firenena fa Izaho no Jehovah, Izay masina ao amin'ny Isiraely.
8Behold, it cometh, and shall be done, saith the Lord Jehovah. This is the day whereof I have spoken.
8Indro, tonga izany ka tanteraka, hoy Jehovah Tompo. Izany no andro izay nolazaiko.
9And they that dwell in the cities of Israel shall go forth, and shall kindle fire, and burn weapons, and shields, and targets, bows, and arrows, and hand-staves, and spears: and they shall make fires with them seven years.
9Ary hivoaka ny mponina ao amin'ny tanànan'ny Isiraely ka handrehitra sy hitaina ny fiadiana, dia ny ampinga lehibe, ny tsipìka sy ny zana-tsipìka, ny langilangy sy ny lefona, ary hitaina izany mandritra ny fito taona izy;
10And no wood shall be taken out of the field, neither cut down out of the forests; for they shall make fire with the weapons; and they shall spoil those that spoiled them, and plunder those that plundered them, saith the Lord Jehovah.
10fa tsy haka kitay hazo any an-tsaha na hanapaka hazo any an'ala izy, fa hitaina ny fiadiana ka hamabo izay efa namabo azy sy handroba izay efa nandroba azy, hoy Jehovah Tompo.
11And it shall come to pass in that day, [that] I will give unto Gog a place there for burial in Israel, the valley of the passers-by to the east of the sea; and it shall stop [the way] of the passers-by; and there shall they bury Gog and all the multitude; and they shall call it, Valley of Hamon-Gog.
11Ary amin'izany andro izany dia homeko tany eo amin'ny Isiraely Goga hasiana fasana, dia ny lohasahan'ny mpandalo manolotra ny ranomasina, ka hisakana ny mpandalo izany; ary any no handevenany an'i Goga sy ny olony maro be rehetra; ary ny anarany hataony hoe Lohasahan'ireo olona maroben'i Goga.[Na: hampitampina orona]
12And seven months shall the house of Israel be burying them, that they may cleanse the land;
12Ary fito volana mipaka no handevenan'ny taranak'Isirady azy, hanadiovany ny tany.
13and all the people of the land shall bury [them]; and it shall be to them for renown in the day that I shall be glorified, saith the Lord Jehovah.
13Eny, ny tompon-tany rehetra no handevina azy; ary ho laza ho azy izany amin'ny andro hampisehoako ny voninahitro, hoy Jehovah Tompo.
14And they shall sever out men of continual employment to go through the land, who, with the passers-by, shall bury those that remain upon the face of the land, to cleanse it: at the end of seven months shall they make a search.
14Ary izy hanavaka sy hanendry olona ho mpitety ny tany sy izay hiaraka amin'ny mpitety koa handevina ny mbola sisa eny ambonin'ny tany, hanadiovana azy; rehefa afaka fito volana, dia vao hikatsaka izy;
15And the passers-by shall pass through the land, and when [any] seeth a man's bone, he shall set up a sign by it, till the buriers have buried it in the Valley of Hamon-Gog.
15ary raha mandeha mitety ny tany ireo mpitety ka mahita taolan'olona, dia hanorina marika eo anilany izy, mandra-pandevin'ny mpandevina azy ao amin'ny Lohasahan'ireo maro ben'i Goga.
16And also the name of the city shall be Hamonah. Thus shall they cleanse the land.
16Ary hisy tanàna koa hatao hoe Hamona. Toy izany no hanadiovany ny tany.[Hamona = Olona maro be]
17And thou, son of man, thus saith the Lord Jehovah: Speak unto the birds of every wing, and to every beast of the field, Gather yourselves together and come, assemble yourselves on every side to my sacrifice which I sacrifice for you, a great sacrifice upon the mountains of Israel, that ye may eat flesh, and drink blood.
17Ary ianao, ry zanak'olona, dia izao na lazain'i Jehovah Tompo: Ataovy amin'ny voro-manidina rehetra sy ny bibi-dia rehetra hoe: Mivoria ianareo, ka mankanesa atỳ; miangòna ianareo avy amin'ny manodidina ho amin'ny fanatitro izay vonoiko ho anareo, dia fanatitra lehibe eny an-tendrombohitry ny Isiraely, hihinananareo nofo sy hisotroanareo rà.
