Darby's Translation

Malagasy

Genesis

34

1And Dinah the daughter of Leah, whom she had borne to Jacob, went out to see the daughters of the land.
1[Ny nakan'i Sekema an'i Dina sy ny namalian'i Simeona sy Levy izany] Dia nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2And when Shechem, the son of Hamor the Hivite, the prince of the country, saw her, he took her, and lay with her, and humbled her.
2Ary nahita azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3And his soul fastened on Dinah the daughter of Jacob, and he loved the maiden, and spoke consolingly to the maiden.
3Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
4And Shechem spoke to his father Hamor, saying, Take me this girl as wife.
4Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamora rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko.
5And Jacob heard that he had defiled Dinah his daughter; but his sons were with his cattle in the fields, and Jacob said nothing until they came.
5Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.
6And Hamor the father of Shechem came out to Jacob, to speak to him.
6Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nankany amin'i Jakoba hidinika taminy.
7And the sons of Jacob came from the fields when they heard [it]; and the men were grieved, and they were very angry, because he had wrought what was disgraceful in Israel, in lying with Jacob's daughter, which thing ought not to be done.
7Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany.
8And Hamor spoke to them, saying, My son Shechem's soul cleaves to your daughter: I pray you, give her to him as wife.
8Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny.
9And make marriages with us: give your daughters to us, and take our daughters to you.
9Ary aoka hifanambady anaka isika: omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy,
10And dwell with us, and the land shall be before you: dwell and trade in it, and get yourselves possessions in it.
10Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany ianareo.
11And Shechem said to her father and to her brethren, Let me find favour in your eyes; and what ye shall say to me I will give.
11Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko;
12Impose on me very much as dowry and gift, and I will give according as ye shall say to me; but give me the maiden as wife.
12na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.
13And the sons of Jacob answered Shechem and Hamor his father deceitfully, and spoke -- because he had defiled Dinah their sister --
13Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny;
14and said to them, We cannot do this, to give our sister to one that is uncircumcised; for that [were] a reproach to us.
14ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany.
15But only in this will we consent to you, if ye will be as we, that every male of you be circumcised;
15Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo, ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo,
16then will we give our daughters to you, and take your daughters to us, and we will dwell with you, and be one people.
16dia homenay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zanakareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika.
17But if ye do not hearken to us, to be circumcised, then will we take our daughter and go away.
17Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka hoforana dia halainay ny zanakai-vavy, ka handeha izahay.
18And their words were good in the eyes of Hamor and Shechem, Hamor's son.
18Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany.
19And the youth did not delay to do this, because he had delight in Jacob's daughter. And he was honourable above all in the house of his father.
19Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy.
20And Hamor and Shechem his son came to the gate of their city, and spoke to the men of their city, saying,
20Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe:
21These men are peaceable with us; therefore let them dwell in the land, and trade in it. And the land -- behold, it is of wide extent before them. We will take their daughters as wives, and give them our daughters.
21Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zananivavy dia aoka halaintsika ho vadintsika, ary ny zanatsika vavy dia aoka homentsika azy kosa.
22But only in this will the men consent to us to dwell with us, to be one people -- if every male among us be circumcised, just as they are circumcised.
22Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23Their cattle, and their possessions, and every beast of theirs, shall they not be ours? only let us consent to them, and they will dwell with us.
23Tsy ho antsika va ny omby aman'ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24And all that went out at the gate of his city hearkened to Hamor and to Shechem his son; and every male was circumcised -- all that went out at the gate of his city.
24Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany.
25And it came to pass on the third day, when they were sore, that two of the sons of Jacob, Simeon and Levi, Dinah's brethren, took each his sword, and came upon the city boldly, and slew all the males.
25Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehefa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26And Hamor and Shechem his son they slew with the edge of the sword; and took Dinah out of Shechem's house; and went out.
26Ary Hamora sy Sekema zananilahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha.
27The sons of Jacob came upon the slain, and plundered the city, because they had defiled their sister.
27Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
28Their sheep, and their oxen, and their asses, and what [was] in the city, and what [was] in the field they took;
28Ny ondry aman'osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa;
29and all their goods, and all their little ones, and their wives took they captive, and plundered them, and all that was in the houses.
29ary ny fananany re­hetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano.
30And Jacob said to Simeon and Levi, Ye have troubled me, in that ye make me odious among the inhabitants of the land -- among the Canaanites and the Perizzites; and I am few men in number, and they will gather themselves against me and smite me, and I shall be destroyed, I and my house.
30Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko ianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
31And they said, Should people deal with our sister as with a harlot?
31Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?