Darby's Translation

Malagasy

Genesis

30

1And when Rachel saw that she bore Jacob no children, Rachel envied her sister, and said to Jacob, Give me children, or else I die.
1Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho.
2And Jacob's anger was kindled against Rachel, and he said, Am I in God's stead, who has withheld from thee the fruit of the womb?
2Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho?
3And she said, Behold, there is my maid, Bilhah: go in to her, in order that she may bear on my knees, and I may also be built up by her.
3Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am­pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy.
4And she gave him Bilhah her maidservant as wife, and Jacob went in to her.
4Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy.
5And Bilhah conceived, and bore Jacob a son.
5Dia nanan'anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
6And Rachel said, God has done me justice, and has also heard my voice, and given me a son; therefore she called his name Dan.
6Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7And Bilhah Rachel's maidservant again conceived, and bore Jacob a second son.
7Dia nanan'anaka indray Bila, ankizivavin-Rahely, ka niteraka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
8And Rachel said, Wrestlings of God have I wrestled with my sister, and have prevailed; and she called his name Naphtali.
8Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9And when Leah saw that she had ceased to bear, she took Zilpah her maidservant and gave her to Jacob as wife.
9Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa.
10And Zilpah Leah's maidservant bore Jacob a son.
10Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba.
11And Leah said, Fortunately! and she called his name Gad.
11Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany.
12And Zilpah Leah's maidservant bore Jacob a second son.
12Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia nitera­ka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba.
13And Leah said, Happy am I; for the daughters will call me blessed! and she called his name Asher.
13Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany.
14And Reuben went out in the days of wheat-harvest, and found mandrakes in the fields; and he brought them to his mother Leah. And Rachel said to Leah, Give me, I pray thee, of thy son's mandrakes.
14Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma ianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao.
15And she said to her, Is it [too] little that thou hast taken my husband, that thou wilt take my son's mandrakes also? And Rachel said, Therefore he shall lie with thee to-night for thy son's mandrakes.
15Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao.
16And when Jacob came from the fields in the evening, Leah went out to meet him, and said, Thou must come in to me, for indeed I have hired thee with my son's mandrakes. And he lay with her that night.
16Ary nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny.
17And God hearkened to Leah, and she conceived, and bore Jacob a fifth son.
17Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba.
18And Leah said, God has given me my hire, because I have given my maidservant to my husband; and she called his name Issachar.
18Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19And Leah again conceived, and bore Jacob a sixth son;
19Dia nanan'anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba.
20and Leah said, God has endowed me with a good dowry; this time will my husband dwell with me, because I have borne him six sons. And she called his name Zebulun.
20Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21And afterwards she bore a daughter, and called her name Dinah.
21Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany.
22And God remembered Rachel, and God listened to her, and opened her womb.
22Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahely, dia nihaino azy ka nampanan'anaka azy.
23And she conceived, and bore a son, and said, God has taken away my reproach.
23Ary nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.
24And she called his name Joseph; and said, Jehovah will add to me another son.
24Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
25And it came to pass when Rachel had borne Joseph, that Jacob said to Laban, Send me away, that I may go to my place and to my country.
25[Ny fanekena hafa koa izay nataon'i Labana sy Jakoba] Ary rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko.
26Give [me] my wives for whom I have served thee, and my children; that I may go away, for thou knowest my service which I have served thee.
26Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay nanompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao.
27And Laban said to him, I pray thee, if I have found favour in thine eyes -- I have discovered that Jehovah has blessed me for thy sake.
27Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy.
28And he said, Appoint to me thy wages, and I will give it.
28Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao.
29And he said to him, Thou knowest how I have served thee, and what thy cattle has become with me.
29Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman'ondrinao tato amiko.
30For it was little that thou hadst before me, and it is increased to a multitude, and Jehovah has blessed thee from the time I came; and now, when shall I also provide for my house?
30Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko?
31And he said, What shall I give thee? And Jacob said, Thou shalt not give me anything. If thou doest this for me, I will again feed [and] keep thy flock:
31Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman'osinao:
32I will pass through all thy flock to-day, to remove thence all the speckled and spotted sheep, and all the brown lambs, and the spotted and speckled among the goats; and [that] shall be my hire.
32Handeha hitety ny ondry aman'osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako.
33And my righteousness shall answer for me hereafter, when thou comest about my hire, before thy face: all that is not speckled and spotted among the goats, and brown among the lambs, let that be stolen with me.
33Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga ianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany.
34And Laban said, Well, let it be according to thy word.
34Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary.
35And he removed that day the he-goats that were ringstraked and spotted, and all the she-goats that were speckled and spotted, every one that had white in it, and all the brown among the lambs, and gave [them] into the hand of his sons.
35Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zananilahy ireny.
36And he put three days' journey between himself and Jacob. And Jacob fed the rest of Laban's flock.
36Ary nasiany lalan­kateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman'osin'i Labana sisa.
37And Jacob took fresh rods of white poplar, almond-tree, and maple; and peeled off white stripes in them, uncovering the white which was on the rods.
37Ary Jakoba dia naka tsorakazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsorakazo.
38And he set the rods which he had peeled before the flock, in the troughs at the watering-places where the flock came to drink, and they were ardent when they came to drink.
38Ary ireny tsorakazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman'osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman'osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy.
39And the flock was ardent before the rods; and the flock brought forth ringstraked, speckled, and spotted.
39Dia nikambana tandrifin'ny tsorakazo ny ondry aman'osy ka niteraka sadika sy mara ary sada.
40And Jacob separated the lambs, and set the faces of the flock toward the ringstraked, and all the brown in the flock of Laban; and he made himself separate flocks, and did not put them with Laban's flock.
40Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman'osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman'osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman'osin'i Labana.
41And it came to pass whensoever the strong cattle were ardent, that Jacob laid the rods before the eyes of the flock in the gutters, that they might become ardent among the rods;
41Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman'osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman'osy ireny tsorakazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsorakazo.
42but when the sheep were feeble, he put [them] not in; so the feeble were Laban's, and the strong Jacob's.
42Fa raha osaosa kosa ny ondry aman'osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba.Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
43And the man increased very, very much, and had much cattle, and bondwomen, and bondmen, and camels, and asses.
43Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman'osy betsaka ary andevovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.