1And Jacob dwelt in the land where his father sojourned -- in the land of Canaan.
1[Ny nankahalan'ny rahalahin'i Josefa azy, sy ny nivarotany azy ho andevo] Ary Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana.
2These are the generations of Jacob. Joseph, being seventeen years old, fed the flock with his brethren; and he was doing service with the sons of Bilhah, and with the sons of Zilpah, his father's wives. And Joseph brought to his father an evil report of them.
2Ary izao no tantaran'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy.
3And Israel loved Joseph more than all his sons, because he was son of his old age; and he made him a vest of many colours.
3Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava.
4And his brethren saw that their father loved him more than all his brethren, and they hated him, and could not greet him with friendliness.
4Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy.
5And Joseph dreamed a dream, and told [it] to his brethren, and they hated him yet the more.
5Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany.
6And he said to them, Hear, I pray you, this dream, which I have dreamt:
6Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao:
7Behold, we were binding sheaves in the fields, and lo, my sheaf rose up, and remained standing; and behold, your sheaves came round about and bowed down to my sheaf.
7Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako.
8And his brethren said to him, Wilt thou indeed be a king over us? wilt thou indeed rule over us? And they hated him yet the more for his dreams and for his words.
8Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
9And he dreamed yet another dream, and told it to his brethren, and said, Behold, I have dreamt another dream, and behold, the sun and the moon and eleven stars bowed down to me.
9Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako.
10And he told [it] to his father and to his brethren. And his father rebuked him, and said to him, What is this dream which thou hast dreamt? Shall we indeed come, I and thy mother and thy brethren, to bow down ourselves to thee to the earth?
10Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao?
11And his brethren envied him; but his father kept the saying.
11Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany.
12And his brethren went to feed their father's flock at Shechem.
12Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema.
13And Israel said to Joseph, Do not thy brethren feed [the flock] at Shechem? Come, that I may send thee to them. And he said to him, Here am I.
13Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy ianao. Ary hoy izy taminy : Inty Aho.
14And he said to him, Go, I pray thee, see after the welfare of thy brethren, and after the welfare of the flock; and bring me word again. And he sent him out of the vale of Hebron; and he came towards Shechem.
14Ary hoy ny rainy taminy: Masìna ianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman'osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema.
15And a man found him, and behold, he was wandering in the country; and the man asked him, saying, What seekest thou?
15Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nirenireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao?
16And he said, I am seeking my brethren: tell me, I pray thee, where they feed [their flocks].
16Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna ianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry.
17And the man said, They have removed from this; for I heard them say, Let us go to Dothan. And Joseph went after his brethren, and found them at Dothan.
17Ary hoy ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana.
18And when they saw him from afar, and before he came near to them, they conspired against him to put him to death.
18Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy.
19And they said one to another, Behold, there comes that dreamer!
19Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy.
20And now come and let us kill him, and cast him into one of the pits, and we will say, An evil beast has devoured him; and we will see what becomes of his dreams.
20Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny.
21And Reuben heard [it], and delivered him out of their hand, and said, Let us not take his life.
21Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.
22And Reuben said to them, Shed no blood: cast him into this pit which is in the wilderness; but lay no hand upon him -- in order that he might deliver him out of their hand, to bring him to his father again.
22Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.
23And it came to pass when Joseph came to his brethren, that they stripped Joseph of his vest, the vest of many colours, which he had on;
23Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy;
24and they took him and cast him into the pit; now the pit was empty -- there was no water in it.
24dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy rano tao.
25And they sat down to eat bread; and they lifted up their eyes and looked, and behold, a caravan of Ishmaelites came from Gilead; and their camels bore tragacanth, and balsam, and ladanum -- going to carry [it] down to Egypt.
25Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta.
26And Judah said to his brethren, What profit is it that we kill our brother and secrete his blood?
26Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny ràny isika?
27Come and let us sell him to the Ishmaelites; but let not our hand be upon him; for he is our brother, our flesh. And his brethren hearkened [to him].
27Andeha hamidintsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tanantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny.
28And Midianitish men, merchants, passed by; and they drew and lifted up Joseph out of the pit, and sold Joseph to the Ishmaelites for twenty silver-pieces; and they brought Joseph to Egypt.
28Ary raha nandalo teo ny Midianita mpandranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo.
29And Reuben returned to the pit, and behold, Joseph [was] not in the pit; and he rent his garments,
29Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy.
30and returned to his brethren, and said, The child is not; and I, where shall I go?
30Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako?
31And they took Joseph's vest, and slaughtered a buck of the goats, and dipped the vest in the blood;
31Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natsobony tamin'ny rà ny akanjo.
32and they sent the vest of many colours and had it carried to their father, and said, This have we found: discern now whether it is thy son's vest or not.
32Dia nampanateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia?
33And he discerned it, and said, [It is] my son's vest! an evil beast has devoured him: Joseph is without doubt rent in pieces!
33Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa.
34And Jacob rent his clothes, and put sackcloth on his loins, and mourned for his son many days.
34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
35And all his sons and all his daughters rose up to comfort him, but he refused to be comforted, and said, For I will go down to my son into Sheol mourning. Thus his father wept for him.
35Dia avy ny zananilahy rehetra sy ny zananivavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy.Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.
36And the Midianites sold him into Egypt, to Potiphar, a chamberlain of Pharaoh, the captain of the life-guard.
36Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.