1And Abraham departed thence towards the south country, and dwelt between Kadesh and Shur, and sojourned at Gerar.
1[Ny nivahinian'i Abrahama tao Gerara] Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2And Abraham said of Sarah his wife, She is my sister. And Abimelech the king of Gerar sent and took Sarah.
2Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
3But God came to Abimelech in a dream by night, and said to him, Behold, thou art [but] a dead man, because of the woman that thou hast taken; for she is a man's wife.
3Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
4But Abimelech had not come near her. And he said, Lord, wilt thou also kill a righteous nation?
4Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
5Did he not say to me, She is my sister? and she, even she said, He is my brother. In the integrity of my heart and in the innocency of my hands have I done this.
5Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tanako no nanaovako izany.
6And God said to him in a dream, I also knew that thou didst this in the integrity of thy heart, and I, too, have withheld thee from sinning against me: therefore have I not suffered thee to touch her.
6Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7And now, restore the man's wife; for he is a prophet, and will pray for thee, that thou mayest live. And if thou do not restore [her], know that thou shalt certainly die, thou and all that is thine.
7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
8And Abimelech rose early in the morning, and called all his servants, and spoke all these words in their ears; and the men were greatly afraid.
8Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9And Abimelech called Abraham and said to him, What hast thou done to us? And in what have I sinned against thee, that thou hast brought on me, and on my kingdom, a great sin? Thou hast done to me deeds that ought not to be done.
9Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10And Abimelech said to Abraham, What hast thou seen that thou hast done this?
10Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
11And Abraham said, Because I said, Surely the fear of God is not in this place, and they will kill me for my wife's sake.
11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
12But she is also truly my sister, the daughter of my father, but not the daughter of my mother; and she became my wife.
12Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
13And it came to pass when God caused me to wander from my father's house, that I said to her, Let this be thy kindness which thou shalt shew to me: at every place whither we shall come, say of me, He is my brother.
13Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
14And Abimelech took sheep and oxen, and bondmen and bondwomen, and gave [them] to Abraham, and restored him Sarah his wife.
14Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15And Abimelech said, Behold, my land is before thee: dwell where it is good in thine eyes.
15Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
16And to Sarah he said, Behold, I have given thy brother a thousand [pieces] of silver; behold, let that be to thee a covering of the eyes, in respect of all that are with thee, and with all; and she was reproved.
16Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany.
17And Abraham prayed to God, and God healed Abimelech, and his wife and his handmaids, and they bore [children].
17Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
18For Jehovah had fast closed up all the wombs of the house of Abimelech because of Sarah Abraham's wife.
18Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.