18Ye shall eat the flesh of the mighty, and drink the blood of the princes of the earth, of rams, of lambs, and of goats, [and] of bullocks, all of them fatted beasts of Bashan.
18Ny nofon'ny lehilahy mahery no hohaninareo, ary ny ran'ireo mpanjakan'ny tany no hosotroinareo, dia ondrilahy sy zanak'ondry sy osilahy ary vantotr'ombilahy, samy mifahy avy any Basana izy rehetra.
19And ye shall eat fat till ye are full, and drink blood till ye are drunken, of my sacrifice which I sacrifice for you.
19Dia hihinana matavy ianareo mandra-pahavokinareo ary hisotro rà mandra-pahaleonareo avy amin'ny fanatitro izay novonoiko ho anareo.
20And ye shall be filled at my table with horses and charioteers, with mighty men, and with all men of war, saith the Lord Jehovah.
20Ary ho voky soavaly sy ny mpitaingina azy ary lehilahy mahery mbamin'ny miaramila rehetra eo amin'ny latabatro ianareo, hoy Jehovah Tompo.
21And I will set my glory among the nations, and all the nations shall see my judgment which I have executed, and my hand which I have laid upon them.
21Ary hasehoko any amin'ny jentilisa ny voninahitro, ka ho hitan'ny firenena rehetra ny fitsarana hataoko sy ny tanako izay hahinjitro aminy.
22And the house of Israel shall know that I [am] Jehovah their God from that day and forward.
22Ary ho fantatry ny taranak'Isiraely fa Izaho no Jehovah Andriamaniny hatry ny androtr'iny ka hatramin'ny ho avy rehetra.
23And the nations shall know that the house of Israel went into captivity for their iniquity, because they were unfaithful against me; and I hid my face from them, and gave them into the hand of their enemies, so that they fell all of them by the sword.
23Ary ho fantatry ny jentilisa fa ny heloky ny taranak'Isiraely no nahababo azy; fa satria nivadika tamiko izy, dia izany no nanafenako ny tavako taminy sy nanolorako azy ho eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia lavon-tsabatra izy rehetra.
24According to their uncleanness and according to their transgressions I did unto them, and I hid my face from them.
24Araka ny fahalotoany sy ny fahadisoany no navaliko azy sy nanafenako ny tavako taminy.
25Therefore, thus saith the Lord Jehovah: Now will I bring again the captivity of Jacob, and have mercy upon the whole house of Israel, and will be jealous for my holy name:
25Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ankehitriny dia hampodiko avy amin'ny fahababoany Jakoba, ary hamindrako fo ny taranak'Isiraely rehetra; ary hiseho ho saro-piaro noho ny amin'ny anarako masina Aho.
26and they shall bear their confusion, and all their unfaithfulness in which they have acted unfaithfully against me, when they shall dwell safely in their land, and none shall make them afraid;
26Dia mba hahatsiaro ny fahamenarany sy ny fahadisoany rehetra izay nandisoany tamiko izy, rehefa mandry fahizay ao amin'ny taniny, ka tsy misy manaitaitra azy,[Heb. hitondra]
27when I have brought them again from the peoples, and gathered them out of their enemies' lands, and am hallowed in them in the sight of many nations.
27rehefa ampodiko avy any amin'ny firenena izy ary angoniko avy any amin'ny tanin'ny fahavalony; ary hiseho ho masina eo imason'ny jentilisa Aho amin'ny ataoko amin'ireny;
28And they shall know that I [am] Jehovah their God, in that I caused them to be led into captivity among the nations, and have gathered them unto their own land, and have left none of them any more there.
28dia ho fantany fa Izaho Jehovah no Andriamaniny amin'ny ampandehanako azy ho babo any amin'ny firenena sy amin'ny anangonako azy ho any amin'ny taniny, ka tsy hisy hafoiko any izy na dia iray akory aza.Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.
29And I will not hide my face any more from them, for I shall have poured out my Spirit upon the house of Israel, saith the Lord Jehovah.
29Ary tsy hafeniko aminy intsony ny tavako; fa haidiko ao amin'ny taranak'Isiraely ny Fanahiko, hoy Jehovah Tompo.