1And it came to pass after these things, that God tried Abraham, and said to him, Abraham! and he said, Here am I.
1[Ny nizahan'Andriamanitra toetra an'i Abrahama] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2And he said, Take now thy son, thine only [son], whom thou lovest, Isaac, and get thee into the land of Moriah, and there offer him up for a burnt-offering on one of the mountains which I will tell thee of.
2Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3And Abraham rose early in the morning, and saddled his ass, and took two of his young men with him, and Isaac his son; and he clave the wood for the burnt-offering, and rose up and went to the place that God had told him of.
3Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy,
4On the third day Abraham lifted up his eyes and saw the place from afar.
4Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5And Abraham said to his young men, Abide ye here with the ass; and I and the lad will go yonder and worship, and come again to you.
5Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6And Abraham took the wood of the burnt-offering, and laid it on Isaac his son; and he took the fire in his hand, and the knife, and they went both of them together.
6Dia nalain'i Abrahama ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7And Isaac spoke to Abraham his father, and said, My father! And he said, Here am I, my son. And he said, Behold the fire and the wood; but where is the sheep for a burnt-offering?
7Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
8And Abraham said, My son, God will provide himself with the sheep for a burnt-offering. And they went both of them together.
8Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9And they came to the place of which God had told him. And Abraham built the altar there, and piled the wood; and he bound Isaac his son, and laid him on the altar upon the wood.
9Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay.
10And Abraham stretched out his hand, and took the knife to slaughter his son.
10Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11And the Angel of Jehovah called to him from the heavens, and said, Abraham, Abraham! And he said, Here am I.
11Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12And he said, Stretch not out thy hand against the lad, neither do anything to him; for now I know that thou fearest God, and hast not withheld thy son, thine only [son], from me.
12Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13And Abraham lifted up his eyes, and looked, and behold, behind was a ram caught in the thicket by its horns; and Abraham went and took the ram, and offered it up for a burnt-offering instead of his son.
13Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany.
14And Abraham called the name of that place Jehovah-jireh; as it is said at the present day, On the mount of Jehovah will be provided.
14Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah.
15And the Angel of Jehovah called to Abraham from the heavens a second time,
15Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah
16and said, By myself I swear, saith Jehovah, that, because thou hast done this, and hast not withheld thy son, thine only [son],
16ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17I will richly bless thee, and greatly multiply thy seed, as the stars of heaven, and as the sand that is on the sea-shore; and thy seed shall possess the gate of his enemies;
17dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony;
18and in thy seed shall all the nations of the earth bless themselves, because thou hast hearkened to my voice.
18ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
19And Abraham returned to his young men, and they rose up and went together to Beer-sheba. And Abraham dwelt at Beer-sheba.
19Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
20And it came to pass after these things, that it was told Abraham, saying, Behold, Milcah, she also has borne sons to thy brother Nahor:
20[Ny taranak'i Nahora] Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao,
21Uz his first-born, and Buz his brother, and Kemuel the father of Aram,
21dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama,
22and Chesed, and Hazo, and Pildash, and Jidlaph, and Bethuel.
22ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23(And Bethuel begot Rebecca.) These eight Milcah bore to Nahor, Abraham's brother.
23Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama.Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
24And his concubine, named Reumah, she also bore Tebah, and Gaham, and Thahash, and Maacah.
24Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.