1And Abraham was old, [and] advanced in age; and Jehovah had blessed Abraham in all things.
1[Ny nampakan'i Abrahama vady ho an'Isaka avy tany amin'ny tanin'ny havany] Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra.
2And Abraham said to his servant, the eldest of his house, who ruled over all that he had, Put thy hand, I pray thee, under my thigh,
2Ary hoy Abrahama tamin'ilay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tananao;
3and I will make thee swear by Jehovah, the God of the heavens and the God of the earth, that thou take not a wife for my son of the daughters of the Canaanites, among whom I am dwelling;
3fa hampianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina ianao;
4but thou shalt go to my land and to my kindred, and take a wife for my son Isaac.
4fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako.
5And the servant said to him, Perhaps the woman will not be willing to follow me to this land: must I, then, bring thy son again in any case to the land from which thou hast removed?
5Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho?
6And Abraham said to him, Beware that thou bring not my son thither again.
6Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
7Jehovah the God of the heavens, who took me out of my father's house, and out of the land of my nativity, and who has spoken to me, and who has sworn to me, saying, Unto thy seed will I give this land -- he will send his angel before thee, that thou mayest take a wife for my son thence.
7Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako.
8And if the woman be not willing to follow thee, then thou shalt be quit of this my oath: only, bring not my son thither again.
8Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
9And the servant put his hand under the thigh of Abraham his master, and swore unto him concerning that matter.
9Ary nataon'ilay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin'izany zavatra izany izy.
10And the servant took ten camels of the camels of his master, and departed; now all the treasure of his master was under his hand; and he arose and went to Aram-naharaim, to the city of Nahor.
10Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora.
11And he made the camels kneel down outside the city by a well of water, at the time of the evening, when the women came out to draw [water].
11Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny
12And he said, Jehovah, God of my master Abraham, meet me, I pray thee, [with thy blessing] this day, and deal kindly with my master Abraham.
12Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
13Behold, I stand [here] by the well of water, and the daughters of the men of the city come out to draw water.
13Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14And let it come to pass, [that] the maiden to whom I shall say, Let down thy pitcher, I pray thee, that I may drink, and who will say, Drink, and I will give thy camels drink also, be she whom thou hast appointed for thy servant Isaac; and hereby I shall know that thou hast dealt kindly with my master.
14koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
15And it came to pass before he had ended speaking, that behold, Rebecca came out, who was born to Bethuel, son of Milcah the wife of Nahor, Abraham's brother; and [she had] her pitcher upon her shoulder.
15Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
16And the maiden was very fair in countenance; a virgin, and no man had known her. And she went down to the well, and filled her pitcher, and came up.
16Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17And the servant ran to meet her, and said, Let me, I pray thee, sip a little water out of thy pitcher.
17Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho.
18And she said, Drink, my lord! And she hasted and let down her pitcher on her hand, and gave him to drink.
18Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
19And when she had given him enough to drink, she said, I will draw [water] for thy camels also, until they have drunk enough.
19Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20And she hasted and emptied her pitcher into the trough, and ran again to the well to draw [water]; and she drew for all his camels.
20Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy.
21And the man was astonished at her, remaining silent, to know whether Jehovah had made his journey prosperous or not.
21Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia.
22And it came to pass when the camels had drunk enough, that the man took a gold ring, of half a shekel weight, and two bracelets for her hands, ten [shekels] weight of gold,
22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany;
23and said, Whose daughter art thou? tell me, I pray thee. Is there room [in] thy father's house for us to lodge?
23ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao?
24And she said to him, I am the daughter of Bethuel the son of Milcah, whom she bore to Nahor.
24Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoela, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho.
25And she said to him, There is straw, and also much provender with us; also room to lodge.
25Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
26And the man stooped, and bowed down before Jehovah,
26Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah,
27and said, Blessed be Jehovah, God of my master Abraham, who has not withdrawn his loving-kindness and his faithfulness from my master; I being in the way, Jehovah has led me to the house of my master's brethren.
27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon'ny havan'ny tompoko.
28And the maiden ran and told these things to her mother's house.
28Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny.
29And Rebecca had a brother, named Laban; and Laban ran out to the man, to the well.
29Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
30And it came to pass when he saw the ring and the bracelets on his sister's hand, and when he heard the words of Rebecca his sister, saying, Thus spoke the man to me -- that he came to the man, and behold, he was standing by the camels, by the well.
30Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
31And he said, Come in, blessed of Jehovah! why standest thou outside? for I have prepared the house, and room for the camels.
31Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva.
32And the man came into the house; and he ungirded the camels, and gave the camels straw and provender, and water to wash his feet, and the feet of the men who were with him.
32Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
33And there was set [meat] before him to eat; but he said, I will not eat until I have made known my business. And he said, Speak on.
33Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
34And he said, I am Abraham's servant.
34Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abrahama aho.
35And Jehovah has blessed my master greatly, and he is become great; and he has given him sheep and cattle, and silver and gold, and bondmen and bondwomen, and camels and asses.
35Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman'osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
36And Sarah, my master's wife, bore a son to my master after she had grown old; and unto him has he given all that he has.
36Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany.
37And my master made me swear, saying, Thou shalt not take a wife for my son of the daughters of the Canaanite, in whose land I am dwelling;
37Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina;
38but thou shalt by all means go to my father's house and to my family, and take a wife for my son.
38fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako.
39And I said to my master, Perhaps the woman will not follow me?
39Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40And he said to me, Jehovah, before whom I have walked, will send his angel with thee, and prosper thy way, that thou mayest take a wife for my son of my family, and out of my father's house.
40Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky.
41Then shalt thou be quit of my oath, when thou shalt have come to my family. And if they give thee not [one], thou shalt be quit of my oath.
41Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa ianao.
42And I came this day to the well, and said, Jehovah, God of my master Abraham, if now thou wilt prosper my way on which I go,
42Ary tonga androany teo amin'ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
43behold, I stand by the well of water, and let it come to pass that the damsel who cometh forth to draw [water], and to whom I shall say, Give me, I pray thee, a little water out of thy pitcher to drink,
43indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe : Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho,
44and she shall say to me, Both drink thou, and I will also draw for thy camels -- that she should be the woman whom Jehovah hath appointed for my master's son.
44ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko.
45Before I ended speaking in my heart, behold, Rebecca came forth with her pitcher on her shoulder, and went down to the well, and drew [water]; and I said to her, Give me, I pray thee, to drink.
45Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
46And she hasted and let down her pitcher from her [shoulder], and said, Drink, and I will give thy camels drink also. And I drank; and she gave the camels drink also.
46Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
47And I asked her, and said, Whose daughter art thou? And she said, The daughter of Bethuel, Nahor's son, whom Milcah bore to him. And I put the ring on her nose, and the bracelets on her hands.
47Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany.
48And I stooped, and bowed down before Jehovah; and I blessed Jehovah, God of my master Abraham, who has led me the right way to take my master's brother's daughter for his son.
48Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany
49And now, if ye will deal kindly and truly with my master, tell me; and if not, tell me; and I will turn to the right hand or to the left.
49Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.
50And Laban and Bethuel answered and said, The thing proceeds from Jehovah: we cannot speak to thee bad or good.
50Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
51Behold, Rebecca is before thee: take [her], and go away; and let her be wife of thy master's son, as Jehovah has said.
51Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah.
52And it came to pass, when Abraham's servant heard their words, that he bowed down to the earth before Jehovah.
52Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy.
53And the servant brought forth silver articles, and gold articles, and clothing, and he gave [them] to Rebecca; and he gave to her brother, and to her mother, precious things.
53Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
54And they ate and drank, he and the men that were with him, and lodged. And they rose up in the morning; and he said, Send me away to my master.
54Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko.
55And her brother and her mother said, Let the maiden abide with us [some] days, or [say] ten; after that she shall go.
55Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
56And he said to them, Do not hinder me, seeing Jehovah has prospered my way: send me away, and I will go to my master.
56Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.
57And they said, Let us call the maiden and inquire at her mouth.
57Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
58And they called Rebecca and said to her, Wilt thou go with this man? And she said, I will go.
58Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59And they sent away Rebecca their sister, and her nurse, and Abraham's servant, and his men.
59Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abrahama mbamin'ny olony izy.
60And they blessed Rebecca, and said to her, Thou art our sister; mayest thou become thousands of tens of thousands; and may thy seed possess the gate of their enemies!
60Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy.
61And Rebecca arose, and her maids, and they rode upon the camels, and followed the man. And the servant took Rebecca, and went away.
61Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
62And Isaac had just returned from Beer-lahai-roi; for he was dwelling in the south country.
62Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy.
63And Isaac had gone out to meditate in the fields toward the beginning of evening. And he lifted up his eyes and saw, and behold, camels were coming.
63Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
64And Rebecca lifted up her eyes and saw Isaac, and she sprang off the camel.
64Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy.
65And she had said to the servant, Who is the man that is walking in the fields to meet us? And the servant said, That is my master! Then she took the veil, and covered herself.
65Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo : Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66And the servant told Isaac all things that he had done.
66Ary dia nambaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.
67And Isaac led her into his mother Sarah's tent; and he took Rebecca, and she became his wife, and he loved her. And Isaac was comforted after [the death of] his mother.
67Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.